Return   Facebook

The Universal House of Justice

Ridván 2020

To the Bahá’ís of the World

Dearly loved Friends,

Tranga roa nipoitra no manosika anay mba hanambara aminareo ireto teny ireto. Ny tranga voalohany dia ny fitomboan’ny fahatongavan-tsaina maneran-tany, mahakasika ireo loza mananontanona sy mampivarahontsana entin’ny valan’aretina coronavirus. Any amin’ny firenena maro, na dia eo aza ireo ezaka mitambatra feno herim-po sy feno fahatapaha-kevitra izay natao mba hampodia-miverina ny loza, dia efa tena lasa lavitra ny toe-javatra, ary niteraka zava-doza ho ana fianakaviana sy olona maro ary nampitsoraka ireo fiaraha-monina iray manontolo tao anaty krizy. Ireo onja-pangirifiriana sy alahelo lalina dia tonga mifandimby avy amin’ny toerana iray mankany amin’ny toerana iray hafa, ary handemy firenena isan-karazany, amin’ny fotoana samihafa, amin' ny fomba samihafa.

Ny tranga faharoa, ilay izay mihamibaribary isan' andro, dia ny fahafaha-miharitra sy ny tsy fikelezan’aina eo amin’ny tontolo Bahá'í manoloana ny fanamby izay tsy misy toa azy teo amin’izay mety ho fahatsiarovana nisy teo aloha. Tena miavaka ny famalianareo izany. Rehefa nanoratra ho anareo izahay iray volana lasa izay tamin’ny Naw-Rúz, dia nampisongandininay manokana ireo toetra mahagaga manohina tokoa izay nasehon’ireo vondrona izay voakorontana tokoa ireo rindran-damin’ny asa sy hetsika mahazatra eo amin’izy ireo. Ny zavatra rehetra nitranga tao anatin'ireo herinandro nihelina, ary nandritra izany, maro ireo namana izay tsy maintsy nanaja ireo famerana nihamafy hatrany, dia mbola nahalalina kokoa ireo fihetseham-ponay feno fahafaham-po. Mianatra amin’ny alalan’ny traikefa azo any amin’ny faritra hafa eto an-tany, misy ireo vondrona izay mahita fomba azo antoka sy feno famoronana mba hanaingana ny fahatongavan-tsaina amin’ireo fepetra takian’ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ireo mponina. Fitandremana manokana no omena ireo izay tena marefo manoloana ny tsimok’aretina (virus) sy ny fahasahiranana ara-toekarena mipoitra avy amin’ny fiparitahany; ny tsirin-ketsika navoaka tao amin’ny vaovao Bahá’í maneran-tany (Bahá’í World News Service) mahakasika izany dia iray tanana ihany manoloana ireo izay efa maro be tsy hita isa efa an-dalam-panatanterahana. Izany dia fenoin’ireo ezaka hizaha sy handinika, hampiroborobo, ary hamboly ireo toetre ara-panahy izay tena ilaina tokoa amin’izao fotoana izao. Ezaka maro toy izany no ilaina maka toerana eo anivon’ny ankohonanan na eo amin’ny tsirairay mitokamonina, kanefa amin’ireo toerana avelan’ireo fepetrany na ireo fitaovam-pifandraisana, ny fisainana feno firaisan-kina dia voakolokolo am-pahavitrihana eo amin’ireo fanahy izay mizara ireo fepetra mitovitovy. Ny fivoaran’ny fiainan’ny vondrona, izay tena manan-danja tokoa ho an'ny fandrosoana miaraka, dia tsy ho voageja.

Ny fanahinay dia nahazo hery sy hafaliana eo am-pahitana ny fahaiza-manaon’ireo Antenimiera Am-Panahy Nasioanly, ireo jeneraly tsy mahalala sasatry ny Tafikin’ny Hazavana, mitari-dalana ireo vondrona misy azy sy namolavola ireo fomba fiatrehany ny krizy. Izy ireo dia tohanan’ireo Mpanolotsaina sy ireo mpanampy azy ireo mafy tokoa, izay toy ny mahazatra, amin-kerim-po mampakatra avo ny fanevan’ny fanompoana am-pitiavana. Raha mijanona mba haharaka tsara ny toe-draharaha misy eo amin’ireo firenena misy azy ireo izay mazàna ireo fepetra eo aminy dia miova haingana tokoa, ireo Antenimiera dia nametraka ireo fandaminana ilaina amin’ny fitantanana ireo raharahan’ny Finoana, ary amin’ny lafiny manokana amin’ny fitarihana ireo fifidianana, rehefa mbola azo atao izany. Amin’ny alalan’ny serasera, ireo rafitra sy ireo rantsamangaika dia nanolotra torohevitra feno fahendrena, fanomezana toky feno fankaherezana, ary famporisihana mitohy sy tsy tapaka. Amina tranga-javatra maro, izy ireo dia nanomboka ihany koa namaritra lohahevitra mpanorina izay mivoitra avy amin’ireo resadresaka izay teraka eo amin’ireo fiaraha-monina. Ny fiandrandrana izay nasehonay tao amin’ny hafatry ny Naw-Rúz nalefanay fa izao fitsapana ny fahafaha-mizaka sy miaritry ny zanak’olombelona izao no hanolotra ho azy fahatakarana lehibe kokoa, dia efa eo am-pahatanterahany sahady. Ireo mpitarika, ireo mpandinika manana toerana ambony, ireo mpanao valandresaka momba ny zava-mitranga dia mizaha sy mikaroka ireo foto-kevitra sy ireo fikasana feno fahasahiana, izay banga amin’ny ankapobeany teo aloha teo amin’ny resadresaky ny daholobe. Ankehitriny izany dia mbola vao ireo sombitsombiny am-piandohana ihany, kanefa izy ireo dia mihazona ao aminy ny fahafahana ho enti-manao hahitana fa efa managasanga ny fotoanan’ny fahatongavan-tsaina iombonana.

Ny fankaherezana raisinay amin' ny fahitana ny fahafaha-miharitry ny tontolo Bahá'í izay miseho ho azy amin’ny asa ataony dia voatapoky ny alahelo avy amin’ireo vokatry ny valan’aretina eo amin’ny olombelona. Indrisy, azonay an-tsaina tokoa fa ireo mpino sy ireo mifandray amin’izy ireo dia miaraka samy ao anatin' izany fijaliana izany. Ny elanelam-pahalavitana eo amin’ireo mpinamana, sy ireo mifandray amin’izy ireo, vokatr'ireo filàn’ny fiarovana ny daholobe, izay maro dia maro ireo olona manerantan amin’izao fotoana izao no manaja izany, ho an’ny sasany izany dia hitondra any amin’ny fisarahana mandrakizay. Isaky ny andro miratra dia toa azo antoka fa hisy ireo fijaliana misimisy hatrany tsy maintsy hozakaina alohan’ny hiletehan’ny masoandro. Enga anie ny fampanantenan’ny fihaonana any amin’ireo tontolo mandrakizay hanolotra fampiononana ho an’ireo izay very olon-tiana. Mivavaka izahay ho an’ny fanalefahana ny fon’izy ireo, ary ny fahasoavan' Andriamanitra mba hanodidina ireo izay ny fianarany, ireo antom-pivelomany, ireo tokatranony, eny na dia ireo fitaovana entiny mivelona aza dia ahiana. Ho anareo, sy ireo izay lalainareo, ary ho an’ireo mpiray tanindrazana rehetra aminareo, mitalaho amin’i Bahá'u'lláh izahay ary miangavy ireo fitahiany sy ny tombotsoa avy Aminy.

Na dia lava sy tena sarotra aza ny lalana izay tsy maintsy handehanana, dia faran’izay feno fahatokiana izahay amin'ny herim-panahy sy ny fahavononanareo hisikiponitra handia izao lalana izao hatramin’ny farany. Misintόna avy ao amin’ireo sompitry ny fanantenana, ny finoana ary ny fahamboniam-panahy, mametraha hatrany ireo filan’ny hafa alohan’ny filanareo manokana, mamelà ireo izay tsy manana mba ho voakoloakolo ara-panahy, ireo izay mihamangetaheta valiny hatrany mba ho afa-po, ary ireo izay maniry mafy ny hiasa ho an’ny fanatsarana an’izoa tontolo izao mba ho tolorana ireo fitaovana. Avy amin’ireo mpanara-dia feno fanolora-tena ho an’Ilay Fahalavorariana Voatahy, ahoana moa no hanantenanay ny latsak’izany?

 

Windows / Mac