Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2004

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Telo taona tamin'ny planina dimy taona izao no lasa. Ireo fiovana miandalana izay nimatimatesana nandritra ny planina efa-taona, nampiana fanamafisana tamin'ny fanomezan-dalana manokana ny mikasika ny fanabeazana baha'i ho an'ny ankizy; nandritra ny planina roa amby folo volana ; avy eo, nanaovana fanaraha-maso tsy ankihato nandritra izao taona faram-parany izao ,dia feno tanteraka ankehitriny ireo fanantenana napetraka tamin'izy ireo rehefa natomboka.Na aiza na aiza eran- tany, ireo mpandray anjara telo loha amin'ny planina (ny olona tsirairay avy ny vondrona ary ny rafi-pitondrana) dia samy manana ny andraikiny miavaka tsara no sady mifameno eo amin'ny hetsika ataony avy. Ireo hetsika fototra toa ny faribolam-pampianarana, ny kilasin'ny ankizy ary ireo fivorim-bavaka dia zary lasa endri-javatra lehibe no sady manome lanja ny fahavitrihana izay mitarika hafanam-po goavana ary fahombiazana mifamaly momba ireo singan'izany fiainan'ny vondrona izany. Ireo loharano arak'olona dia afaka hitombo ary ireo Antenimiera am-panahy isan-tan'na dia afaka hahasahana ireo fil'na vaovao takian'izany hery tsy mitsaha-mitombo izany.

Ny fahaiza-manao niorina maneran-tany momba ny fanabeazana baha'i ho an'ireo ankizy dia mapitolagaga tokoa. Ireo ezaka voalohany natao hanajariana ireo sakan-jaza hahefa ny fiainany ara-panahy dia nahitam-pahombiazana. Ny fihetsehana ataon'ny faritra isakin'ny ambaratongan'ireo hetsika eo amin'ny fetra ambony kokoa dia efa voafehy tsara, ary arakarakin'ny fandrosoany, ny tambatra kely misy eo amin'ireo mpino voasoratra anarana dia mitombo ho volabolan'olona maro, tsy mbola baha'i akory nefa dia mandray anjara mavitrika amin'ireo hetsika fototra ao amin'ny planina. Ireo drafitra ara-pitantanan-draharaha momba ny fitomboana mahery vaika dia efa miseho masoandro noho izany ao amin'ireo faritra sasantsasany efa lasa aloha. Ireo Antenimiera ara-panahy Nasionaly amin'izany dia sady mamaly ireo filan'ny faritra ao amin'ny taniny no mahafantatra koa ny lanjan'ny fanomezana hasina manokana ireo faritra laharam-pahamehana , izay tsapa fa ahitam-pahaombiazana; nanome risika azy ireo, ary hampiroborobo azy ireo mandrapaha-tongan'ny loharano arak'olona novolavolain'ny lalam-piofanan ho foiben'ny fitomboana haingana sy mitohy. Araka ny vinavina, ny lalam-piofanana dia niseho ho toy ny aina mpamelona ho an'ny fitomboana. Amin'ny fotoana fanomezana tombana ireo tranga ao amin'n vondrona tsirairay avy sy ireo filana eo aminy;ny ankamaroan'ny Antenimiera am-panahy Nasionaly dia nisafidy ny fitaovam-pampianarana novokarin'ny lalam-piofanana RUHI,noho izy heverina ho mifandraika indrindra amin'ny planina. Ny tombotsoa ho an'ny andaniny sy ny ankilany dia mifototra eo amin'ny nahavitana dika amin'ny fitenim-pirenena maro samy hafa io fitaovana io, ary koa, na aiza na aiza alehan'ny Baha'i,dia ahitana namana hafa manaraka io lalana iraisana sy mahazatra io izy na arakin'ny boky izany na koa arakin'ny fomba fifampiofanana.

Ny fiaraha-monina iraisam-pirenena iray izay feno fikorontanana rotidrotikin'ny fomba fijery sy ny tombotsoa mifanohita, dia miady amin'ny fampihorohoroana, ny fanjakanibaro, ny tsolotra mitombo isan'andro, ary koa kikisan'ny trosa be tsy voaloa, ny fahantrana ary ny aretina. Ny vondrona Baha'i, eo anivon'izany dia manjay mibaribary tokoa, entanin'ny fahitana ny ho avy efa voambaran'Andriamanitra; hanorina eo ambonin'ny fomafy,hanamafy orina ny tenany amin'ny alalalan'ireo fitomboana miandalana izay efa tafajoro ankehitriny, ary tsy ho voahozongozona noho ireo mena miraviravy. Ohatra iray mikasika ny fahaiza-manaon'ny tontolo Baha'i mba hihetsika manoloana ireo tranga tsy ampoizina, no niseho heritaona lasa izay, raha nisy loza maro nanery ny hanafoanana ny fihaonambe iraisam-pirenena Baha'i ; misy ihany ny fifidianana ny Tranom-pahamarinana iraisan'izao tontolo izao,ary nizotra nandroso hatrany ny raharaha .Niaraka tamin'izany, tetsy andaniny, na dia nisy aza ny korontana teo amin'ny fiainana tany Iraq, dia azo natao ihany ny nifandray tamin'ireo Baha'i tao amin'io firenena io ary koa ny nanangana ny Antenimiera am-panahy isan-tanana tao. Ankehitriny, ambaranay amin-kafaliana lehibe ho anareo ny fifidianana izay atao amin'ny Ridvan izao any Iraq fa dia navaozina rehefa voageja tsy nahazo aina nandritra ny telopolo taona izany, ary nandray ny toerana tokony ho azy izy eo amin'ny vondrona iraisam-pirenena Baha'i.Ny zavatra tadiavin'ny planin'Andriamanitra amin'izao vanin'andro izao dia ny hizotoantsika amim-pahavitrihana eo amin'ny lalan-kizorana ankehitriny,tsy ho kivin'ireo tafiotra manozongozona izao tontolon'ny olombelona izao. Man'na finoana fa ;Ny hatsaran-taehy voatahy dia hitarika ny dianareo,ary ireo Tafika Masina hanohana ireo ezaka rehetra ataonareo ho fampandrosoana ny finoanay.

 

Windows / Mac