Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2021

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

1.Ireo hafatra faran’ny toko iray amin’ireo tokony hotsarovana indrindra ny tantara ny Finoana dia efa voasoratra hatramin’izao, ary mivadika ny pejy. Ity Ridvan ity dia manamarika ny fiafaran’ny taona iray manandanja, ny Planina dimy taona sy ny andiana Planina rehetra nanomboka tamin’ny 1996. Andiana Planina vaovao no miandry antsika, izay mampanatena roam-binifolo volana manandanja izay fiandohana asa lehibe ka haharitra sivy taona ary hanomboka amin’ny Ridvan ho avy izao. Manana vondrona izay nihanatanjaka haingana isika manoloana antsika ary vonona hanao dingana lehibe handrosoana. Fa tsy tokony hanofinofy isika amin’ny fitambaran’ireo ezaka ilaina anatratrarana izany na ny fahasarotana lehibe izay avy amin’ny alalan’izany no nazahoana ireo fahalalana nandavana ny lalana: ireo lesona nianarana dia hamolavola ny hoavy ny vondrona, ary ny mitantara hoe ahoana no nianarana azy ireo dia ahafahana mahazo kokoa izay ho avy.

2. Ireo ampolo taona nialoa ny 1996, manakarena fandrosoana sy hevitra azy tenany, dia naneho tsy misy ahiahy fa olona maro be ao amin’ireo fiarahamonina maro no vonona iditra eo ambanin’ny fanevan’ny Finoana. Na izany aza, na dia navelom-panantena aza ireo tranga fidirana lehibe, izany dia tsy nifanaraka tamin’ireo lamin’ny fitomboana maharitra izay tokony voatoana ao amin’ireo fisehoan-javatra samihafa. Ireo vondrona dia niatrika fanontaniana lalina maro izay, tamin’izany andro izany, tsy nanana traikefa ampy hamaly izany araky ny tokony ho izy. Ahoana no ahafahan’ireo tanjon’ny ezaka ao amin’ny fanapariahany iaradroa amin’ny lamin’ny fanamafisana sy amaha ny olana hatramin’izay ary toa tsy voavaha amin’ny fiantoana ny fitomboana? Ahoana no ahafahana mampihetsika ireo tsirairay, ireo rafitra ary ireo vondrona hanana fahafahana hamadika ireo fampianaran’I Bahá’u’lláh ho asa? Ary amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo izay voasinton’ny fampianarana ho lasa mpandray anjara fototra ao amin’ny asa lehibe iray arapanahy mondialy?

3. Toy izany ampaefatry ny zato taona lasa izany, vondrona Bahá’í iray izay mbola nanana Tana-pototry ny Finoana an’Andriamanitra telo teo amin’ireo laharana voalohany no nanatanteraka ny Planina efa-taona, izay nampiavaka azy tamin’ireo teo aloha tamin’ny fifantohany tamina tanjona tokana ihany: firosoana manandanja iray ao amin’ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany. Izany tanjona izany no nanoritsoritra ny andiana Planina nanaraka. Ny vondrona dia efa nahafantatra sahady fa izany lamina izany dia tsy mandrafitra fotsiny ihany ny fidirana andiana manandanja ao amin’ny Finoana, ary izay mety tsy hiseho avy hatrany; izany dia nitaky fanapariahana sy fanamafisana voafaritra, maty paika sy haingana dia haingana. Izany asa izany dia nitaky fandraisan’anjara voazava fanahy maro an’isa ary tamin’ny 1996, ny tontolo Bahá’í dia nantsoina hiatrika fanamby goavana izay miseho amin’ny alalan’ny fanabeazana. Tsy maintsy nametraka tambazotrana lalampiofanana izay natokana hiteraka andiana olona mitombo manana ireo fahaizamanao ilaina amin’ny fanohanana ny lamim-pitombona.

4- Ireo namana no niloloha an’io asa io, nahatsapa fa, na teo aza ireo fandreseny teo aloha tamin'ny lafin’ny fampianarana, dia mazava fa nanana zavatra betsakahianarana momba ny fahaiza-manao tokony ho azo izy ireo, ary ambonin'izany rehetra izany, eo amin’ny fomba ahazoana azy ireo. Amin'ny lafiny maro, ny vondrona dia nianatra amin'ny alàlan'ny hetsikasa, ary ireo lesona nianarany avy amin’izany, rehefa voatsonga sy voadio tamin'ny alalan'ny fampiharana azy ireo tao amin'ny toe-javatra samihafa rehefa mandeha ny fotoana, dia hampidirina ao anatin'ny fitaovam-panabeazana amin’ny farany. Hita fa ireo hetsika sasantsasany dia mifanaraka ara-boajanahary amin'ny filàna ara-panahin'ny mponina iray. Amin'izany lafiny izany, ireo faribolam-pianarana, ireo kilasin'ny ankizy, ireo fivoriam-bavaka ary, taty aoriana, ireo andiana tanora zandriny dia voaporofo fa manan-danja indrindra ary rehefa ampiarahina amin'ireo hetsika mifandraika amin'izany, ireo vitrika nivoitra tamin’izany dia mety hiteraka maodelim-piainam-bondrona mavitrika iray. Ary rehefa eo ampitomboana ny isan'ireo mpandray anjara ao amin'ireny hetsika fototra ireny dia nisy lafiny vaovao niampy tamin'ny tanjon'izy ireo voalohany. Izy ireo dia nanjary vavahady ahafahan'ireo tanora, ireo olon-dehibe ary ireo fianakaviana iray manontolo avy amin'ny fiarahamonina samihafa nifandray tamin'ny fanambaran'i Bahá'u'lah. Nanjary niharihary koa fa tena mety kokoa ny mandinika paikadin'ny asa fananganana vondrom-piarahamonina ao anatin'ny fotopototry ny "vondrom-paritra": faritra ara-jeografika manana habe azo tantanana ary manana ireo toetra ara-tsosialy sy ekonomika miavaka. Nanomboka ny namelatra ny fahafaha-mamolavola ireo drafitra tsotra eo amin'ny sehatry ny vondrom-paritra, ary amin’ny alalan’ireo planina ireo, programa ho an’ny fitomboan'ny finoana no teraka, nalamina mba ho lasa ireo tsingerin’ny hetsika telo volana. Porofo iray no tena nipoitra haingana: ny fivoaran’ireo olona isaky ny andian-desona dia manome fanairana amin’ny fihetsik’ireo vondromparitra miaradalana amin'ny fizotran’ny fampandrosoana ary ampaharetan’izy io. Ity fifandraisana mifameno ity dia nanampy ireo namana na aiza na aiza mba hanombana ny vitrika amin'ny fitomboana ao amin'ny toerany manokana ary mba hanoritra ny lalana mankany amin'ny fahombiazana mitombo. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voaporofo fa ilaina ny mandinika izay nitranga tao anaty vondrom-paritra, na izany amin'ny lafin’ireo voalohan-daharana amin’ny fanabeazana telo - manompo ireo ankizy, ireo tanora zandriny, ireo tanora sy ireo olon-dehibe - ary na koa amin'ny fomba fijery ireo tsingerin’ireo hetsika tena ilaina mitovy hafaingam-pandeha amin’ny fitomboana. Eo amin’ny antsasa-dalan'ny orinasa dimy amby roapolo taona, maro amin'ireo toetra azo fantarina indrindra ny fizotran'ny fitomboana no nanomboka voafaritra tsara.

5. Arakarakan’ny mihamafy ireo ezak’ireo namana, ireo karazana fotokevitra, hevitra ary paikady azo tsapaintanana ho an’ny lamim-pitomboana manerana ny planeta no nanomboka nihamafy ho lasa sehatr’asa afaka mivoatra mba handray ireo singa vaovao. Io sehatr’asa io dia toa zary nilaina mba hamoahana hery tsara tokoa. Nanampy ireo namana izy hampifantoka ireo herizika araka nasehon’ny traikefa mba ahafahana manatsara ny fitomboan’ireo vondrona salama. Fa ny sehetr’asa dia tsy raikipohy tsotra ihany akory. Raha toa raisina an tànana ireo singa isankarazan’ny sehatr’asa eo amin’ny fotoana hanombanana ny zavamisy eo amin’ny vondromparitra iray, toerana iray na kartie tsotra, azo atao ny mampitombo modelin’hetsika izay nisarika ny zavatra nianaran’ny tontolo baha’i sisa sady mamaly ihany koa ny mampiavaka io toerana io. Ny fisampanandroa manoloana ireo filàna entitra, amin’ny lafin’iray ary ireo safidin’ny tena manokana tsy misy fetrany ary koa nampita ny fahatakarana bebe kokoa ny fahasamihafan’ireo fomba izay amin’ny alalany, ireo namana dia afaka manohana ny lamin’asa izay mirindra tsara sy tsy mitsahatra mihatsara raha toa miangona ireo traikefa. Tsy hisy ny fisalasalana raha manoloana ny fivoarana izay avoitran’io rafitra io: ireo fiantraikan’ireo amin’ny firindrana sy fivondronan’ireo ezaka amin’ny ankapoben’ny tontolo baha’i sy ny fiazakazahan’ny lalany mandroso hatrany dia goavana tokoa.

6. Arakaraky ny hifanesen’ireo Planina ary koa ny fandraisan’anjara amin’ny asam-panorenambondrona no niparitaka amin’ny antan’antohatra lehibe no voamarika ireo fivoarana amin’ny planina kolotsaina. Ohatra, ny mahazavadehibe ny fanabeazana ireo taranaka tanora dia miparitaka eken’ny be sy ny maro tahakan’ny fahaizamanao miavaka izay asehon’ireo tanora zandriny manokana. Ireo fanahy dia mifanampy sy mifanindran-dalana ho amin’ny làlana iombonana, mampivelatra tsy tapaka ny faribolana ho an’ny fifanohanana, io modely io no notadiavina mba harahin’ireo ezaka izay mikendry hampivelatra ny fahaizamanompo. Eny fa na dia ireo fifandraisana amin’ny samy mpinamana sy ireo izay manodidina aza dia niova, satria nahatonga saina ny herin’ireo resadresaka marobe mamoha sy mampitombo ny fahatsapana arapanahy. Ary, tamin’ny fomba miavaka, ireo vondrona baha’i dia niompana tamin’ny fitodihana mitodika hatrany hatrany mankany ivelany.Izay fanahy mora tohina amin’ny vina izay atolotry ny Finoana dia afaka mandray anjara mavitrika amin’ireo hetsika fanabeazana, ireo fivoriambavaka, ireo singa ho amin’ny asam-panorenam-bondrona sy fampiroboroboana ary fanamorana azy ireo ; maro tamin’ireo fanahy no nanambara ny finoany an’i Baha’u’llah.Tahak’izay no nipoiran’ny fotopisainan’ny lamina amin’ny fidirana amin’ny andiany izay mitoetra miandalana amin’ireo fotokevitra sy ireo petrakevitra ary indrindra amin’ny traikefa marina tokoa izay amin’ny fomba ny ankamaroan’ny olona mety nahita ny Finoana, mifankazatra aminy, mamantatra ireo tanjony, mandray anjara amin’ireo hetsika sy ireo fanapahakevitra, ary amin’ireo raharaha isankarazany, mandray ny Finoana. Kanefa, arakaraka ny hanamafisana ny lamin’ny rafi-piofanana amin’ny faritra mankany amin’ny faritra, ny isan’ireo olona mandray anjara amin’ny asan’ny Planina, tafiditra amin’izany ireo izay vao nahalala ny Finoana, dia nitombo be tokoa. Fa izany dia tsy mirona amin’ny tombotsoan’ireo isa fotsiny akory. Ny vinan’ny fiovan’ny tsirairay sy daholobe miaraka, mifototra amin’ny fianarana ny tenin’Andriamanitra sy

ny fahazoana ny fahaizamanao izay hananan’ny tsirairay mba ho lasa mpandray anjara fototra ao amin’ny fikarohana lalina arapanahy dia niteraka fihetsehampo ho fandraisana anjara tamina asa iombonana.

7. Ireo asa vitan’ireo tanora baha’i ,izay tamim-pinoana dia nandray ny anjara toerany teo andohandaharan’ireo ezaka an’ny vondrona ;dia anisan’iray amin’ireo toetra tena faran’izay manaitra indrindra sy mampihetsi-po indrindra an’io vanim-potoana 25 taona io.Toy ny mpampianatra ny finoana sy mpanabe eo am-pahatanoranan’ny tanora,toy ny mpanamora mivezivezy sy mpisavalalana teo amin’ny vavahady anatiny

,toy ny mpandrindra na vondrom-paritra sy mpikamban’ireo ratsa-mangaika baha’i ,teo amin’ireo kaotinanta dimy ,tanora maro no mitsangana mba hiasa ho an’ireo vondrona’izy ireo tamim-pikelezan’aina sy tamimpahafoizantena .Ny fahamatorana izay nasehon’izy ireo ,teo am-panataterahana ny adidin’izy ireo izay iakinan’ny firosoan’ny planin’Andriamanitra ,dia mampitomaratra ny vitrika ara-panahin’izy ireo sy ny firotsahan’izy ireo hiaro ny hoavin’ny zanakolom-belona.Araka ireo fahamatoran’izy ireo miharihary hatrany ,manapakevitra avy hatrany izahay ao aorinan’ity Ridván ity ,na dia ny taona izay ahatongavany mpino iray azo fidiana mba hanompo eo anivon’ny Antenimiera ara-panahy iray dia hijanona tsy hihetsika 21taona,ny taona ilainy mba ahafahan’ny mpino iray mifidy mandritry ireo fifidianana baha’i dia haena 18 taona.Tsy manampisalasalana izahay fa ireo tanora baha’i izay ho tonga ao anivon’ny taona ifidianany dia hanamafy ny fahatokisanay azy ireo eo amin’ny fahafahan’izy ireo manantateraka « amimpahatsiarovantena sy ampahamaizana » ny « adidy masina »izay iantsoana ireo mpifidy baha’i .

8. Tonga saina izahay fa, araka ny izy, ireo zava-misy amin’ireo vondrona dia samy hafa tokoa. Ireo vondrona nasionaly samy hafa, sy ireo toerana samy hafa eo anivon’ireo vondrona ireo; no nanomboka io andiana planina io amina dingam-pandrosoana samy hafa, hatreo nivoatra ihany koa izy ireo tamin’ny hafangainam-pandeha samy hafa ary nahatratra ireo dingam-pirosoana samy hafa. Raha ny toetoetrany no heverina, izany dia tsy vaovao. Tahaka izay foana no mitranga: ireo fepetra ao amin’ireo toerana samy hafa dia miova, toy ny fahafaha-mandray izay misy ao. Nefa mahita izahay, ambonin’izany, onja miakatra izay avy amin’izany ny fahaizamanao, ny fitokisana ary ny traikefa voaangona tao amin’ireo ankamaroan’ireo vondrona dia mitombo, nentin’ny fahombiazan’ireo vondrona rahavavy akaiky sy alavitra. Ho toy ny ohatra, raha toa ireo fanahy nitsangana mba hanokatra lokalite vaovao iray tamin’ny 1996 noho ny fananany, risipo, finoana, fahafoizantena, ankehitriny, ireo mpitovy asa amin’izy ireo maneran-tany iray manontolo dia mifandray amin’ireo hatsaran’ireo fahalalana, fahazahoana sy ireo fahaizamanao izay voaangon’ ny ankapoben’ny tontolo baha’i mandritrin’ny ezaka 25 taona mba hahamaty paika sy hanatsarana ny asa fanapariahana sy fanamafisana

9. Na toa inona ny niaingan’ny vondrona iray, dia nampandroso ny lamim-pitomboana izy rehefa nampiarahany ireo hatsaran’ny finoana, ny fikirizana sy ny firotsahantena ao anatin’ny fahamaizana hanovo. Raha ny marina tokoa, lova iray sarobidin’ity andiana planina ity dia ny fanekena miparitaka araka izay tratra fa ny ezaka rehetra mba handrosoana dia manomboka amin’ny fahavononana hanovo. Ny fahatsoran’io fahitana io dia manafina ny maha zava-dehibe ireo fiantraikany avy amin’izany. Tsy misalasala izahay fa araka ny fotoana, ireo vondromparitra tsirairay avy dia handroso mandavana ny fizotram-pivoarana; ireo vondromparitra izay nandroso haingana, mihoatra amin’ireo izay ny fisehon-javatra sy ny mety havitana zavatra dia mitovy, dia naneho fahaizamanao hanatsara ny firaisan-tsaina sy hanovo hanao hetsika amim-pahombiazana. Ary nataon’izy ireo tamin’ny tsy fisalasalana ahomby izany.

10. Ny fanoloran-tena hanovo dia nidika ihany koa hoe vonona hanao fahadisoana - ary indraindray, mazava ho azy, ireo fahadisoana dia nitarika tsy fahazoana aina. Tsy mahagaga mihitsy, ireo fomba fiasa vaovao sy fanantonana dia nampiasaina tamim-piambakavakana teny am-piandohana noho ny anton’ny tsy fahampian'ny traikefa; indraindray dia very ny karazana fahaiza-manao azo vao haingana raha toa ka ny vondrona iray dia mifantoka hampivelatra fahaiza-manao iray hafa koa. Ireo fikasana tsara indrindra dia tsy miaro amin'ny fitavozavozana, ary ny fihoarana izany dia sady mitaky fanetren-tena sy tsy firaiketana. Rehefa nijanona ho tapa-kevitra ny hampiseho fikirizana sy hanovo avy amin'ireo fahadisoana izay mitranga araboajanahary ny vondrona iray, dia tsy lavitra akory ny hanatrarana ny fivoarana.

11. Eo an-tsasadalan’ireo andiana Planina, ny fandraisan’anjaran’ny vondrona amin’ny fiainan’ny fiarahamonina dia nanomboka nahazo fifantohana mivantana kokoa. Namporisihana ireo mpino mba hieritreritra mahakasika izany miankina amin’ireo sehatr’hetsika roa izay mifandray – ny asa sosialy sy ny fandraisana anjara amin'ireo lahateny manan-danja eo amin'ny fiaraha-monina. Mazava ho azy fa izany dia tsy midika fa izy ireo dia hasolo ny asa fanapariahana sy fanamafisana, ary indrindra tsy hoe natao hamiliana ny fifantohana amin’ izy ireny akory: izy ireo dia efa azy manokana ao anatiny sy ara-boajanahary. Arakaraka ny fananan'ny vondrona loharano arak’ olona maro no fahafahany mampihatra ireo fahendrena izay miafina ao

anatin’ny fanambaran’i Baha’u’llah mba hiatrehany ireo fanamby isan’andro- ka hampihatra ireo fampianarany eo amin’ny zava-misy. Ary ireo zava-nitranga izay nampikorontan-tsaina ny olombelona mandritra ity vanimpotoana ity dia toa manipika ny tena ilàny mafy ilay fanafody izay nolazain'Ilay Mpitsabo Masina. Izany rehetra izany dia mampiseho fomba fiheverana iray tena miavaka ny Fivavahana raha ampitahaina amin’izay efa mahazatra eo amin’izao tontolo izao amin’ny ankapobeny: fomba fiheverana izay mandray ny fivavahana ho hery lehibe izay mampandroso ny sivilizasiôna amim-pitomboana tsy an-kiato. Fantatra ihany koa fa ny sivilizasiôna toy izany dia tsy hiseho tampoka, amin'ny alalan'ny tenany manokana- fa izany no nanirahana ireo mpanaradia an’i Baha’u’llah mba hiasa ho amin'ny fahatongavany. Ny asa nanirahana toy izany dia mitaky ny lamim-panovozana maty paika iray tsy miova hampiasaina amin’ireo asa ho an’ny hetsika ara-tsosialy sy ny fandraisana anjara amin’ireo lahateny ho an’ny daholobe.

12. Tao anatin’ny fomba fijery hatramin'ny roapolo taona sy tapany lasa izay dia nitombo be ny fahafahana manao asa ara-tsôsialy, izay niteraka fitomboana mahatalanjona eo amin’ireo hetsika. Raha ampitahaina amin'ny taona 1996, rehefa nisy tetikasa 250 teo amin'ny fampandrosoana ara-tsôsialy sy aratoekarena natao isan-taona, dia 1.500 ny isan’izy ireo amin'izao fotoana izao, ary ny isan'ireo fikambanana nentanin’ny fotom-pisainana Baha’i dia nitombo ho avo efatreny, mihoatra ny 160. Asa fanaovana hetsika aratsôsialy mihoatra ny 70.000 no natao eny ifotony sy amin’ny fotoana fohy ezaka isan-taona, izany hoe indimampolo mahery. Manantena izahay fa hahita fitomboana tsy tapaka eo amin'ireo hetsika rehetra ireo vokatry ny fanohanana sy famporisihana tsy tapaka izay atolotry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Baha’i ho amin’ny Fampandrosoana ankehitriny. Mandritra izany fotoana izany dia nitombo be ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo baha’i amin'ireo lahateny manan-danja eo amin'ny fiaraha-monina. Ankoatra ireo fotoana maro izay ahafahan'ireo namana mahita fa izy ireo dia afaka manolotra fomba fijery baha’i ao amin’ireo resadresaka izay miseho ao anatin'ny sehatra matihanina na sehatra manokana, tsikaritra fa misy fivoarana manan-danja eo amin'ny fandraisana anjara amin'ny fomba ôfisialy ao anatin'ireo resedresaka. Mieritreritra izahay, tsy vitan’ny hoe ireo finiavana tena manan-danja sy ireo fandraisan’anjara izay miha sarotra hatrany ataon’ireo Vondrona baha’i iraisam-pirenena- izay nanampy nandritra io fepotoana io ireo birao ao Afrika, ao Asia sy ao Eorôpa- fa ihany koa amin’ireo asan’ny tambazotran’ny biraon’ireo raharaha ivelany izay tena nivelatra tokoa sy nihamafy orina, izay io sehatr’hetsika io ihany no lasa ivon’ny fifantohany fototra; ankoatr’izany, ireo mpino dia nitondra ny fandraisan’anjara miavaka sy manan-danjan’izy ireo ao anatin’ireo sehatra voafaritra manokana. Izany rehetra izany dia mandray anjara amin’ny fanazavana ny lanja, ny fanekena sy ny fankafizana asehon’ireo

mpitarika sy ireo olona manan-kaja amin’ny seha-piarahamonina rehetra maneho tsy mitsahatra manoloana ny Finoana, ireo mpanaradia azy sy ireo hetsika ataon’izy ireo.

13. Eo am-pandrafetana ny tomban’ ny fitambaran’io vanim-potoana dimy amby roapolo taona io isika, dia talanjona izahay amin'ny karazana fivoarana notanterahan’ny tontolo Bahá'í niaraka. Niroborobo tokoa ny fiainany ara-tsaina, tahaka ny nasehon’ny fandrosoany tamin'ny sehatry ny hetsika voalaza etsy ambony ihany, fa koa ny asa-soratra maro tsara kalitao naparitak’ireo mpanoratra Baha'i ihany koa, ny famoronana sehatra natokana hitrandrahana ireo taranja sasantsasany mifanaraka amin'ireo fampianarana, ary ny fiantraikan'ireo seminera ambaratonga voalohany sy faharoa natolotra ny “Institute for Global Prosperity Studies” (ISGP) tsy tapaka izay miara-miasa amin'ireo rafitry ny Finoana, dia manampy ankehitriny ireo tanora Bahá'í ao anatin’ny firenena maherin'ny 100. Ny asa fanorenana tempoly dia tena mihazakazaka tokoa. Ny tempoly reny farany dia natsangana tany Santiago, any Chili, ary ireo vinavinam-pananganana Mashriqu’lAdhkár roa nasionaly sy dimy lokaly dia natomboka; ireo trano fiderana any Battambang, ao Cambodge sy any Norte del Cauca, ao Colombie, dia efa nanokatra sahady ireo varavarany. Vao notokanana tsy ela akory na efa nitsangana efa ela, ireo tempoly Bahá'í dia miha manana ny toerany hatrany eo anivon’ny fiainam-bondrona. Ny ankamaroan’ireo mpino dia nanolotra fanohanana ara-materialy tsy azo hiodivirana ho an'ireo hetsika maro nataon'ireo naman'Andriamanitra. Raha toa heverina tsotra toy ny mariky ny tanjaka ara-panahy iombonana, ny fahalalahan-tanana sy ny toetsainam-pahafoizan-tena izay ao anatin’ny vanimpotoana fisafotofotoana ara-toekarena lehibe dia lehibe, dia nahafahana nihazona ny vola ilaina amin'ny kitapom-bola, eny, hanamafisana azy dia tena mahavelom-bolo. Ao amin'ny sehatry ny rafi-pitantanana Bahá'í, ny fahafahamanaon'ny Antenimiera ara-panahy Nasionaly amin’ny fitantanana ireo raharahan'ny vondron’izy ireo ao anatin’ny fisandrahany miha mitombo dia niakatra tsy nisy ohatran’izany. Izy ireo dia nandray tombontsoa manokana amin’ny izy ireo tamin'ny fiaraha-miasa tsy misy toa azy tamin'ireo mpanolotsaina, izay nandray anjara betsaka tamin'ny fandrafetana ny fanangonam-baovao tsy tapaka avy amin'ny vondrona ifotony manerana an'izao tontolo izao ary miantoka ny fanaparitahana azy amin'ny ankapobeny. Nandritra io vanim-potoana io ihany koa no nahatonga ny filankevitra rezionaly Bahá'í ho lasa rafitra miavaka tanteraka ato amin’ny Finoana, ary any amin'ny faritra 230 ankehitriny, ireo filankevitra sy filankevitry ny lalam-piofanana izay tantanan’izy ireo dia hita fa ilaina tokoa mba hampandrosoana ny lamim-pitomboana. Mba ahafahana manitatra amin'ny ho avy ireo asan'ireo lehiben’ny mpitahiry ny Ḥuqúqu'lláh, ny Tànam-Pototr’Andriamanitra 'Alí- Muḥammad Varqá, ny Filankevitra Iraisam-pirenenan'ireo mpitahiry ny Ḥuqúqu'lláh dia natsangana tamin'ny taona 2005; izy io dia mandrindra ankehitriny ny asan'ireo mpitahiry mpanampy nasionaly sy rezionaly miisa 33 farafahakeliny izay mandrakotra ankehitriny ny planeta ary izay, ary izy ireo indray dia mitarika ny asan'ireo solontena maherin'ny 1.000. Nisy fivoarana marobe ihany koa nitranga tao amin'ny Foibe Mondialy Bahá'í nandritra io vanim-potoana io: isan'ireny ny fahavitan'ny antanantohatra ny Fasana mahery fo an'ny Báb sy tranobe roa eo amin'ny Andoalambo (Arc), ary ny fanombohan'ny fananganana ny Fasana mahery fo an'i 'Abdu' l- Bahá, ary tsy adinoana koa ireo tetik'asa marobe natao hanamafisana sy hitehirizana ireo toerana masina sarobidin'ny Finoana. Ny Fasana mahery fo an'i Bahá'u’lláh sy ny Fasana mahery fo an'ny Báb dia nekena ho toerana isan’ireo vakoka manerantany, toerana misy lanjany sarobidy indrindra amin'ny zanak'olombelona. An'hetsiny maro, efa ho iray tapitrisa sy sasany tao anatin'ny taona vitsivitsy, ny olona nirohotra nankany amin'ireo toerana masina ireo, ary ny Foibe mondialy dia mandray matetika mpivahiny masina an-jatony maro indray mandeha, indraindray maherin'ny 5 000 ao anatin'ny herintaona, ary koa isana mpitsidika Bahá'í mitovy amin’izany; faly tsy misy ohatr’izany izahay amin'ny fitomboan'ireo isa ireo toy ny hoe mponina sy firenena am-polony maro no voasolo tenan’ireo izay isan'izay mahazo tombony amin’ny fitahian'ny fivahinianana masina.Ny fandikana, ny famoahana ary ny fanaparitahana lahatsoratra masina koa dia nihazakazaka izaitsizy, mifanindran-dalana amin'ny fampandrosoana ny “Bahá'í Reference Library”, iray amin'ireo singa lehibe amin'ny fitomboan'ny habaky ny tranonkala mifandray amin'ny Bahai.org, izay misy amin'ny fiteny folo ankehitriny. Birao sy sampan-draharaha isan-karazany, miorina ao amin'ny Foibe mondialy sy ny toeran-kafa, no napetraka ary manana andraikitra hanohanana ny fizotry ny fianarana izay atao amin'ny sehatra maro amin'ny asa manerana ny tontolo Bahá'í. Izany rehetra izany ry anabavy sy rahalahy malala amin'ny finoana, dia ampahany amin'ny sary azontsika anehoana ny zava-bitan'ny fanoloran-tenanareo ho azy izay notanterahan’Ilay Nampahorian'izao tontolo izao. Tsy ho azontsika atao ny tsy hahatsiaro ireo teny mampihetsipo nataon'ny Mpampianatra malala, rehefa tratry ny fientanam-po izy, nitaraina hoe: “Bahá’u’lláh O! Fa inona ity nataonao? "

14. Amin'io sary ankapobeny ny fahefany taonjato manan-danja io, mitodika ankehitriny ny saintsika any amin’ny planina dimy taona farany, planina iray izay tamin’ny lafiny maro, tena miavaka teo anatrehan’ireo rehetra nialoha azy. Tao amin'io planina io, dia namporisika mafy ireo Bahá'í eran'izao tontolo izao mba hisintona ao amin’izay rehetra nianarany nandritra ireo roapolo taona lasa ary hampihatra tanteraka izany anatra izany. Faly izahay fa ireo fanantenanay amin’io lafiny io dia voavaly, fa na dia nanantena ara- boajanahary zava-bita lehibe avy tamin'ireo mpanaradia ny Hatsarana Voatahy aza izahay, ny natioran’ireo ezaka makadiry dia nanampy mba hanatanteraka dia tena nahagaga. Io no satroboninahitry ny zava-bita izay nilàna dimy amby roapolo taona niasana.

15. Ity Planina ity dia tsy hay hadinoina manokana noho izy notapahina ho fizarana telo tamin’ny alalan’ny roanjato taona roa masina, izay ny tsirairay tamin’izy ireo dia nanetsika ireo vondrona lokaly manerantany. Ny fivondronan’ireo mpino dia nampiseho, tamin'ny ambaratonga mbola tsy nisy toa azy ary niaraka tamin'ny fahasambarana lehibe, fahaiza-manao hitarika ireo olona avy amin'ireo fiaviana samihafa avy amin'ny fiarahamonina mba hankalaza ny fiainana Fanehoan'Andriamanitra iray. Izy io dia famantarana mahery vaika ny zavatra lehibe kokoa: ny fahaizana mitarika ny famotsorana ireo angovo ara-panahy goavambe mba

hampandrosoana ny Finoana. Tena nahagaga tokoa ny valin-kafatra ka tamin'ny toerana maro, ny Finoana dia nivoaka avy amin'ny aizina eo amin’ny lafiny nasionaly. Tao amin'ny toerana izay tsy nandrasana azy, tsy nampoizina mihitsy aza, dia nisy fahafaha-mandray lehibe ny finoana nipoitra. Olona an'arivony, an'arivony maro no notaritin’ny traikefan’ny toetsainam-panolorantena izay, ankehitriny, mampiavaka ny vondrom-piarahamonina Bahá'í na aiza na aiza. Ny fiheverana ny amin'ny fankalazana ny Andro Masina Bahá'í dia nitombo be tokoa.

16. Ny fahombiazan'ny Planina, amin'ny fijery tsotra arak’isa, dia nanaloka haingana ireo planina rehetra nialoha azy nanomboka ny taona 1996. Tamin'ny fiandohan'ity Planina ity dia efa nanana fahafahamitarika hetsika maherin'ny 100 000 isika tamin’ny fotoana iray, fahafaha-manao izay vokatry ny ezaka

iombonana nandritra roapolo taona. Ankehitriny dia hetsika fototra 300.000 no miara tanterahina. Ny isan'ireo mpandray anjara amin'ireny hetsika ireny dia nihoatra ny roa tapitrisa, izay efa ho avo telo heny. Rafim-piofanana nasionaly sy regionaly sivy amby roapolo sy telonjato no miasa, ary rehefa ny telo ampahefany ny tapitrisa an'olona no namita farafahakeliny boky iray avy amin’ny andiany maro dia mampiseho ny fahafahamanaony; amin'ny ankapobeny, ny isan'ny fianarana vitan’ireo olona dia mahatratra koa ny roa tapitrisa - fitomboana izay tena mihoatra ny ampahatelony ao anatin'ny dimy taona.

17. Ny fitomboan'ny hamafin'ny fampiharana ny lamim-pitomboana manerantany dia mitantara irery tantara mahatalanjona iray. Nandritra io dimy taona io, nangataka fanafainganana ny fitomboana tao amin’ny tsirairay avy tamin’ireo vondromparitra 5000 nanombohany. Io fahamaizana io dia nampiasaina ho maotera ho an’ireo ezaka feno zoto manerantany. Vokatr'izany, ny isan'ireo program-pitomboana dia nitombo nihoatra nyroa avo heny ary miisa ankehitriny manodidina ny 4000. Ireo fahasarotana mifandraika amin'ny fanokafana ny Finoana ao amin’ireo tanana kely vaovao sy ireo kartie tena ao anaty krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena, na koa amin'ny fampivoarana ireo hetsika izay mbola tao amin'ny fiatombohany rehefa nipoitra tampoka ny valan’aretina dia nanakana mba tsy hanatrarana isa ambony kokoa nandritra ny taona faran’ny planina. Na izany aza, mbola misy zavatra ho tantaraina ihany. Tany am-piandohan'ny planina dia naneho ny fanantenana izahay mba hahita hitombo an-jatony ny isan'ireo vondrom-paritra ao amin’izay, rehefa nahalala ny fomba handraisana olona ao amin’ny sehatry ny hetsika ataon'izy ireo, dia tonga amin’ny tsatoka fahatelo ao amin'ny fitohizan'ny fitomboana ireo namana. Nahatratra 200 ny totalin'izy ireo avy eo, niely nanerana ny firenena efapolo. Dimy taona taty aoriana, misy isa 1 000 tsy mampino izay ao amin'ny firenena efa ho 100, izany hoe ampahefatry ireo lamim-pitomboana rehetra eran'izao tontolo izao; izany dia fahombiazana izay mihoatra ny nandrasanay. Nefa, na ireo isa ireo aza dia tsy vavolombelon’ireo haavo avo indrindra tratran’ny vondrona. Ao amin’ny vondromparitra mihoatra ny 30, ny isan’ireo hetsika fototra dia mihoatra ny 1000; ao amin'ny toerana sasantsasany, ny totalin'izy ireo dia an'arivony maro, ary mihoatra ny 20 000 ny olona mandray anjara ao amin'ny vondromparitra iray. Isa mitombon’ireo antenimieram-panahy lokaly no mandrindra ankehitriny ny fanatanterahana ny lamim-panabeazana izay mamaly ireo filan'ireo ankizy rehetra sy ireo tanora ao amin'ny tanàna kely iray; ny zava-misy mitovy amin'izany dia manomboka mipoitra amin'ny kartie an-tanan-dehibe. Amin'ny tranga malaza sasany, ny fanoloran-tena amin'ny fanambarana an'i Bahá'u'lláh dia mihanaka mihoatra ireo isam-batan'olona, ireo fianakaviana ary ny fianakaviana mivelatra - ny zavatra hatrehana dia ny fihetsiky ireo mponina mankany amin'ny ivo-iraisana. Indraindray ireo fifandrafiana naharitra teo amin'ny vondrona mifanohitra dia nilaozana, ary ireo firafitra ara-tsosialy sy dinamika sosialy dia miova amin’ny alalan’ny fahazavan’ireo fampianaran'Andriamanitra.

18. Tsy afaka ny tsy hifaly amin'ny fivoarana mahatalanjona toy izany izahay. Lasa miharihary hatrany ny herin'ny fanarenana ara-tsosialy izay hita ao amin'ny finoana nentin’i Baha’u’llah, ary miankina amin'izany fototra mafy orina izany ny Planina Sivy Taona manaraka. Araka ny nantenainay dia lasa fitehirizana fahalalana syloharanom-pitaovana ho an'ireo mpifanila aminy ireo vondrona matanjaka indrindra. Ary ireo faritra izay ahitana vondrona toy izany mihoatra ny iray dia mora kokoa ny mampivelatra ireo fitaovana mba hanafainganana ny fitomboana ao anatin'ny vondrona tsirairay avy. Kanefa izahay dia mahatsapa fa ilaina ny manamafy indray fa saika ho manerana izao tontolo izao ny fivoarana; ny fahasamihafan’ny fivoarana amin'ny toerana iray sy ny iray hafa no anisan’ny taham-pandrefesana amin’izany. Ny fahazoana iraisan'ny vondrona mahakasika ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany sy ny fahatokisany ny fahafahany mandrisika izany lamina izany, na inona na inona toe-javatra miseho, dia efa tonga amin'ny ambaratonga ambony izay tsy azo noheverina an-tsaina tato anatin'ny folo taona vitsivitsy lasa izay. Ireo fanontaniana lalina nipetraka nandritry ny fotoana ela sy nasongadina tamin'ny taona 1996 dia novalian’ny tontolo baha’i tamin'ny fomba mandresy lahatra. Ny fiainan'ny taranaka mpino iray manontolo no lasa mitondra ny mariky ny fivoaran'ny vondrona. Saingy tao anatin'ireo vondrom-paritra maro izay nanitatra ny fari-panovozana, ny halehiben'ny zava-nitranga dia nahatonga ny fandrosoana goavana teo amin'ny lamin’ny fidirana amin’ny andiany ho lasa fahitana miavaka izay manan-danja ara-tantara.

19. Maro no mahafantatra tsara ny fomba nitsinjaran'ny Mpiambina ny Vanim-potoan'ny Finoana ho an’ireo vanim-potoana lehibe mifanesy; nanomboka tamin'ny 2001 ny vanim-potoana fahadimin’ny Taona Fiforonana. Ny zavatra tsy dia fantatra loatra dia ny hoe ny Mpiambina dia niresaka ihany koa momba ny fisian'ny ireo Vanim-potoana amin’ny Planina Masina sy ireo dingana tao anatin'ireo vanim-potoana lehibe ireo. Nampiandrasina nandritry ny roa am-polo taonany, tetsy an-kilany ny rafitra lokaly sy nasionalin’ny rafipitantanana dia nohariana sy nampatanjahana, Ny Planina Masina noforonin’i Abdu’l-Baha dia notokanana tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny taona 1937 niaraka tamin’ny fanombohan’ny dingana voalohan’ny vanimpotoanany: ny Planina Fito taona izay nankinin’ny Mpiambina tamin'ny vondrona baha’i tao Amerika Avaratra. Nifarana tamin'ny taona 1963 ity vanim-potoana lehibe voalohany ity, niaraka tamin'ny fiafaran'ny Sahanady folo taona izay namela ny fanevan'ny Finoana hitsatoka manerana an'izao tontolo izao. Ny Planina Sivy Taona voalohany dia mandrafitra ny dingana fototry ny vanim-potoana lehibe faharoa, ary tsy latsaky ny Planina miisa folo izay manana faharetana eo antenantenan'ny roa ambin'ny folo volana ka hatramin'ny fito taona no narahina tamin’izany. Tamin'ny fiandohan'ity vanim-potoana lehibe faharoa ity, dia efa nahita ireo famantarana voalohan'ny fidirana amin’ny andiany ny tontolo baha’i izay efa tsinjon’Ilay Mpamorona ny Planina Masina; tao anatin'ireo am-polo taonany maro taorian'izay dia niasa tsy nitandro hasasarana tao amin'ny tanimboaloboka masina ireo taranaka mpino feno fanoloran-tena ao amin'ny vondron’Ilay Anarana lehibe Indrindra mba hikolokoloana ireo fepetra hahazoana fivoarana lehibe sy tsy mitsaha-mitombo. Ary amin' ity vanim-potoana feno voninahitry ny Ridvan ity, akory ny halehiben' ny vokatr' ity asa ity! Ny mahatonga ny isana olona marobe hampitombo ireo hetsiky ny vondrona, handray firehetana amin’ny pitik’afon’ny finoana sy hitsangana haingana hanompo eny amin’ny lohalaharan’ny Planina dia nijanona tsy ho faminanian’ny finoana fotsiny fa ho lasa tena zava-misy marina mitamberina ombieny ombieny. Ny fivoarana miavaka sy mora aseho toy izany dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’ireo tantaran’ny Finoana. Amin'ny fo feno fifaliana no hanambaranay fa ny vanim-potoana lehibe fahatelo ao amin'ny Planina Masin'ny Mpampianatra dia efa nanomboka. Tsikelikely, rehefa hifandimby ireo vanim-potoana lehibe, ny Planiny dia hiroso hatrany ambarapahatongan’ny fotoana izay hanazavan’ny fahazavan’ny Fanjakana ny fo rehetra. Ry namana malala isany, tsy ho feno mihintsy ny famakafakàna momba ilay tetik’asa mandritra ny dimy taona izay namarana ny vanim-potoana lehibe faharoan'ny Planina Masina raha tsy lazaina manokana ihany koa ireo korontana izay nitranga nandritry ny taona farany ary mbola mitohy hatrany. Ireo famerana samihafa eo amin'ny fifandraisana eo amin'ny samy olombelona, izay napetraka tany amin'ny ankamaroan'ny firenena nandritra izany vanim-potoana izany, dia mety ho fahasarotana lehibe teo amin'ny ezaka iombonan’ny vondrona, fahavoazana izay mety ho naharitra taona maro tokoa vao ho voaarina, saingy tsy izany no zava-misy noho ny antony roa. Ny voalohany dia ny fahafantarana mihanaka ny adidin'ireo baha’i amin’ny fanompoana ny olombelona, ary izany dia ilaina faran’izay maika amin'ny fotoan'ny loza sy ny fahoriana. Ny iray hafa dia ny fitomboana mahatalanjona teo amin'ny fahafahan'ny tontolo baha’i hanavao izany fahatsiarovan-tena izany. Noho ny fahazaran'izy ireo nandritra ny taona maro amin’ny fandraisana modelin’hetsika maty paika, ireo namana dia niantso ny fahaizan’izy ireo mamorona sy ny fahavononany hiatrika ireo olana tsy nampoizina, miaraka amin’ny fahazoana antoka fa ireo fomba fanantonana vaovao izay hampivelarin’izy ireo dia mifanaraka amin'ny rafitry ny asa izay nataon'izy ireo mba hanatanterahana ireo Planina nifanesy. Tsy hoe akory hokobonina mangina ireo fitsapana mafy izay nanjo ireo baha’i, tahaka ireo mpiara-monina aminy any amin'ireo firenena rehetra; kanefa na dia teo aza izany fahasarotana goavana izany dia nifantoka hatrany ireo mpino. Natolotra hatrany ireo loharanom-panampiana mankany amin’ireo vondrona izay tena mila izany, notanterahina ny fifidianana amin’ireo toerana azo nanaovana izany, ary tamin'ny toe-javatra rehetra, dia nanohy nanatanteraka ny asany hatrany ireo rafi-pitantanan’ny Finoana. Nisy mihintsy aza ireo fivoarana feno fahasahiana izay tanteraka. Ny Antenimiera ara-panahy nasionaly ao Sao Tomé-et-Principe dia havaozina indray amin’ity Ridvan ity, ary hotafapetraka ireo andry roa vaovaon’ny Tranom-pahamarinana Iraisan’Izao Tontolo Izao: ny Antenimiera arapanahy nasionalin’i Croatie, izay ny foibeny dia ao Zagreb, ary ny Antenimiera ara-panahy nasionalin’i Timor oriental, izay ny foibeny dia ao Dili.

21. Ary dia toy izany no hanombohan’ny Planina Iray Taona. Ny tanjony sy ireo takiany dia efa natolotra tao amin’ny hafatra nalefa ny Andron’ny Fifanekena; ity Planina ity, na dia fohy aza, dia ampy hanomanana ny tontolo Bahá’í ho amin’ny Planina Sivy taona ho avy. Vanimpotoana manana hery manokana, izay manokatra zato taona tao aorian’ny fanambarana ireo Takelaky ny Planin’Andriamanitra, hikatona tsy ho ela miaraka amin’ny fahazato taona niakaran’i ‘Abdu’l-Baha, manamarika ny famaranana ny fahazato taona voalohan’ny Vanimpotoanam-Panorenana ary ny fanombohan’ilay faharoa. Ny andian’ireo mahatoky dia miroso ao amin’ity Planina ity amin’ny fotoana izay ny zanakolombelona dia nampitonian’ny fibaribarin’ny fahalemeny, ka toa tonga saina kokoa ny amin’ny filàna fifarimbonana mba hiatrehana ireo fanamby iraisam-pirenena. Kanefa, ireo fahazarana mitarazokin’ny fifaninanana, ny fikatsahana tombontsoa manokana, ny fitsarana an-tendrony sy ny fahateren-tsaina dia mitohy manakana ny firosoana mankany amin’ny firaisan-kina, na dia eo aza ny fitombon’ny isan’ireo eo amin’ny fiaraha-monina izay mampiseho amin’ireo fiteny sy ireo fihetsika hoe ahoana ry zareo ihany koa, dia miandrandra fanekena lehibe tokoa ny maha-iray ihany ny olombelona amin’ny maha izy azy ireo. Mivavaka izahay, mba hahomby ny fianakavian’ireo firenena amin’ny famelana ireo fifandirana mba ho an’ny fikatsahana ny tombontsoa iombonana. Na dia eo aza ireo kisendrasendra tsy fantatra izay mandrakotra ireo volana ho avy, dia mitalaho amin’i Bahá’u’lláh izahay mba hanao ireo fanamafisana orina izay efa nitondra fanohanana ireo mpanaradia Azy efa hatry ny ela be mba hitosaka misimisy hatrany, ka mba ahafahanareo ho voatohana amin’ny fandrosoanareo ao amin’ireo iraka fampielezana ny Finoana hiandreketanareo, ny fahatonianareo na dia eo aza ny fiozongozonana tontolo iray, izay tsy mbola tena nivaivay toy izany ny filany ny hafany manasitrana.

22. Ny Planin’Andriamanitra dia miditra ao amin’ny vanim-potoana iray vaovao ary manatontosa dingana iray vaovao. Nivadika ny pejy.

 

Windows / Mac