Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2008

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Olona anarivony maro izay maneho ny fahasamihaf'n'ny fianakaviamben'ny taranak'olombelona izao no miombon'antoka mianatra tsy tapaka ny Teny Mpamorona anatina Rafitra sady matotra no manome aingam-panahy. Eo am-pamit'ny ezaka avy amin'ny al'lan'ny asa, fieritreretana sy fifanakalozan-kevitra mba hampih'tra izay azony, dia tsapan'izy ireo fa nivoatra ka tafasandratra avo dia avo ny fahafahan'izy ireo hanompo ny Finoana. Ho valin'ny faniriana mivaivay asehon'ny fon'ny tsirairay avy hifandray amin'Ilay Mpahary azy dia hita izy ireo fa manatanteraka fotoam-pivoriana iar'hana misaintsaina sy iombonam-bavaka amin'ny hafa, izay ezahin'izy ireo amohazana fahatsap'na ara-panahy, ary mamolavola fomba fiaina miavaka satria miorina amin'ny fitiavam-bavaka. Rehefa mifampitsidika na mamangy fianakaviana na namana sy olom-pantatra izy ireo dia mitari-dresaka matotra mombana foto-kevitra manome lanja ny lafiny ara-panahy, mandalina ny Finoana, mizara ny Fampianaran'i Bah'''ll'h ary tsy mitsaha-mitombo ny isan'ny olona mifanety izay asain'izy ireo hiara-manatanteraka amin'izy ireo lamin'asa mahery vaika. Noho izy ireo mahatsapa fa iriana fatratra sy ilaina tokoa ny fanabeazana ara-panahy ny zaza maneran-tany, dia sokafan'izy ireo ho an'ny besinimaro ireo hetsika ataony mba handraisan'izy ireo mpandray anjara mihamaro hatrany any amin'ireo kilasy izay manjary toerana mahasarika ireo tanora ary manamafy orina ireo fototry ny Finoana eo anivon'ny fiaraha-monina. Manampy ireo sakan-jaza mba handresy ny sarotra mandritry ny vanim-potoana sarobidy lalovany eo amin'ny fiainany izy ireo no manoro azy ireo ny fomba hanatsar'ny ny fahaizany mampifantoka ny heriny ho amin'ny fampandrosoana ny sivilizasiona. Vokatry ny tombontsoa azon'izy ireo noho ny fitombon'ny loharanon-kolona dia mihamaro dia maro izy ireo no afaka maneho ny finoany amin'ny al'lan'ny fanatontos'na asa maro izay mamaly ny fil'n'ny zanak'olombelona na eo amin'ny lafiny ara-panahy na ara-materialy. Io no endri-javatra ankapobeny manoloana antsika amin'izao Asaramanitra izao izay hiatoantsika kely mba handinihana ny fandrosoan'ny Fianakaviambe bah'i eran-tany .

Imbetsaka izahay no nanambara fa ny tanjona kendren'ireo andiana planina ampiharina eran'izao tontolo izao ka hitarika ny tontolo bah'i ho amin'ny fankalaz'na ny fahazatotaonan'ny Vanim-potoana Fiforonan'ny Finoana amin'ny taona 2021 dia ho tratra satria azo tsapain-t'nana ny fandrosoan'ny hetsika sy ny fivoaran'ny mpino, sy ireo Rafitra Masina ary ny vondrona bah'i. Ankehitriny, eo antsasa-d'lan'izay azo lazaina ho ampahefana taonjato namit'na ezaka mitohy sy mifantoka dia hita porofo etsy sy eroa fa mivoatra bebe kokoa ny fahaiza-manao. Manan-danja manokana koa ny fitombon'ny vokatry ny faharisihana avy amin'ny fiaraha-miasa misy eo amin'ireo tompon'antoka telo tontan'ny Planina. Mihamazava bebe kokoa hatrany amin'ireo Rafitra misy, manomboka amin'ireo nasionaly ka hatramin'ireo lokaly, ny fomba famoriana fepetra tsara mba hanosika ireo mpino tsy mitsaha-mitombo izay mirotsaka an-tsehatra amina fanatr'rana tanjona iraisana, haneho hery ara-panahy mahery vaika. Ny vondrona bah'i dia manjary toerana ahit'na fa avy amin'ny al'lan'ny seha-piofanana, dia mifameno ny ezaka ataon'ny tsirairay sy ny asa ifanakonan'ny daholobe, mba hahatrarana fandrosoana. Ny faharisihana asehony sy ny fitovian-kevitra mandrisika ireo ezaka ataony dia mahasarika olona mihamaro an'isa hatrany, avy amin'ireo sokajy rehetra misy ao amin'ny fiaraha-monina, olona tsindrian-daona hanokana ny fotoany sy herim-batany hias'na mba hiad'nan'ny taranak'olombelona.

Mazava izao fa misokatra mid'nad'na bebe kokoa ireo varavaran'ny vondrona mba hampandrosoana izay olona liana te hiditra ka hivelona amin'ny Teny Faminanian'i Bah'''ll'h. Ny hafainganana mampitolagaga hita teo amin'ny sehatry ny fampianarana nandritra iny taona lasa iny no porofo faran'izay mazava fa mamokatra tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpandray anjara telo tontan'ny Planina. Tena nisongadina mihitsy ny fandrosoana tratra teo amin'ny sehatry ny fidirana amina andiany.

Mihamahomby hatrany ny fandraisan'andraikitry ny tsirairay, raha ny sehatr'io fiaraha-miasa mitombo io no jerena. Tao anatin'ireo Hafatray teo aloha dia nampahatsiahivinay fa ny seha-piofanana dia manome hery manosika ny mpino tsirairay avy hahay hanita-kevitra. Mirotsaka an-tsehatra mandinika ny Tenin'ny Soratra Masina ny havana bah'i isaky ny kaontinanta ka ny tanjona mazava hotratrariny amin'izany dia ny hianatra hampihatra ireo fampianarana amin'ny fandrosoan'ny Finoana. Mahatalanjona ny hamaron'ny mpino mandray andraikitra amin'izay, ka manao izay hikolokoloana ny hery sy tanjaka ara-panahin'ny vondrona misy azy ireo. Amim-pahavitrihana no anatanterahan'izy ireo asam-panompoana mifanentana amina modelim-pivoarana mafy orina tsara. Raha naneho fihetsika feno fanetren-tena teo am-pianarana izy ireo dia nahita fahombiazana nohon'ny faharetany nanompo ny Finoana ka nahafahany naneho miaraka tsaratsara kokoa hatrany toetra mendrika toy ny fahasahiana sy fahendrena, zotom-po sy faharanitan-tsaina, hafanam-po sy fahamalinana, fikirizana sy fahatokisana an'Andriamanitra. Ka hita fa nanjary nifameno sy nihamafy ireo toetra ireo. Amin'ny fomba fanolorany ny Hafatr'i Bah'''ll'h sy ny fahamarinana raiketiny dia nahaliana fatratra ireo mpino ny tenin'i Shoghi Effendi izay nilaza fa tsy mahazo 'misalasala', na 'mangovitra', na 'mampitombo', na 'manamaivana' ny fahamarinana izay arovany izy ireo. Sady tsy 'mitompo teny fantatra' no tsy 'tia baranahiny diso tafahoatra' izy ireo. Noho ny faherezan'izy ireo mampianatra dia nanjary nahay nandanjalanja bebe kokoa ny fahaiza-mandray asehon'ireo mpiresaka aminy izy ireo mba hahalal'ny raha tokony ho 'malina' na ho 'sahisahy', 'hiasa haingana' na 'hiato kely', hampiasa fomba fampianarana 'mivantana' na 'ankolaka' izy ireo.

Ny tena tsapanay hatrany fa mahavelom-panantenana dia ny fahalalam-petra mandrindra ity fanehoan-kevitry ny tsirairay ity. Hatraiza hatraiza dia efa mihamahazo tsikelikely ireo lesona nianarana noho ny fampiharana mitohy tsy miato ny vondrona. Ary mampirindra sy manalefaka ny ezaka ataon'ny havana bah'i ny rafitra izay voafaritr'ireo andiana planina ampiharina ankehitriny. Lavitra ity rafitra ity izany hamepetra izany ka noho izany dia afaka ireo mpino hanararaotra fotoana miseho, hanenona fifandraisana ary hanao izay hahatonga ny fomba fijery ny fandrosoana mirindra ho azo tsapain-t'nana. Raha fintinina dia manome endrika ny fahef'n'ny daholobe miaraka io rafitra io.

Eo am-pandinihana ireo zava-bita manerana an'izao tontolo izao dia amin'ny fo feno fankasitrahana sy fifaliana no ider'nay manokana ireo mpino any Iran izay nisedra fahasahiranana faran'izay mafy kanefa dia nitsangana an-kasahiana mba hanokana ny heriny hanompo sy hanome ainga vao ny fireneny, na dia hita fa hety dia hety aza ny l'lan-kizoran'izy ireo. Koa noho ireo fameperana nandidiana ny fitant'nana ny Finoana dia niantoka izy ireo tsirairay avy mba hanazatra ireo mpiray tanindrazana aminy handray ny Fampianaran'i Bah'''ll'h, ka tonga dia mampiditra resaka mivantana amin'izy ireo momba ny Hafatra mifono Fanavotana nentiny. Tsy vitan'ny nahazo tohana faran'izay tsara tsy mbola nisy hoatra izany fotsiny avy tamina olona matsilo saina izy ireo teo am-panombohana , fa dia sendra ireo mora mandray koa, izay mihoatra lavitra ny niheveran'izy ireo azy.

Izay mety ho mpanaradia an'i Bah'''ll'h ka mahatsapa ny fisian'ireo hery mpamelona sy ireo hery mpandrava miasa eo anivon'ny fiaraha-monina ankehitriny dia mahita fa mifandray ny fitombon'ny fahafaha-mandray ny Finoana isaky ny faritra eran'izao tontolo izao sy ireo lesoka asehon'ireo rafitra misy eto amin'izao tontolo izao. Tsy isalasal'na fa io fahafaha-mandray io dia hitombo arakaraky ny hahamafy ny fangirifiriana sedrain'ny taranak'olombelona. Aoka tsy ho diso hevitra fa: ny fivoaran'ny fahaiza-manao izay nampandehanina mba hiatrehana ity fahafaha-mandray tsy mitsaha-mivoatra ity dia mbola vao eo am-piandoh'ny. Amin'ny hoavy dia hitsapa ny fetran'ireo fahaiza-manao ireo ny fitombon'ny filan'ny taranak'olombelona misavoritaka sy mikorontan-tsaina. Maradratrana hery mpanindritsindry ny zanak'olombelona, na izany avy amin'ny halalin'ny fitsar'na an-tendrony eo amin'ny lafiny ara-pivavahana, na avy amin'ny materialisma faratampony satria tsy voafehy. Mahay mamantatra ny anton'ireo fangirifiriambe ireo ny bah'i. 'Inona indray no fahoriana mbola lehibe lavitra mihoatra an'ireo? Izay te hahafantatra ny marina sy te hahalala ny momba an'Andriamanitra dia tsy mahafantatra izay l'lana tokony hizorany na izay olona tokony hanontaniany', hoy ny nambaran'i Bah'''ll'h. Tsy misy fotoana hoverezina. Tsy maintsy tohizana hatrany ny fandrosoana tsapa eo amin'ny hetsika atao sy ny fivoaran'ireo mpandray anjara telo tonta amin'ny Planina.

Abd''l-Bah' dia nanao 'antso avo roa' ho amin'ny 'fahombiazana' sy 'fanambinana' izay avy amin'ireo 'faratampom-pahasambaran'ny taranak'olombelona'. Ny iray voalohany dia ny antson'ny 'sivilizasiona' sy ny fandrosoan'izao tontolo izao hita maso. Hita ao ny 'lal'na', ny 'fitsipika', ny 'taozavatra sy ny siansa', izay manampy ny zanak'olombelona hivoatra. Ny faharoa dia 'ny antso manentana ny fanahy' izay avy amin'Andriamanitra, ary iankinan'ny fahasambarana mandrakizain'ny taranak'olombelona. Araka ny fanazavan'ny Mpampianatra, 'io antso faharoa io dia miankina amin'ireo didy sy teny fanan'ran'ny Tompo, miankina amin'ireo fihetseham-po maneho fitiava-namana, izay mahakasika ny fanarahana ny lal'nan'Andriamanitra ary miendrika hazav'na mamirapiratra ka mitsilo sy manazava ny jiron'ireo zava-misy iainan'ny zanak'olombelona. Ny Tenin'Andriamanitra no fahef'na mitsilo azy'. Eo am-panohizana ny asa tontosainareo any amin'ny vondrona misy anareo avy ianareo dia ho voasarika hatrany hatrany ka ho liana amin'ny fiainan'ny fiaraha-monina manodidina anareo. Ka ny fanamby hotratrarinareo dia ny fahaizanareo hanitatra ny fomba fizotry ny fanof'nana mitohy tsy tapaka izay nirotsahanareo an-tsehatra ka hampidiranareo andiana hetsika isan-karazany hotontosaina. Ny fomba fisafidiananareo ny fitaovana hampiasainareo, ny fomba fiatrehanareo sy fanatontosanareo asa dia tsy maintsy ahatraranareo firindr'na mitovy lenta amin'ny modelim-pandrindr'na efa eo an-dalam-pias'na manomboka izao.

Ny fifehezana ny fandrosoana isaky ny vondrona dia miankina amin'ireo fahamendrehana mampiavaka ny asa fanompoanareo ireo mponin'izao tontolo izao. Ny fisainanareo sy ny asanareo dia tsy azo asiana pentina fitsar'na an-tendrony eo amin'ny lafiny firaz'nana, fivavahana, toe-karena, na hevi-diso mombana firenena, na foko na saranga na kolontsaina.

Ka na ny vahiny aza dia hahita anareo ho toy ny sakaiza tsara be fitiavana. Ny toetra fanaperana asehonareo dia tsy maintsy avo dia avo ary ny fitondran-tenanareo madio sy masina aoka izany ka hanenika ny eritreritry ny vondron'ny mpino amin'ny ankapobeny ny hery mibaiko ny fihetsikareo ara-moraly. Ny fanehoanareo ilay toetra mahitsy izay isarihan'ny Soratra Masina bah'i ny isam-batan'olona ihany no hany hahafahanareo miady amin'ireo endrika maro isehoan'ny fahalovana, miharihary sy mifono hafetsena izay mikiky ireo taova iankinan'ny ain'ny fiaraha-monina. Ny fahatsap'nareo ny voninahitra sy fahamendrehan'ny olombelona tsirairay avy ihany no hany hahafahanareo miaro ny fahamarinana, na mpanan-karena na mahantra ilay olona. Ary arakaraky ny fahafahan'ireo rafi-pitant'nana hita ao amin'ireo Rafitra masinareo mampihatra ny lal'nan'ny fifanakalozan-kevitra bah'i no hahafahan'ny ankabeazam-bahoaka hialokaloka ao anatin'ny vondrona bah'i.

Rehefa mandroso mizotra amin'io l'lana io ianareo, dia matokisa fa hampiseho ny heriny ary mivonona hanampy anareo ireo andian'anjely any an-danitra. Hitahy sy hiaro anareo ny vavakay tsy miato.

 

Windows / Mac