Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2003

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Na dia vao eo amin’ny faha-telo taonany aza ny Planina dimy taona dia hita fa nahazo tombondahiny vaovao ny vondrona nihoatra lavitra ny zava-bita tamin’ireo roa ambin’ny folo volana teo aloha mantsy ny vita tamin’iny taona lasa iny. Samy nitondra ny herin’izany tombondahy izany na ny firindrana lehibe teo anivon’ireo singan’ny planina na ny fanaitairan’ny korontana nahahenika ny planeta iray manontolo.

Sady mampatahotra ireo trangan-javatra nifanandrify tamin’ny fiandohan’ity taonam-pandraharahana vaovao ity no mifono fanamby maro sy tena miavaka tokoa. Nandritra iny taona lasa iny dia olana maro no nanozongozona izao tontolo izao izay nipaka hatramin’ny fipoahan’ny ady tany Moyen-Orient. Samy mifandray amin’izany toe-javatra izany na ny fandrosoan’ny vondron’ilay Anarana Lehibe Indrindra na ny fivoaran’ny fiaraha-monina izay mandalo am-pikorontanana teteza-mita mankany amin’ny fanatontoloana. Nilaina ny tsy namisavisana mialoha ny fotoana, ny habe ary ny fitodik’io teteza-mita io. Toa inona moa ny hafaingan’io fiovana io teo amin’ny dian’ny raharahan’izao tontolo izao ! Mampahatsiaro antsika ny fampitandremana nataon’i Bahá’u’lláh hoe “Nakorontan’ny hery mafonjan’io fitantanana iraisam-pirenena vaovao lehibe io ny fifandanjan’izao tontolo izao” ny ady izay nampiditra tamin’ny fomba miharihary ireo firenena izay namefy ny fiandohan’ny tantaran’ny Fototra. Anisan’ny nisongadina tokoa ny nahakasihana mivantana an’i Irak, firenena mitahiry lova bahá’í sesehena, tamin’iny korontana iny.

Etsy andaniny dia nanokatra toko vaovao amin’ny tantaran’ny vondrona bahá’í, izay sady noderaina fatratra no nampijaliana teo amin’ny tany izay nonenan’ny Fanehoan’Andriamanitra ho amin’izao Andro izao am-polo taona, ireo korontana naterak’iny toe-javatra iny sy ireo toe-javatra hafa maneran-tany. Etsy ankilany anefa dia nanafoana ny fanomanana ny fihaonam-be iraisam-pirena faha-sivy izay tokony natao tao amin’ny Foibe iraisam-pirenen’ny Finoantsika koa izany. Na dia nahadiso fanantenana aza anefa izany dia tsy tokony hampalahelo antsika. Rehefa voasakan’ny Planina lehiben’Andriamanitra ny Planina madininy iray dia tsy tokony hiahiahy isika fa azo antoka ny hahafahantsika mampandroso ny Fototra be voninahitra amin’ny fotoana maha-mety azy aoriana kely.

Nampitombo hery ireo tsy fahamarinana ny tsy fahamendrehana manoloana ireo olana miverimberina sy manozongozona ny planeta ny fanaintainana, tahotra sy korontana naterak’iny ady teo iny amin’izao fotoana hitsanganan’ny Fandriampahalemana kely izao. Any amin’ny vazantany efatra ankehitriny dia mbola manohy milaza ampahibemaso sy amin-katezerana ny tebitebiny mikasika ireo hetsika mafonja loatra ka tsy hay afenina ny olana maro. Matetika dia manampy trotraka ilay korontana tian’izy ireo hofoanana amin’ny alalan’ny fanondroana ampahibemaso ireo fanontaniana tsy ankasitrahany sy ireo fihetseham-po aterak’izany. Ho an’ireo sakaizan’Andriamanitra kosa anefa dia mazava be ny fanazavana ny zava-nitranga; mila mitadidy fotsiny ireo fahitana sy foto-kevitry ny finoana izy ireo raha te hahafantatra marina ny fanamby apetrak’izao fahoriana sy alahelo miha-lehibe izao. Tokony hohezahin’izy ireo ny hahazo lalindalina kokoa ny fampianarana izay mifandraika amin’izao fepetra ankehitriny izao, izany dia amin’ny alalan’ny fahazoana ireo tararasin’i Shoghi Effendi navoaka tao amin’ny Ny Lamina eran-tany nentin’i Bahá’u’lláh , ary indrindra indrindra tao amin’ireo mitondra ny lohateny hoe: “Ny tanjon’ny lamina eran-tany vaovao” “I Amerika sy ny Fandriampahalemana lehibe indrindra”, ary “Ny fandrosoan’ny sivilizasiona eran-tany”

Na dia mandroso ao amin’ny lalan’ny korontana aza izao tontolo izao dia nahazo fahafahana miasa kosa ny Planina dimy taona izay ahazoan’ny vondrontsika mitodika sy manao dingandava mankany amin’ny tanjony lehibe iray dia ny fampandrosoana ireo dingana mankany amin’ny fidirana amin’andiany. Efa nomena anareo tao amin’ny taratasy tamin’ny 17 janoary ny antsipirihan’ny toe-draharaha any amin’ny kaontinanta 5 izay mahavelom-bolo tokoa ho an’ny Finoana, nefa asainay ianareo hamerina handinika izany. Ankehitriny dia mbola misy antsipirihany vitsivitsy tsara hotsipihana: miisa 179 izao ireo firenena voazarazara ho vondromparitra izay miisa 17.000. Lasa fitaovana matanjaka iray hampiraisana ny saina sy ny asa eo anivon’ireo rafitra sy ireo faritra isan-karazany ireo fivoriana eo amin’ny sehatry ny vondromparitra; nitondra fahazotoana lehibe teo amin’ny fandraisan’andraikitry ny rafitra sy ny tsirairay ao anatin’ny rivotry ny fifanampiana izany. Ireo fanofanana rahateo koa moa dia nampitombo bebe kokoa hatrany ny heriny mpitondra fanitarana sy fanamafisan’orina. Tojo dingana izay nahasongona lavitra ny tamin’ny taona lasa ireo hetsika fototra ato amin’ny Planina. Vokatr’izany dia nitombo hatrany ny isan’ireo namana maneran-tany no miara-miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana sy ny fandraharahana, taratry ny rivo-pitokisana mifamindra izay manainga ny fahazotoana sy fifehezan’izy ireo. Mandray anjara amin’ny fomba maty paika kokoa amin’ireo fandaharan’asan’ny vondrona koa ny tanora sy ny ankizy, ary maro an’isa kokoa ireo tsy bahá’í mandray anjara amin’ny faribolam-pianarana, fivoriam-bavaka ary kilasin’ny ankizy. Tena mahavelom-bolo koa ny manamarika fa nandritra ny fotoana fohy lasa hatramin’ny nanombohan’ny planina dia nanjary ara-potoana sy nitombo isa ireo hetsika telo ireo any amin’ny ankamaroan’ny vondrona ahitana izany raha toa nitsitapitapy izany teo aloha. Izao no fotoana kely ho an’ny vondrona eran-tany izay tsy mbola niray hina sy niasa mafy ohatr’izao hatramin’izay.

Nandritry ny taona lasa na dia nanjary tsy azo nosarahina tamin’ny fandehan’ny planina intsony aza io fomba fitomboana io dia nisy koa fandrosoana lehibe hafa niseho. Teo amin’ny sehatry ny fifandraisana amin’ny any ivelany dia nandray anjara tamin’ny karazana hetsika maro isan-karazany izay tsy ho voatanisa eto ireo toeram-piasana bahá’í, ary raha tsy hiteny betsaka dia tsapa fa maha-te hidera tokoa ny vokatr’izany amin’ny ankapobeny. Isan’ny nisongadina indrindra tamin’izany ny hafatra izay nomentsika ireo mpitondra fivavahana rehetra tamin’ny volana aprily lasa teo. Nanome tombondahy vaovao ny fomba entin’ny vondrona bahá’í manintona ny sain’ireo olo-manankaja eo amin’ny fiarahamonina izay mikasika ireo olana lehibe amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao. Voazava vetivety tamin’ireo mpikambana ambony indrindra ao amin’ny vondrom-pivavahana maneran-tany sy amin’ireo olona amin’ny sehatra hafa izany hafatra izany noho ny ezaka iombonana nataon’ny Biraon’ny fampahalalam-baovao eo amin’ny vondrona iraisam-pirenena bahá’í sy ny hafainganana sy fahaizan’ireo antenimiera am-panahy nasionaly. Ny tanjon’io fanapahan-kevitra io moa dia ny mba hahatsapan’ny olona rehetra voakasika fa ilaina ny hitodihan’ny mpitondra fivavahana rehetra any amin’ny olana ateraky ny fitsaratsarana ivelany ny finoana izay mandrahona hatrany ny fiadanan’ny zanak’olombelona. Ny fihetsika nasetrin’ireo vao avy namaky ny taratasy dia nampiseho fa noraisiny tamim-pahamatorana ilay hafatra, tany amin’ny toerana sasantsasany aza dia tsapa fa nanome fahazavana vaovao ho an’ireo hetsika iraisam-pinoana izany.

Eo amin’ny sehatra ara-toe-karena sy sosialy kosa indray dia misy havitrihana vaovao izay mampitombo hatrany ny vokatry ny ezaka ataon’ireo rafi-pitondrana sy ny tsirairay eo amin’ny fampandrosoana ny finoana sy ny fiaraha-monina amin’ny any ivelany. Mitatitra ny Biraon’ny fandrosoana ara-toe-karena sy sosialy fa nandritra ny taona faharoan’nyplanina dia nahatratra valo ny toeram-piasana fampandrosoana vaovao natsangan’ny bahá’í, izay miasa amin’ny sehatra isan-karazany toy ny fitakian’ny vehivavy, ny fahasalamana, ny fambolena, ny fanabeazana ny ankiza ary ny fitezana ara-panahy sy ara-tsaina ny tanora.

Any an-tany Masina dia hampitondraina ny lohateny hoe “Vatosoan’ny tsiambaratelon’Andriamanitra” ny dikateny anglisin’ny epistily arabon’i Bahá’u’lláh fantatra tamin’ny anarana hoe Javáhiru’l-Asrár. Vita koa ankehitriny ny fanamboarana ny fonjan’i Bahá’u’lláh tao amin’ny tranomaizin’i Akká izay natomboka tao an’ilan’ny rihana misy ireo fonja. Manomboka amin’ny vanim-potoana fitsidihana manaraka, izany hoe manomboka amin’ny Oktobra 2003 dia hiakatra ho 150 – 200 ny isan’ireo mpitsidika isan’andro.

Etsy andanin’izany dia hita taratra miavaka amin’ny fandrosoana tsy miaton’ny rafitra Huqúqu’lláh, eo ambany fiadidian’ny tompon’andraikitra, ny Tanam-pototr’Andriamanitra ‘Ali-Muhammad Varqá, ireo hezaka fampiroboroboana ny fandrosoan’ny rafitra ao amin’ny Foibe iraisam-pirenena. Noho ireo fanapahan-kevitra hendry sy ireo hezaka mitohy nataony dia voarisik’i Dr Varqá hahafantatra ny lalànan’ny Huqúqu’lláh ireo namana. Tao anatin’ny 10 taona nanaraka ny fampiharana io lalàna vaovao io dia voatsangana ny tompon’andraikitra isam-pirenena sy faritra, ary manaraka izany amim-pandavantena tokoa ireo namana isan-kaontinanta, izany moa araka ny finoan’i Dr Varqá dia hipaka any amin’ireo namana izay tsy mbola nahazo tombony tamin’ireo fahasoavana nampanantenaina ireo rehetra manaraka io lalàna io.

Taona roa taorian’ny nanambarana ny ilàna manokana vola hikarakarana araka ny tokony ho izy ireo trano sy zaridaina eo amin’ny Foibe iraisam-pirenena dia nosokafana ny Foibe Fanoloram-bola iraisam-pirenena. Tsy mbola mahasarona ny filàna mandava-taona anefa ireo rotsa-bola tamin’izany. Na izany aza anefa dia voatery nanilika 5 tapitrisa avy tamin’ireo vola voarotsaka izahay mba hanokafana vola atokana hamatsiana ny tena tanjona. Izany no nataonay dia mba hisintonana tamin’ny tahiry iraisam-pirenena entina handoavana ireo sarany ilaina amin’ny zavatra hafa, najanona araka izany ny hetsika sasantsasany izay tokony notohizana.

Amin-kafaliana no ampandrenesanay anareo fa ho setrin’ny antso nataon’ny Antenimiera am-panahy nasionalin’i Chili dia tetikasa miisa 185 no voarain’ireo manam-pahaizana momba ny trano sy ny fanaovana sary avy amin’ny firenena maro momba ny Renifiangonana ao Amerika atsimo izay hahorina ao Santiago. Holazaina amin’ny fotoana mahamety azy moa ny safidy farany amin’izany.

Ry namana malala: faly tokoa izahay noho ireo porofo mivaingan’ny fandrosoana tsapa n’aiza n’aiza ary mahatoky hatrany ny fankaherezana arotsaky ny Tompontsika tsy miato eo amin’ireo ezaka feno fandavantena ataontsika eo amin’ny sehatry ny Planina 5 taona, planina izay novolavolaina hifanentana amin’ireo filan’izao vaninandro izao. Koa ho tonga hery hatrany anie ny fihezahanareo eo amin’ny fanatontosana izany, hery izay noho ny fanampian’Andriamanitra dia afaka hampandroso fatratra ny dingana mankany amin’ny fidirana amin’andiany any amin’ny firenena tsirairay.

 

Windows / Mac