Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2015

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Efa antomotra ny fotoan'andro mamiratry ny Ridv'n, ary tojo eny amin'ny tendrony ny vondron'Ilay Anarana Lehibe Indrindra izay mahatsinjo fa mazava eny amin'ny faritra manodidina rehetra. Midadasika tokoa ny toerana efa nolalovana : efa nisy ireo fandaharan'asa vaovao niseho, ary mbola hisy amanjatony ireo izay hivoitra amin'ny roa ambininifolo volana hoavy, ny ezaka tokony atosaka hampihetsika ireo endrik'hetsika tena ilaina dia efa nanomboka ao amin'ireo vondrom-paritra tsirairay avy izay nantsoina hanatratra ny tanjona 5 000 anatin'ny planina 5 taona. Ireo fandaharan'asa efa misy dia mahazo hery tokoa, maro amin'izy ireny no efa maneho mazava ny fihitarana tsikelikelin'ny Finoan'Andriamanitra any amin'ny seham-pivelarana sosialy amin'ny alalan'ny vondrom-paritra ary anaty mpifanolo-bodi-rindrina na tan'na kely. Ny sorid'lana izay mitondra any amin'ny seham-pivelarana voatohana tsara sy lehibe ary ny fanamafisana dia narahin'ireo dian-tongotra mafy orina, tanora vono-kisedra izay nametraka ny tokony ho paika-pamindra. Ireo fomba maro hananganana fiaraha-monina izay itoeran'ny tena herin'ny Finoana ka niseho tamin-karazan-tsehatra dia nanomboka mibaribary, ary ireo izay toetra mampiavaka voafaritra tsy maintsy hanamarika ny fampandehanana ny fizorana amin'ny fitomboana anaty vondrom-paritra dia miha-talaky maso miandalana.

Ny antso sy ny fanohanana enti-manantontosa izany asa izany dia miantefa amin'ny tsirairay avy mpanaraka an'i Baha'u'llah, ary hampitroatra setriny anaty fon'ny tsirairay avy izay marary amin'ny faharatsian'ny fepetran'izao tontolo izao, ny fitrangan-javatra izay mahonena tokoa izay tsy miteraka fanamaivanana ny fanaintainan'ny vahoaka. Any amparany tokoa, dia ny asa tsy mila tambiny, tsy miato ary feno fahavononana tontosaina miaraka sy anaty faritr'asan'ny Planina no tena setriny lehibe sy mahefa indrindra tokony ho ataon'ny mpino isambatan'olona manoloana ireo aretina tsy mitsaha-mitombon'ny fiaraha-monina anaty korontana. Nandritra ny taona lasa iny, niha-nazava ihany koa fa, tany amin'ny firenena maro sy tamin'ny fomba samy hafa, ny fifanarahana sosialy mifono hevitra tsara izay nampiray sy nampifamatotra ny vahoaka fahiny dia miha-ratsy hatrany sy very. Zary tsy afaka manolotra fanoherana hanohitra ireo karazana tsangan-kevitra arovana izay manimba tsy mikaroka afatsy ny fanatsarana ny maha-izy azy ny tena ary tsy mahay mandefitra satria mahazo vahana ny tsy fahaizana mankasitraka sy finiavana hamaly faty. Koa satria mitranga isan'andro ny fifanoherana eo amin'izao tontolo izao izay manomboka very toky, ary ireo mpanohana ireo tsangan-kevitra mandrava ireo dia mitombo andaharana ary tsy menatra miseho lany. Tsaronay etoana ny teny mazava avy amin'ny Penina Faratampony : ' Ry zareo miolomay manatona ny Afo Helo, kanjo diso hevitra ka milaza azy io ho hazavana ' Ireo mpitarika firenena tsara fikasana sy ny vahoaka tsara sitrapo dia very anaty ady hanitsy ny fahavoazana efa hita miharihary anaty firaha-monina miraviravy tanana amin'ny famefena ny fiparitahany. Ny vokatr'izany dia tsy hoe hita mibaribary fotsiny amin'ny fifandirana avy hatrany sy ny firodanan'ny antanan-tohatra fa hita amin'ny tsy fifampitokisana izay mivelatra ho lavaka lalina mampisaraka ny mpifanolo-bodi-rindrina ary maningotra ny fifamatorana amin'ny fianakaviana, eo amin'ny fifanoherana sesilany amin'ny fifanakalozana ara-tsosialy, ny tsy fiheverana intsony ny fientanana manosika ny toetra tsy mendrika ny maha-olombelona ampiasaina hahazoana fahefana sy hanagonan-karena- anatin'ireo rehetra ireo dia mifono marika tsy mamitaka fa ny hery ara-moraly izay mitazona ny fiaraha-monina dia manomboka ritra tanteraka.

Na izany aza dia misy ny toky noho ny fahalalana fa eny afovoan'ny fitotong'nana, dia misy fiainam-baovao mahay mifanaraka izay maka toerana sy endrika, fanehoana ivelany izay rehetra avy amin'ny lanitra eo amin'ny taranak'olombelona. Tsikaritray indrindra eny amin'ny toerana anaovana sy nahatazona hetsika fampianarana mafonja sy hanang'nana fiaraha-monina, ny fomba nahafahan'ireo namana nanohitra ny herin'ny materialista izay mety haningotra ny angovo sarobidy efa ananana. Ary tsy izany ihany, fa ny fahaiza-mifehy ny antso isan-karazany mitaky fotoana, dia tsy mba nampivadika ny fifantohan'ny maso amin'ny asa masina sy amehana izay miandry azy ireo. Ny fahaiza-mamaly ny fil'n'ny Finoana toa izany sy ny maha-tsara indrindra ny zanak'olombelona dia tena takiana amin'ny vondrona rehetra tsirairay avy. Na taiza na taiza nahitana fandaharan'asa fitomboana natsangana tamin'ny vondrom-paritra mbola tsy nisokatra, dia hitanay ny fomba fitsimohan'ny hetsika nampientana nitsangana vokatry ny fitiavana an'i Baha'u'llah mahazo toerana am-pon'ny mpino mahafatra-po. Na teo aza ny fahasarotana isan'ambaratonga izay tsy maintsy tandra vadin-koditra amin'ny fivelaran' ny vondrona, ny hetsika rehetra dia nanomboka tamin'izany fifamatoram-pitiavana tsotra izany. Kofehy tena manandanja tokoa hamitranana endrik'ezaka mifantoka sy feno faharetana, tsingerina isaky ny tsingerina, hampiditra ireo ankizy, tanora, ary lehibe anaty hevitra ara-panahy ; hanamafy orina ny sento-mpo hidera amin'ny alalan'ny fiarahana hivavaka sy fiderana ; hanentana resaka izay hampamiratra ny fahazahoana ; hanomboka hisarika ny andiany maro hatrany eo amin'ny fiaina-mandalo hianatra ny Teny Mpamorona ary hamadika izany ho fihetsika sy asa ; hampivelatra miaraka amin'ny hafa ny fahaiza-manao amin'ny fanompoana ; ary hiaraka ny tsirairay amin'ny fanazarana ireo efa lesona azo. Ry namana malala, ireo tena malalan'i Hatsaran'i Abha : Mivavaka ho anareo izahay isaky ny tranga rehetra ary azo antoka tokoa, manantona ny Tokonany Masina izahay, enga anie ny fitiavanareo Azy hanome hery hanompananareo ny fiainanareo ho an'ny Finoany.

Ny seho mihelina feno dia feno mipoitra avy any anaty vondromparitra, ary avy any anaty ivon-ketsika mahery vaika miaraka aminy, izay niteraka ny vitriky ny fiainan'ny vondrona ka nahahenika vahoaka maro an'isa dia tena mendrika ho resahina manokana. Ravo izahay mahita ny kolontsaina mifanampy, miorina avy amin'ny finamanana sy fanompoana feno fanetretena, izay mitsangana hoazy any anaty kartie, ka mampiditra tsy tapaka fanahy maro hatrany hiditra anaty karazan'hetsiky ny vondrona. Andanin'izay tsy azo lavina fa ny fitombo an'isa ireo fomba fihetsehan'ny vahoaka mankany amin'ny fijerin'i Baha'u'llah ho an'ny fiaraha-monina vaovao dia tsy mivoitra tsotra fotsiny ho sehon-javatra mahasondriana fa tena zava-misy mitroatra hoazy.

Tinay ihany koa ny manisy teny ireo izay ny manodidina azy dia mbola hametraka fandrosoana sy maniry ny ahita fiovana. Man'na fanantenana. Tsy hijanona toy zao foana akory. Moa ny tantaran'ny Finoantsika tsy efa nirakitra ireo fiantombohana somary tsy dia ahitam-bokany nefa tena nampitolagaga ny vokatra avo ? Impiry moa ny asa vitan'ireo mpino vitsy- tanora sy antitra- na fianakiavana iray monja, eny na fanahy iray aza, rehefa hamafisin'ny fanampiana avy any an-danitra dia nahitana fahombiazana nikolokolo vondrona mihovitrovitra anaty fepetra tsy azo eritreretina akory ? Aza mandefa eritreritra amin'ny hoe ny tranga misy eo aminareo dia hafa tanteraka noho ny rehetra. Ny fiovana eo amin'ny vondromparitra, na, izany tamin'ny fomba tsotra na tamin'ny asa sarotra, dia tsy azo velively tamin'ny fomba fiasa vita drafitra tsara na koa avy amin'ny hetsika kisendrasendra; fa niroso avy tamin'ny paikan'hetsika, fandinihana ary fifanakalozankevitra, avy eo dia natosiky ny planina teraka avy amin'ny traikefa. Ary ankoatr'izay na manahoana na manahoana ny fiankatraikany mivantana, ny asa fanompoana Ilay Tiana dia loharanom-pifaliana ho an'ny fanahy. Mandraisa ihany koa ireo ohatra avy amin'ireo namana manam-panahy avy any amin'ny fiposahan'ny Finoantsika hoe manahoana ny fomba fijery mahatsangana ananan'izy ireo, ny fahafahany miharitra sy miaina ara-bondrona, ary ny fahamatorany amin'ny fampivelarana ny Tenin'Andriamanitra ka nampiova ny fiarahamonina na eo amin'ny fisainana na eo amin'ny asa. Miaraka aminareo Andriamanitra. Amin'ny volana roa ambin'ny folo sisan'ny Planina, aleo ireo vondrona tsirairay avy hiroso amin'ny toerana iray hiaingany ho amin'ny iray mafy kokoa.

Ny mahazava-dehibe ny asa fanamafisana sy fanapariahana mitoetra amin'ny fototra mafy orina avy amin'ny ezaky ny tontolo Baha'i dia mbola antsoina hisehatra amin'ny tontolo maro be. Aty amin'ny Foibe Mondialy Baha'i, dia namafisina ny ezaka mba hanangonana antsary sy handaharana alfabetika ireo Takelaka amin'arivony izay mandrafitra ny tena zava-tsarobidy ny Soratra Masin'ny Finoantsika, arovana mba ho tombontsoan'ny zanakolombelona iray manontolo- izany dia mba hanafainganana ny fanot'na antontan-Tsoratra maro, na amin'ny fiteny nihaviany na amin'ny fiteny Anglisy. Ny ezaka hanangana Mashriqu'l-Adhkar valo, ny Lalana masina miakatra any amin'ny Voninahitr'Andriamanitra dia mihafaingana toa izany. Ny raharaha ivelany any amin'ny nasionaly dia manomboka mahazo vahana sy mahomby ary efa manomboka tsy miato, nentanin'ny fivoahan'ny antontan-taratasy nalefa tany amin'ny Antenimiera Ampanahy Nasionaly enimbolana lasa izay, ka namehezana ireo traikefa marobe azo nandritra ny folontaona roa nifanesy ary nanolotra ho antsika sehatr'asa hivelatra amin'ny hoavy. Teny antsefatsefany teny, dia nisy birao roa ho an'ny Vondrom-pirenena Baha'i nisokatra tany Adis Abeba sy Jakarta, ireo dia mitovy amin'ireo efa misy any amin'ny Biraon'ny Firenena Mikambana any New York sy Geneva ary ny birao any Brussels; natao hanitatra amin'ny ambahindainy ny mety fanararaotana hampivelarana ny karazan-jazavatra ananan'ny Finoana ka azo atolotra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena aty Afrika sy any Azia atsimo atsinanana. Matetika ihany koa atosiky ny fil'na hitombo, misy ireo Antenimiera Nasionaly sasany mampitombo ny fahaiza-manaony aram-pitantanana, hita izany amin'ny fampiasana feno haking'na ireo loharano misy eo antanana, ny ezaka atao hamantatra akaiky bebe kokoa ny vondrona, ary ny fahamailona hampahazo antoka fa ny fandehan-draharaha eo amin'ny Birao Nasionaly dia mivelatra sy mihamatotra hatrany; ny fampanjariana tsy hiato ny rafim-pahalalana azo amin'io sehatra io dia nizotra tamin'ny fananganana Birao ho an'ny Fampandrosoana Aram-pitantanana eo amin'ny Foibe Mondialy. Ny fanapahankevitra hanao asa sosialy isan-karazany dia mitohy sy mitombo amin'ny firenena maro, nahafahana nahafantatra fa betsaka ny lesona azo amin'ny fahendren'ny Fampianarana izay azo ampiasaina hanatsarana ny trangam-piarahamonina sy ekonomika; mahavelombolo tokoa io sehatra io ka nahatonga antsika nanendry mambra fito ho mpikambana ao amin'ny Filankevitra iraisam-pirenena ho an'ny biraon'ny Fampandrosoana ara-ekonomika sy sosialy, hampiditra io Birao io amin'ny ambaratongam-pivoarana manaraka. Ny mambra telo ny Filankevitra dia mpandrindra ny Birao ary mipetraka any An-tany Masina.

Amin'ity Ridvan ity ary, tsapanay fa betsaka ny tokony ho zava-bita, dia maro an'isa ihany koa no itanay tokony hanantontosa izany. Amin'ireo vondrom-paritra aminin'arivony , mpifanolo-bodi-rindrina, ary tan'na kely, finoana vaovao mamelombelona sy fahatokisan-tena no indro mitosaka, mahavelombolo ny fanahy izay tojo azy vokatry ny rano mamelona aterany. Amin'ny toerana maro, ny tosaka dia efa riandrano tsy miova, amin'ny sasany kosa, efa tena renirano. Izao fotoana izao dia tsy fotoanan'ny fipetrahan'ny fanahy na iza na iza hitaredretra eny amin'ny sisin-drano intsony- aleo ny rehetra amin'ny al'lan'ny tenany hitondra azy hanaraka ny riandrano miakatra.

 

Windows / Mac