Return   Facebook   Zip File

Obligatory

Vavaka fohy tsy maintsy atao isan’andro eo anelanelan’ny roa ambinifolo ora atoandro hatramin’ny filetehan’ny masoandro

Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa noharianao mba hahafantatra Anao sy hankalaza Anao. Manamarina aho, amin’izao fotoana izao, ny fahalemeko sy ny Fahefanao, ny fahantrako sy ny Harenao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy sy Tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.

#9364
- Bahá'u'lláh

 

Vavaka tsy maintsy atao in-telo isan’andro: ny maraina, ny tolakandro, sy ny hariva hatramin’ny ora roa aorian’ny fiposahan’ny masoandro.

Izay maniry hanao ity vavaka ity, aoka izy hanasa tanana, ary hiteny hoe:

Atanjaho ny tanako, ry Andriamanitro ô, mba handray ny Bokinao amim-pahamatorana ka ny tafik’izao tontolo izao dia tsy hanana fahefana aminy. Arovy izy, noho izany, tsy hitsabaka amin’izay tsy azy. Ianao, marina tokoa Ilay Tsitoha. Ilay Mahery indrindra.

Eo am-panasana ny tava, aoka hiteny hoe:

Natodiko tany Aminao ny tavako, ry Tompoko ô! Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Endrikao. Arovy izy, noho izany tsy hitodika na any amin’iza na any amin’iza afa-tsy any Aminao.

Aoka izy hitsangana, mitodika any amin’ny Qiblíh (toeram-pankalazana, izany hoe Bahjí, any Akora), aoka hiteny hoe:

Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy. Azy ny fanjakan’ny Fanambarana sy ny Famoronana. Izy, marina tokoa, no naneho Azy Ilay Fiposahan’andron’ny Fanambarana, Izay niresaka tao Sinay, Izay nampahazava ny Faravodilanitra avo indrindra, sy nitenenan’ny “Hazo-farany” izay ankoatra azy dia tsy misy lalana hafa azo lalovana, ary avy Aminy no nandefasana ny antso ho an’ireo rehetra izay any an-danitra sy ety an-tany: “Jereo! Tonga Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany, ny voninahitra sy ny fanapahana dia an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny olona rehetra, Ilay Tompon’ny Seza fiandrianana eny ambony sy ety an-tany ambany”.

Aoka izy hiondrika ary manaraka izany, ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika ary miteny hoe:

Avo tokoa Ianao ambonin’ny fiderako sy ny fideran’ny olona afa-tsy izaho, ambonin’ny famaritako sy ny famaritan’ny rehetra izay any an-danitra sy izay ety an-tany!

Avy eo, mitsangana, misokatra ny tanana, ny fela-tanana miakatra manoloana ny tava, dia miteny hoe:

Aza mandiso fanantenana azy, ry Andriamanitro ô, izy izay, amin’ny tanam-pitalahoany, niatsampy tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao, o Ianao ilay Mpamindrafo indrindra amin’ireo mpamindrafo.

Aoka izy hipetraka ka hiteny hoe:

Mijoro vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao. Marina tokoa, naneho ny Fototrao Ianao, nanatanteraka ny Fanekem-pihavananao Ianao, ary nanokatra midanadana ny varavaran’ny Fahasoavanao ho an’ny mponina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ny fitahiana sy ny fiadanana, ny famonjena sy ny voninahitra dia hitoetra ho an’ny olon-tianao, izay tsy voasakan’ny fiovana sy ny kisendrasendran’ity tany ity hitodika any Aminao, ary nahafoy izay rehetra azy, am-panantenana handray izay avy Aminao. Ianao, marina tokoa, Ilay mpamela heloka mandrakariva, Ilay Mpangoraka Indrindra.

Raha misy misafidy hanonona ireto teny ireto fa tsy ireo andalana lava dia ampy :

“Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Izay mamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.”

Torak’izany koa, eo am-pipetrahana, ampy ny misafidy hanonona ireto teny ireto :

“Vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny Maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao”

#9365
- Bahá'u'lláh

 

Tonom-bavaka lava izay vakiana indray mandeha isan’andro.

Raha hanao ity vavaka ity, dia aoka hitsangana, mitodika any amin’Andriamanitra ary tsy miova toerana, miherikerika an-kavanana sy an-kavia toy ny miandry ny famindrampon’ny Tompo, Ilay tena be Indrafo, Ilay Onena. Aoka izy hiteny hoe:

Ianao izay Tompon’ny anarana rehetra sy Mpahary ny lanitra! Mitalaho Aminao aho noho Ireo izay Fiposahan’ny Andron’ny Fisianao tsy hita maso, Ilay Be Voninahitra, mba hanao ny vavako ho afo afaka handoro ny voaly izay nanakona ahy tamin’ny Hatsaran-tarehinao, ary fahazavana izay mitarika ahy eny amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao.

Aoka hanandratra ny tanana ho mariky ny fitalahoana amin’Andriamanitra, deraina sy ankalazaina anie Izy, ary hiteny hoe:

O Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao, Ilay Malalan’ny firenena! Hitanao aho mitodika eny Aminao, ary afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny hafa afatsy Ianao ary mifikitra amin’ny fatoranao, izay ny fihetsehany dia mamelombelona ny nohariana rehetra. Mpanomponao aho ry Tompo ô ary zanaky ny mpanomponao. Inty aho mitsangana vonona hanatanteraka ny Sitraponao sy ny Fanirianao ary tsy maniry zavatra hafa afa-tsy ny Fahafinaretanao. Mitalaho Aminao aho, noho ny Ranomasimben’ny Famindramponao sy ny kintana Marainan’ny Fahasoavanao, mba hampiasa ny mpanomponao arak’izay tianao sy mahafinaritra Anao. Noho ny Herinao izay mihoatra lavitra ny filazana sy ny fiderana rehetra, izay nambaranao dia fanirian’ny foko sy fanirian’ny fanahiko.

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Aza miraharaha ny fanantenako na ny asako fa ny Sitraponao izay mandrakotra ny lanitra sy ny tany. Noho ny Anaranao Lehibe Indrindra, ô Ianao Tompon’ny firenena rehetra! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy tia afa-tsy izay tianao.

Mandohalika ary manondrika ny handrina amin’ny tany, miteny hoe:

Avo dia avo tokoa Ianao, ambonin’ny famaritana rehetra afatsy ny famaritana ny Tenanao sy ny fahafantarana hafa afa-tsy Ianao.

Mitsangana indray ary miteny hoe:

Aoka ny fivavahako, ry Tompoko ô, ho toy ny loharanon’ny mamelombelona izay ahazoako mivelona mandra-paharetan’ny Fiandriananao sy manambara Anao ao amin’ny tsirairay amin’ireo Tontolonao.

Asandratra indray ny Tanana am-pitalahoana ary miteny hoe:

Ô Ianao izay ny fisarahana aminy dia mahaketraka ny fo sy ny fanahy, ary ny afom-pitiavany dia manenika izao tontolo izao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nandresy ny zavaboahary rehetra, mba tsy hisakana ho ahy izay Anao. O Ianao izay manjaka amin’ny olon-drehetra! Hitanao, ry Tompoko ô, ity vahiny dodona ho eny amin’ny toerany tena be voninahitra, ho eo ambanin’ny alokin’ ny Fiandriananao, ho ao amin’ny toeran’ny Famindramponao, ary ity mpanota eo am-pitadiavana ny ranomasimben’ny Famelankelokao, ity manetry tena ny tokontanin’ny Voninahitrao, ity olo-mahantra ny fiposahan’ny Harenao. Anao ny fahefana handidy izay irinao. Vavolombelona aho fa tokony ankalazaina Ianao amin’ny Asanao, ankatoavina amin’ny Baikonao ary tsy manam-petra amin’ny Didinao.

Ampiakarina ny tanana ary mamerina in-telo ilay Anarana Lehibe (Alláh’u’Abhá). Miondrika rehefa avy eo anatrehan’ Andriamanitra - deraina sy ankalazaina anie Izy -apetraka ny tanana eo ambony lohalika, ary miteny hoe:

Hitanao, ry Andriamanitro ô, ny fanahiko dia mihovitrovitra miaraka amin’ny ratsam-batako, amin’ny faniriany hankalaza Anao ary ny fiandrandrany hahatsiaro sy hidera Anao. Hitanao ny nanamarinany izay namarinin’ny lelan’ny Baikonao ao amin’ny fanjakan’ny Teninao sy ny lanitrin’ny Fahalalanao. Amin’izany, ry Tompoko ô, tiako ny mangataka Aminao izay rehetra Anao mba hanaporofoako ny fahantrako, ary hanomezam-boninahitra ny Hatsaram-panahinao sy ny Harenao, hanambarako ny fahalemeko ary anehoako ny Fahefanao sy ny Herinao.

Mitraka indray, asandratra in-droa ny tanana ho mariky ny fitalahoana, ary milaza hoe:

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay Onena olona. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpandahatra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafarana. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, nampahery ahy ny Indrafonao ary nampatanjaka ahy ny Famindramponao; namoha ahy ny Antsonao, nampisondrotra ahy ny Fahasoavanao ary nitondra ahy ho any Aminao. Raha tsy izany, iza aho no ho sahy hitsangana eo am-baravaran’ny fonenan’ny Fanakaikezanao, na hampitodika ny tavako eny amin’ny fahazavana izay mamirapiratra avy eny amin’ny lanitrin’ny Sitraponao? Hitanao, ry Tompoko ô, ity olo-mahantra mandondona ny varavaran’ny Fahasoavanao, ity fanahy mihelina izay mikatsaka ny reniranon’ny fiainana mandrakizay avy amin’ny tanan’ny Fahasoavanao. Anao ny fandaharana amin’ny fotoana rehetra, ô Ianao izay Tompon’ny Anarana rehetra; ary ny ahy dia ny fanekena sy ny fanoavana am-pitiavana ny Sitrakao, ry Mpamorona ny lanitra rehetra ô!

Asandratra in-telo ny tanana ka miteny hoe:

Andriamanitra dia lehibe noho ny lehibe rehetra.

Mandohalika manaraka izany sy miankohaka amin’ny tany ka milaza hoe:

Avo loatra Ianao, mba ho afaka hisandratra any amin’ny lanitry ny Fanatrehanao ny fideran’ireo izay akaiky Anao, na mba hahatratra ny tokonan’ny Varavaranao ny voron’ny fon’ireo izay manolon-tena ho Anao. Manamarina aho fa nohamasinina mihoatra ny hatsarana rehetra Ianao ary masina mihoatra ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Avo indrindra, Ilay Be Voninahitra.

Dia mipetraka ka milaza hoe:

Manamarina aho, izay namarinan’ny voahary rehetra, ny Fihaonan-danitra, ny mponin’ny paradisa ambony indrindra, ary ankoatr’ireo, ny Lelan’ny Fahalehibiazana avy amin’ny Faravodilanitra feno voninahitra, fa Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ary Izy ilay nambara no Misitery miafina, Ilay Famantarana sarobidy izay nakambanana sy nampiraisana ny litera B sy E (Be = Misia). Manamarina aho fa Izy Ilay anarana nosoratan’ny Penin’Ilay tena Avo ary nolazaina tao amin’ny Bokin’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny Fiandrianana any an-danitra sy ety an-tany.

Mitsangana ary miteny:

Ry Tompon’ny aina rehetra ô, sy Ilay Tompon’ny zavatra hita sy ny tsy hita rehetra! Hitanao ny ranomasoko, tsapanao ny sentoko, renao ny fitarainako, ny fitolokoako sy ny fitomanian’ny foko. Noho ny Herinao! ny fahadisoako no nisakana ahy tsy hanatona Anao ary ny fahotako no nampanalavitra ahy ny tokonan’ny Fahamasinanao. Ny Fitiavanao, ry Tompoko ô, no nampanan-karena ahy; ny fisarahana Taminao no nanimba ahy, ary ny fanalavirana Anao no nandevona ahy. Mitalaho Aminao aho, noho ny mariky ny dian-tongotrao ato amin’ity tanihay ity ary noho ireto teny ireto: “Inty aho, inty aho”, izay notenenin’ireo nofidinao ao amin’ity midadasika ity ary noho ny Tsiokan’ity Fanambarana ity ary ny tsiodrivotra malefaky ny somambisambin’ny Fanehoanao, mba handidy izay ahazoako mandinika ny Hatsarantarehinao sy hankato izay rehetra ao anatin’ny Bokinao.

Avereno in-telo : “Alláh’u’Abhá”, miondreha ary ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika, ka miteny hoe:

Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny nanampianao ahy hahatsiaro Anao sy hidera Anao, noho ny namelanao ahy ahafantatra Ilay izay Somambisambin’ny Famantaranao, ary nahatonga ahy hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra sy nahafantarako izay notononinao tamin’ny Lelan’ny Fahalehibeazanao.

Mitsangana ka miteny hoe:

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Nivokoka ny lamosiko noho ny vesatry ny fahotako ary ny fanaovako antsirambina dia nanimba ahy. Rehefa misaintsaina ny asa ratsiko aho sy ny Fiantranao, dia torotoro ny foko ao anatiko ao ary mangotrangotraka ny ràko ao amin’ny lalandràko. Noho ny hatsaran-tarehinao, ô Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao! Mivoaramena hampitraka ny tavako eny Aminao aho ary menatra hanatsotra ny tanako mitalaho any amin’ny lanitry ny Halemem-panahinao. Hitanao ry Andriamanitro ô, toa inona ny ranomasoko izay misakana ahy hahatsiaro Anao sy hanandratra ny Hahatsaranao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fiandrianana any amin’ny avo sy ety an-tany ambany. Mitalaho Aminao aho, noho ny famantarana ny Fanjakanao sy ny zava-miafin‘ny Fanapahanao, hanao amin’ny olon-tianao toy izay mifanaraka amin’ny Hamoramponao, ry Tompon’ny fisiana rehetra ô, ary araka izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao, ô ry Mpanjakan’ny hita sy ny tsy hita!

Averina in-telo: “Alláh’u’Abhá”, dia mandohalika, ny handrina miankohoka amin’ny tany, ka milaza hoe:

Deraina Ianao, ry Andriamanitray ô, noho ny namelanao hidina ety aminay izay mampanakaiky anay Aminao sy ahazoanay ny harena nampanantenainao rehetra ao amin’ny Bokinao sy ny Soratrao. Miangavy Anao izahay, ry Tompo ô , arovy amin’ny tafiky ny fisainam-poana sy ny hevidravina izahay. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.

Mitraka amin’izay, mipetraka ary milaza hoe:

Manamarina aho, ry Andriamanitro ô, izay namafisin’ny olom-boafidinao ary mahafantatra aho izay neken’ny mponin’ny Paradisa tena Avo sy ireo izay mihodidina ny Seza fiandriananao.

Anao ny fanjakan’ny tany sy ny lanitra, ry Ilay Andrian’izao tontolo izao ô.

#9366
- Bahá'u'lláh

 

General

ANKIZY

Ry Andriamanitro! Tariho aho, arovy aho, hazavao ny jiron’ny foko ary ataovy toy ny kintana mamirapiratra aho. Ianao Ilay Mahery, Ilay Manam-pahefana.

#9395
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra! Beazo ireto zaza ireto. Ireo zaza ireo dia volin’ny Saham-boankazonao, voninkazon’ ny Tanin’ahitrao, raozin’ny Zaridainanao.

Aoka ny Oranao hirotsaka aminy; aoka ny Masoandron’ny Fahamarinana hamirapiratra amin’izy ireo noho ny Fitiavanao. Aoka ny Tsioka malefakao hamelom-belona azy ireo ka mba ho voaofana, hitombo sy hivelatra izy ireo ary hiseho amin’ny hatsarana tonga lafatra indrindra.

Ianao Ilay Mpanome! Ianao Ilay Mpamindra fo!

#9396
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitro! Tezao ity zaza menavava ity eo an-Tratram-pitiavanao ary omeo azy ny ronono avy amin’ny tratran’ny Fitahianao. Kolokoloy ity voly tanora ity ao amin’ny tanindraozin’ny Fitiavanao ary ampio izy mba hitombo amin’ny alalan’ny andon’ny Fitahianao.

Ataovy zanaky ny Fanjakanao izy ary tariho ho eny amin’ny Fanjakan-danitrao. Mahery sy tsara Ianao, ary Ianao Ilay Mpanome, Ilay Malala-tanana, Ilay Tompon’ny fanambinana tapitr’ ohatra.

#9397
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tompoko ô! Ry Tompoko ô! Zaza mbola kely aho. Velomy amin’ny tratran’ny Famindramponao aho, tezao ao amin’ny tratran’ny Fitiavanao, ampianaro ao amin’ny sekolin’ny Fitarihinao ary halehibiazo eo ambanin’ny aloky ny Hatsaranao.

Afaho amin’ny haizina aho, ataovy toy ny hazavana mamirapiratra aho, arovy amin’ny fahoriana aho, ataovy voninkazon’ny tanin-draozinao aho; aoka aho ho lasa mpanompon’ny Tokonam-baravaranao ary omeo ahy ny fepetra sy ny natioran’ny olomarina; ataovy ho toy ny anton’ny hatsarana eo amin’ny tontolon’olombelona aho, ary satrohy ny diademan’ny fiainana mandrakizay.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Tsitoha, Izay Mpahita sy Mpihaino.

#9398
- `Abdu'l-Bahá

 

ANTENIMIERA AM-PANAHY

O Ianao Tompo be fitiavana! Ireto ny mpanomponao izay mivory eto amin’ity Antenimiera ity, mitodika eny amin’ny Fanjakanao ary mikatsaka mafy tokoa ny Tsodranonao sy ny Fitahianao.

O Ianao Andriamanitra! Asehoy sy ampiharihario ny famantarana ny Firaisanao izay napetraka tao amin’ny maha-fiainana ny fiainana. Asehoy sy avoahy ireo hatsarana izay miafina ao amin’ny maha-olombelona ny olombelona rehetra.

Ry Andriamanitro ô! Zavamaniry izahay ary ny Fanomezanao dia toy ny orana. Velombelomy sy ampitomboy ireo zavamaniry ireo avy amin’ny alalan’ny Fahasoavanao. Mpanomponao izahay, manafaha anay amin’ny fatoran’ny zavatra ara-materialy. Tsy manam-pahalalana izahay, omeo fahendrena. Maty izahay, velomy. Ara-materialy izahay, arotsahy aminay ny fanahy. Mijaly izahay, ataovy namana akaikin’ny Misiterinao. Sahirana izahay, tahio izahay ary omeo avy amin’ny Harenao tsy manam-petra.

Ry Andriamanitro! Atsangano izahay, omeo fahitana izahay, omeo fihainoana. Zaro amin’ny zava-miafin’ny fiainana izahay, ka ny zava-miafin’ny Fanjakanao dia ambara aminay ato amin’ity tontolon’ny fisiana ity ary ahazoanay manaiky ny maha-Iray Anao. Avy Aminao ny Fanomezana rehetra, Aminao ny Tsodrano rehetra.

Ianao Ilay Matanjaka! Ianao Ilay Mahery! Ianao Ilay Mpanome ary Ianao ilay Malala-tanana mandrakizay.

#9402
- `Abdu'l-Bahá

 

Raha miditra ao amin’ny efitrano filan-kevitra ianareo, manaova ity vavaka ity amin’ny fo midoboka ny fitiavana an’Andriamanitra, ny lela voadio amin’ny zavatra rehetra afatsy ny fahatsiarovana Azy, mba hanampian’Ilay Tompo Mahery anareo am-pitiavana hahazo ny fandresena tampony.

------------------------------

Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro!

Mpanomponao izahay ary mitodika am-panoloran-tena eny amin’ny Endrikao Masina, mihataka amin’izay rehetra tsy Ianao amin’ity Andro be voninahitra ity. Mivory eto amin’ity Antenimiera Am-panahy ity izahay, miray fijery sy eritreritra miaraka amin’ny fikasàna mirindra mba hankalaza ny Teninao eo amin’ny zanak’olombelona.

Ry Tompo ô! Andriamanitray ô! Ataovy ho famantarana ny Fitarihan-danitrao izahay, ho Fenitry ny Finoanao mendrika eo amin’ny olona, mpanompon’ny Fanekenao Mahery, o Ianao Tomponay Ilay Avo Indrindra, fanehoana ny Firaisan-danitrao ao amin’ny Fanjakan’i Abhá, ary kintana mazava izay mamirapiratra eran’ny tany rehetra.

Ry Tompo! Ampio izahay ho tonga ranomasimbe manonja amin’ny alon-dranon’ny Fahasoavanao mahatalanjona, ho riaka mikoriana avy any amin’ny Haavo Be Voninahitra, ho voankazo voafantina eo amin’ny Hazon’ny Fototrao avy any an-danitra, ho hazo mitopatopa noho ny tsioka malefaky ny Fangorahanao, ao amin’ny Tanimboalobokao ao an-danitra.

Ry Andriamanitra ô! Aoka ny fanahinay hiankina amin’ny Andalan-tsoratry ny Firaisan-danitrao, ny fonay ho dibo-kafaliana amin’ny tosaky ny Fahasoavanao, ka mba hiray izahay toy ny onjan-dranomasina ary hivondrona ho lasa tara-pahazavan’ny Fahazavanao mamirapiratra; ka ny fisainanay, ny fijerinay sy ny fientanam-ponay ho tonga zava-misy iray, mampiseho ny firaisam-panahy manerana izao tontolo izao.

Ianao Ilay Mpamindra fo, Ilay Mpanasoa, Ilay Mpanome, Ilay Tsitoha, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.

#9403
- `Abdu'l-Bahá

 

FAHAFATESANA

“Ny fahafatesana dia manolotra ho an’ny mpino mahatoky tsirairay ny kalisy izay tena fiainana marina. Mizara fifaliana izy ary mitondra fahasambarana. Manome ny fiainana mandrakizay izy.”

Bahá’u’lláh.

Avelao, ry Tompoko ô, ireo izay efa niakatra any Aminao, mba hahita fialofana ao Aminao izay Mpiaradia faratampony. Ekeo ho azy ireo ny hitoetra eo amin’ny aloky ny taberinakelin’ny Fiandriananao sy ao amin’ny tempolin’ny Voninahitrao. Aoka ny ranomasimben’ny Famelanao heloka hitosaka eo amin’izy ireo, ry Tompolo ô, ary ahatonga azy ireo ho mendrika honina mandrakizay ao amin’ny Fanjakanao ambony indrindra ary eo ambany fanapahanao faratampony.

Manana fahefana hanao izay sitrakao Ianao.

#9360
- Bahá'u'lláh

 

“Ny vavaka ho an’ny Maty... no hany vavaka Bahá’í tsy maintsy atao izay tononona ampahibe-maso; tokony ho tononon’ny mpino iray izy io ary ny rehetra manatrika dia mitsangana am-pahanginana. Bahá’u’lláh dia nanazava fa ity Vavaka ho an’ny maty ity dia takiana raha olon-dehibe ilay maty (mihoatra ny dimy ambinifolo taona), ary ny fanononana azy dia tsy maintsy mialohan’ny fanitrihana, ary tsy misy ny fitakiana ny fitodihana any amin’ny Qiblih mandritra izany.” Kitab-i-Aqdas .

Ry Andriamanitro ô! Ity ny mpanompolahinao sy ny zanakalahin’ny mpanompolahinao izay nino Anao sy ny Famantaranao ary izay nanandratra ny endriny teny Aminao, nihataka tanteraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Taminao. Ianao marina tokoa Ilay maneho Indrafo, Ilay be indrafo indrindra.

Tanteraho aminy, O Ianao izay mamela ny fahotan’ny olona rehetra ary manafina ny fahadisoany, araka izay mendrika ny lanitrin’ny Hatsaram-panahinao sy ny ranomasimben’ny Fahasoavanao. Omeo azy ny fahazoan-dalana miditra eo amin’ny manodidina ny Famindramponao ambony indrindra izay nisy talohan’ny fanorenana ny tany sy ny lanitra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

Aoka averina in-enina izao teny izao: “Alláh’u’Abhá”, ary averina in-tsivy ambinifolo mifanarakaraka ny andininy tsirairay manaraka izao (***) :

Isika rehetra, marina tokoa, dia mitsaoka an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia miondrika eo anatrehan’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia midera an’ Andriamanitra

Isika rehetra, marina tokoa, dia mankasitraka an’ Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia manam-paharetana ao amin’Andriamanitra.

(Raha vehivavy no maty dia izao no lazaina: Ity no mpanompovavinao sy ny zanakavavin’ny mpanompovavinao)

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andininy averimberina in’enina dia atao toa izao : “Alláh-u-Abhá dia tonona indray mandeha; rehefa izany, ny andalana voalohany dia tononona in-tsivy ambinifolo. Avy eo tononona indray “Alláh-u-Abhá”, arahan’ny andininy faharoa, izay tononona in-tsivy ambinifolo, ary dia toy izany hatrany.

#9361
- Bahá'u'lláh

 

Andriamanitra Izy, Ilay Deraina, Ilay Tompon’ny Halemem-panahy sy ny fangorahana!

Voninahitra ho Anao, ry Andriamanitro ô, Ilay Tompo Tsitoha. Izaho dia vavolombelon‘ny Fanananao fahefana, ny Herinao, ny Fiandriananao, ny Fahasoavanao be fitiavana, ny Famindramponao sy ny Fahefanao, ny maha-Tokana ny Fisianao sy ny maha-Iray ny tena maha-Izy Anao, ny Fahamasinanao sy ny Fisandratanao ambonin’ny tontolo ety an-tany sy izay rehetra misy eo aminy.

Ry Andriamanitro ô! Hitanao aho fa tsy miraiki-po amin-javatra hafa afa-tsy Aminao, mifikitra mafy Aminao sy mitodika any amin’ny ranomasimben’ny Fahasoavanao, eny amin’ny lanitry ny Fahasoavanao sy ny kintana marainan’ny Famindramponao.

Ry Tompo! Vavolombelona aho fa ao amin‘ny mpanomponao dia nametrahanao ny Fahatokisanao, ary izany dia ny Fanahy izay nanomezanao aina an’izao tontolo izao.

Mangataka Aminao aho, noho ny famirapiratrin’ny Faribolan’ny Fanambaranao, hanaiky am-pankasitrahana avy aminy izay notanterahana tamin’ny Andronao. Atolory ho azy, noho izany, ny ho feno ny voninahitrin’ny Sitraponao ary haingoy amin’ny Fankatoavanao izy.

Ry Tompoko ô! Izaho manokana ary ireo voahary rehetra dia vavolombelona amin’ny Herinao, ary mivavaka Aminao aho mba tsy ho sarahinao Aminao ity fanahy izay nisandratra any Aminao, mankany amin’ny Toeran-danitrao, ny Paradisanao ambony indrindra ary ny Fialantsasatry ny fanakaikezana Anao, O Ianao izay Tompon’ny olon-drehetra!

Aoka, ry Andriamanitro, ny mpanomponao hiombona amin’ny olom-boafidinao, ny Olo-masinao sy ny Mpitondra Hafatrao, ao amin’ireo toeran-danitra izay tsy hain’ny penina soratana na ny lela tantaraina.

O Ry Tompoko, ity mahantra ity, marina tokoa, dia dodona ho eny amin’ny Fanjakan’ny Harenao, ity mpivahiny ho eny amin’ny ankaniny ao anatin’ny Manodidina Anao, izy izay mangetaheta mafy ho eny amin’ny onin’ny Halemem-panahinao. Aza avela ho diso anjara izy, ry Tompo, amin’ny fanasam-ben’ny Famindramponao sy amin’ny fahasoavan’ny Halemem-panahinao. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pitiavana, Ilay be Fiantra Indrindra.

Ry Andriamanitro ô, niverina tany Aminao ity Petrakao. Anjaran’ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao, izay nihodidina ny Fanapahanao any an-danitra sy ety an-tany, ny manolotra ho an’ity vahiny vaovao tongasoa ity ny Fanomezana sy Tolotra avy any Aminao, ary ny voan’ny Hazon’ny Fahasoavanao! Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Manam-pitiavana, Ilay Be Fiantrana Indrindra, Ilay Be Fangorahana, Ilay Mpanome, Ilay Mpamela heloka, Ilay Sarobidy, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.

Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nandidy ny olona Ianao hanaja ny vahininy ary izay niakatra ho any Aminao, marina tokoa, dia tonga hatrany Aminao ary nanatratra ny Fanatrehanao. Ataovy aminy, noho izany izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao. Noho ny Voninahitrao, mino marina aho fa tsy hanaisotra amin’izay nodidinao ho an’ny mpanomponao Ianao ary tsy handiso anjara ny Fanomezanao ho an’izay nifikitra tamin’ny rohim-pangorahanao sy nisandratra hatrany amin’ny Fiposahan’ny Harenao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tokana, Ilay tsy Manam-paharoa, Ilay Manampahefana, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay onena olona.

#9362
- Bahá'u'lláh

 

Ry Andriamanitro ô! O Ianao izay mamela heloka, izay mizara ny soa, izay manaisotra ny alahelo!

Marina tokoa, mitalaho Aminao aho mba hamela ny helok’ireo izay nandao ny akanjon’ny nofo ary nisandratra eny amin’ny tontolom-panahy.

Ry Tompo ô! Diovy noho ny fandikan-dalàna izy ireo, savao ny alahelony ary soloy hazavana ny haiziny. Aoka hiditra ao an-jaridainam-pahasambarana izy ireo, diovy amin’ny rano izay tena mangatsakatsaka izy ireo ary avelao izy ireo handinika ny Famirapiratanao eo amin’ny tendrombohitra ambony indrindra.

#9399
- `Abdu'l-Bahá

 

FAHAMARINANA

Lazao: Ry Andriamanitra ô! Ry Andriamanitro!

Ravaho ny satro-boninahitry ny fahamarinana ny lohako ary ravaho ny ravakin’ny fahitsiana ny tempoliko.

Ianao, marina tokoa, Ilay Tompon’ny fanomezana sy ny fahalalan-tanana rehetra.

#9358
- Bahá'u'lláh

 

Izy Ilay Mpanome, Ilay Onena olona!

Dera ho an’Andriamanitra, Ilay Fahagola, Ilay Mendrikaja mandrakizay, Ilay tsy miova, Ilay Maharitra mandrakizay! Izy, izay vavolombelon’ny maha-Izy Azy, izay marina tokoa fa Izy no Ilay Iray, Ilay Tokana, Ilay tsy refesi-mandidy, Ilay Ambony.

Vavolombelona isika fa marina tokoa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, miaiky ny maha- Tokana Azy, manaiky ny maha-Iray Azy. Hatrizay dia nonina tao amin’ny toerana avo tsy hay tomorina Izy, teo amin’ny tendron’ny Voninahiny, namasinina tamin’ny fanononana rehetra afa-tsy Izy irery ihany, lavitry ny famaritana hafa afa-tsy amin’ny Tenany ihany.

Ary rehefa nikasa haneho ny fahasoavany sy ny hatsaram-pony amin’ny olona Izy ary hanangana ny fandaminana eo amin’izao tontolo izao, dia nanambara didy sy namorona lalàna, anisan’izany, nanangana ny lalànan’ny fanambadiana Izy, nanao azy ho toy ny mandan’ny fiadanana sy famonjena, ary nandidy izany tamintsika ao amin’izay nampidinina avy eny an-danitry ny fahamasinana ao amin’ny Bokiny Tena Masina Indrindra. Hoy Izy – lehibe ny Voninahiny -: “Manambadia ianareo, ry vahoaka o, mba avy aminareo no hipoiran’izay hahatsiaro Ahy eo anivon’ny mpanompoko. Izany dia iray amin’ireo baikoko ho anareo, Ankatoavy izany mba ho fitahina ho anareo.”

#9359
- Bahá'u'lláh

 

FAMELAN-KELOKA

Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro ô sy Ilay Andriamanitr’izao rehetra izao, Voninahitro sy Ilay Voninahitry ny zavatra rehetra, Faniriako sy Ilay fanirian’ny zavatra rehetra, Heriko sy Ilay Herin’ny zavatra rehetra, Mpanjakako sy Ilay Mpanjakan’ny zavatra rehetra, Tanjoko sy Ilay Tanjon’ny zavatra rehetra, Mpampihetsika ahy sy Ilay Mpampihetsika ny zavatra rehetra! Mitalaho Aminao aho, aza avela ho lavitry ny Famindramponao feno fitiavana aho na ho esorinao lavitry ny moron-dranon’ny Fanakaikezanao.

Tsy misy hafa noho Ianao, ry Andriamanitro ô, no mahasoa ahy ary ny fanatonana akaiky ny hafa afa-tsy Ianao dia tsy misy ilako azy na dia kely akory aza. Mifona Aminao aho, noho ny habetsahan’ny harenao izay nahatonga Anao tsy hiankina amin’ny hafa afa-tsy Aminao ihany, mba hanisa ahy ho isan’ireo izay nampitodika ny endriny any Aminao sy nitsangana mba hanompo Anao.

Noho izany mamelà, ry Tompoko ô, ireo mpanompolahy sy mpanompovavinao. Marina tokoa fa Ianao Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay be Famindrampo tokoa.

#9339
- Bahá'u'lláh

 

Izaho, ry Andriamanitro, ilay izay nampitodika ny tavako eny Aminao sy nametraka ny fanantenako tao amin’ireo zava-mahagagan’ny Fahasoavanao sy ny fanambarana ny Fahalalan-tananao. Miangavy Anao aho, aza avela aho hanalavitra amim-pahadisoam-panantenana ny varavaran’ny Indrafonao ary aza mandao ahy eo am-pelantanan-ireo voaharinao izay nandà ny Fototrao.

Izaho, ry Andriamanitro, dia mpanomponao sy zanaky ny mpanomponao. Nahafantatra ny Fahamarinanao aho tamin’ireo Andronao, notarihako ny diako ho eny amoron’ny Firaisankinanao, nihaiky aho fa Irery sy Tokana Ianao ary nanantena ny Famelankelokao aho. Manana fahefana hanao izay fantatrao fa tsara Ianao; tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Be Voninahitra, Ilay Mpamindrafo mandrakizay.

#9340
- Bahá'u'lláh

 

Fantatro ry Tompo, fa ireo fahotako dia nandrakotra henatra ny tavako teo Anatrehanao, ary nampanjoko ny lamosiko teo Anoloanao, nanelanelana ahy sy ny Hatsaran-tarehinao, nihodidina ahy tamin’izay naleha rehetra, nanakana ahy avy amin’ny lafiny rehetra tamin’ny fahazoana ny fidirana amin’ny fanambarana ny Fahefan-danitrao.

Ry Tompo, raha tsy mamela ahy Ianao, iza indray no angatahana famelana, ary raha tsy mamindra fo amiko Ianao, iza no afaka ampiseho fangoraham-po? Voninahitra ho Anao, nahary ahy Ianao raha mbola tsy nisy akory aho ary novelominao aho raha mbola tsy nanana fahazoana akory. Dera anie ho Anao, ny porofom-pitiavana rehetra dia avy Aminao ary ny marikin’ny fahasoavana rehetra dia avy amin’ny harena sarobidin’ny Didinao.

#9317
- The Báb

 

Mangataka ny indrafonao aho, ry Andriamanitro, ary mitalaho ny famelanao araka ny fomba izay irinao itodihan’ireo mpanomponao any Aminao. Miangavy Anao aho mba hikosoka ny fahotanay araka ny Fiandriananao sy hamela ahy , ireo ray aman-dreniko, sy ireo izay, araka ny Fanombananao , tafiditra teo amin’ny fonenan’ny Fitiavanao tamin’ny fomba mendrika ny Fiandriananao ambony indrindra sy mifanaraka amin’ny voninahitry ny Fahefan-danitrao.

Ry Andriamanitro! Nomenao aingam-panahy ny fanahiko mba haneho Aminao ny fitalahoany, ary raha tsy Ianao, tsy ho niantso Anao aho; ho deraina sy homem-boninahitra Ianao; mankalaza Anao aho satria niseho tamiko Ianao; ary mangataka Aminao aho mba hamela ahy, satria tsy nahatanteraka ny andraikitro hahafantatra Anao ary tsy nandeha tamin’ny lalan’ny Fitiavanao.

#9318
- The Báb

 

Deraina anie Ianao, ry Tompo. Mamela ny helokay, mamindra fo aminay ary avelao izahay hiverina any Aminao. Sakano izahay tsy hiantehetra na amin’iza na amin’iza afa-tsy Aminao, ary omeo anay, amin’ny alalan’ ny Hatsaran-toetranao, izay tianao sy irinao ary izay mendrika Anao. Asandrato ny laharan’ireo izay tena nino ary mamela heloka azy ireo noho ny Famelanao be indrafo. Marina tokoa, Ianao Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.

#9319
- The Báb

 

Ry Andriamanitro, ry Tompoko, ry Mpampianatro! Miangavy Anao aho hamela ny heloko amin’ny fikarohako fahafinaretana hafa afa-tsy ny fitiavanao, fanohanana izay tsy ho eo akaiky Anao na fifaliana ankoatry ny fahafinaretanao, ny fiaimpiainana hafa tsy miray Aminao.

#9320
- The Báb

 

Ry Tompo mpamindra fo ô! Ianao no Fialofan’ny mpanomponao rehetra. Ianao mahalala ny tsiambaratelo ary ianao mahafantatra ny zavatra rehetra. Tsy manana ianteherana avokoa izahay, ary Ianao no Mahery Indrindra, Mahefa ny zavatra rehetra. Mpanota avokoa izahay, ary Ianao no Mpamela heloka, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.

Ry Tompo, aza mijery ny fahadisoanay. Ataovy aminay izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao sy ny Fahalalan-tananao. Maro ny fahadisoanay, fa tsy manam-petra ny ranomasimben’ny Famelan-kelokao. Lehibe ny fahalemenay, fa ny porofon’ny Fanohananao sy ny Fanampianao dia miharihary. Noho izany, hamafiso sy atanjaho izahay. Ataovy izay hanaovanay izay mendrika ny Tokonanao Masina. Hazavao ny fonay, omeo maso maranitra izahay sy sofina malady. Atsangano ny maty ary sitrano ny marary. Omeo harena ny mahantra ary omeo fitoniana sy fiarovana ireo be ahiahy. Ekeo ho ao amin’ny Fanjakanao izahay ary hazavao amin’ny fahazavan’ny Fitarihanao.

Ianao Ilay Manam-pahefana, Ilay Tsitoha. Ianao Ilay Malala-tanana. Ianao Ilay Malemy Fanahy. Ianao Ilay Be fitiavana.

#9378
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tsitoaha! Mpanota aho, nefa Ianao Ilay izay mamela heloka! Malemy aho eo anatrehan’ny fakampanahy, nefa Ianao Ilay izay Mpangoraka! Ao anaty aizim-piton’ny fahadisoana aho, nefa Ianao no fahazavan’ny famotsorana!

Ianao, ry Andriamanitra be fitiavana, mamela ny heloko, omeo ahy ny tolotrao, mamindra fo amin’ny fahadisoaka, aoka ho fialofako Ianao, asitrio ao amin’ny loharanom-paharetanao aho ary sitrano amin’ny fangirifiriana sy ny aretina rehetra.

Diovy aho ary atolory ahy ny fahamasinanao. Aoka mba handray anjara amin’ny firotsahan’ny fahamasinanao aho mba ho levona ny fahoriako sy ny alaheloko, hiova ho fifaliana sy fahatoniana ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana, hisolo herim-po ny ahiahy. Marina tokoa, Ianao Ilay mamela heloka, Ilay mpangoraka, Ianao ilay Onena olona, ilay malala.

#9379
- `Abdu'l-Bahá

 

FAMPIANARANA

Ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay Mpamorona ny Fanehoana rehetra, Loharanon’ny loharano rehetra, Fiandohan’ny Fanambarana rehetra sy Lohataonan’ny Fahazavana rehetra! Vavolombelona aho, fa noho ny Anaranao, ny lanitry ny fahatakarana dia noravahana, ny ranomasimben’ny fanambarana dia nisamboaravoara, ary ny fotoanan’ny Fitahianao dia nambara ampahibemaso tamin’ireo mpanara-dian’ny Finoana rehetra.

Mitalaho Aminao aho mba hampanan-karena ahy ka afaka hiala amin’ny zava-drehetra afatsy Ianao, ary tsy hiankina na amin’iza na iza afa-tsy Aminao ihany. Arotsahy amiko, noho izany, avy amin’ny rahon’ny Fanomezanao, izay mahasoa ahy ao amin’ny tontolo rehetran’ny Tontolonao. Ampio aho, noho izany, avy amin’ny Fahasoavanao mampatanjaka, mba hanompo tsara tokoa ny Fototrao eo afovoan’ireo mpanomponao, ahazoako maneho izay hahatonga ahy hotsarovana arakaraka ny faharetan’ny Fanjakanao sy ny Fiandriananao.

Ity ny mpanomponao, ry Tompoko ô, izay nampitodika ny tenany manontolo teny amin’ny faravodilanitry ny Fanomezanao, sy ny ranomasim-ben’ny Fahasoavanao, ary ny lanitry ny Fanomezanao. Ataovy amiko izay mifanentana amin’ny Fiandriananao, sy ny Voninahitrao, ary ny Fangorahanao sy ny Fahasoavanao.

Ianao, marina tokoa, Ilay Andriamanitry ny Tanjaka sy ny Fahefana, izay vonona hamaly ireo izay mivavaka Aminy. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.

#9355
- Bahá'u'lláh

 

O Ianao Andriamanitra Tsy manan-tsahala! Ianao, ry Tompon’ny Fanapahana! Ireto fanahy ireto no mandrafitra ny Tafiky ny lanitra. Ampio izy ireo ary, miaraka amin’ny andiany mponin’ny Lanitra, ataovy mpandresy izy ireo, ka ny tsirairay amin’izy ireo dia ho toy ny tafika, handrombaka ireo tany ireo noho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahazavan’ny fampianaran’Andriamanitra.

Ry Andriamanitra! Aoka Ianao ho Mpanohana sy Mpanotrona azy ireo, ary any an-tany efitra, any an-tendrombohitra, any an-dohasaha, any an’ala, any an-tsaha sy an-dranomasina, aoka Ianao ho Tokiny, ka mba ho re ny antsony noho ny fahefan’ny Fanjakana sy ny tsiokan’ny Fanahy Masina.

Marina tokoa, Ianao Ilay Manam-pahefana, Ilay Mahery, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ianao Ilay Hendry, Ilay Mahita sy Mandre.

#9386
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao aho amin’ny fanetren-tenako sy ny fahalemeko, sahirana manatanteraka asa lehibe indrindra, vonona hanandratra ny Teninao eo anivon’ny vahoaka ary hampiely ny Fampianaranao eo anivon’ny mponina. Ahoana no ahaizako hahomby amin’izany, raha tsy ampianao amin’ny tsiokan’ny Fanahy Masina, ome hay ny fandresena amin’ny alalan’ny tafiky ny Fanjakanao be voninahitra, arotsahy amiko ny Fanamafisanao, izay izany irery ihany no afaka hanova ny aloiloy ho voromahery, ny rano indray mitete ho renirano sy ranomasimbe, ny atoma ho fahazavana sy kintana mamirapiratra.

Ry Tompo ô! Ampio aho amin’ny Hery mpandresy sy mahobinao, ka amin’izay ny lelako dia afaka manonona ny Fideranao sy ny Hatsaranao eo anivon’ny mponina ary ny fanahiko mba ho diboky ny divain’ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao.

Marina tokoa, Ianao Manam-pahefana sy Mpanao izay Sitraponao ary ny Herinao dia mahenika ny zavatra rehetra.

#9387
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tompo ô! Ry Tompoko! Saotra ho Anao! Notarihanao teny amin’ny lalam-ben’ny Fanjakana aho, Navelano nandeha tamin’io lalana mahitsy sy lava io aho. Nazavainao ny masoko tamin’ny fandinihana ny fahazavana. Nampihainoanao ahy ny kalon’ny vorona ny fahamasinan’ny Fanjakan’ny zava-miafina, ary, noho ny fitiavanao, dia nosarihanao ny foko teo anivon’ireo olo-mahitsy.

Ry Tompo! Amafiso amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho mba ahazoako manambara ny Anaranao eo amin’ny firenena rehetra sy hilaza ny vaovao mahafalin’ny Fanehoana ny Fanjakanao amin’ny olombelona.

Ry Tompo! Malemy aho; noho ny Fahefanao, atanjaho aho. Miahotrahotra ny lelako, mamelà ahy hankalaza ny Fahatsiarovana sy ny Fiderana Anao. Manetry tena aho, omeo ahy ny voninahitra ho voaray ao amin’ny Fanjakanao. Lavitra Anao aho, avelao aho hanantona ny Tokonan’ny Famindramponao.

Ry Tompo! Ataovy ho toy ny jiro mamirapiratra sy kintana manjelanjelatra ary hazo voatahy milon-jehitra voa aho, ka ireo tahony dia hanitatra ny alokany eny amin’ny faritra rehetra.

Marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Mahaleo-tena.

#9388
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra ô! Andriamanitra! Hitanao aho raiki-pitia sy voasinton’ny Fanjakanao El-Abhá, miredaredan’ny afom-pitiavanao eo anivon’ny olona, manambara ny Fanjakanao ao amin’ireo firenena lehibe sy midadasika, tafasaraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Ianao, mandao ny fialan-tsasatra sy ny fiadanana, mametraka ny fitokisako Aminao.

Lavitra ny tany nihaviako, mpisava lalana any amin’ireo faritra ireo, mpivahiny eto amin’ity tany ity, mitsangana am-panetren-tena aho eo anoloan’ny Tokonanao Masina, manaiky ny Fanapahanao ambony indrindra, mitalaho Aminao ny hariva sy amin’ny misasak’alina, miantso Anao sy mitaraina Aminao marain-tsy hariva mba hanampy ahy amin’ny fanompoana ny Fototrao, ny fanapariahana ny Fampianaranao sy ny fankalazana ny Teninao manerana ny tany Atsinanana sy Andrefana.

Ry Tompo, atanjaho aho, amafiso ny fahafaha-manaoko ary ataovy mafy orina aho amin’ny fanompoana Anao; aza avela ho irery sy hiantehitra amin’ny tenako aho any amin’ireo firenena ireo.

Ry Tompo, miombona amiko amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ireo diako manerana ireo firenena hafa ireo.

Marina tokoa, manamarina izay tianao amin’izay irianao atao Ianao, ary marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

#9389
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra ô! Andriamanitro! Hitanao ny fahalemeko, ny fanadinoako ny tenako sy ny fanetren-tenako eo amin’ireo voaharinao, nefa napetrako Taminao ny fahatokiako ary mahatoky ny Fahefanao sy ny Herinao nitsangana aho mba hampiroborobo ny Fampianaranao eo amin’ireo mpanomponao tapa-kevitra.

Ry Tompo! Vorona tapak’elatra aho ary maniry fatratra hanidina eny amin’ny Habakabakao tsy misy fetra. Ataoko ahoana ny ho tonga amin’izany raha tsy noho ny Fitantananao sy ny Fahasoavanao, ny Fanamafisanao sy ny Fanampianao!

Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny fahalemeko ary amafiso aho noho ny Fahefanao.

Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny tsy fahafaha-manaoko ary ampio aho noho ny Herinao sy ny Fiandriananao.

Ry Tompo! Raha ny tsiokan’ny Fanahy Masina no manamafy ny olona faran’izay osa dia ho tonga eny amin’ny ambaratonga ambony indrindra izy ary hahazo izay iriany. Marina tokoa, Ianao, hatramin’ny taloha, dia nanotrona ny mpanomponao; faran’izay osa izy ireo, manetry tena indrindra sy tsinontsinona indrindra amin’ireo voaharinao tamin’ireo izay niaina teto an-tany; nefa noho ny Fanekenao sy ny Fahefanao, nahazo ny fahamboniana teo amin’ny vahoaka faran’izay be voninahitra sy olona faran’izay mendrin-kaja ireo mpanomponao ireo.

Raha noharina toy ny bibikely izy ireo taloha dia novaina ho voromahery; raha toy ny rano indray mitete izy ireo dia tonga ranomasimbe. Noho ny Tolotrao, ny Famindramponao sy ny Fitiavanao manan-daza, tonga kintana mamirapitratra eny amin’ny faravodilanitry ny Fitarihanao izy ireo, tonga vorona mikalo ao amin’ny tanin-draozin’ny fiainana mandrakizay, tonga liona mierona ao amin’ny alan’ny fahalalana sy ny fahendrena, ary tonga trozona milomano ao amin’ny ranomasimben’ny fiainana.

Marina tokoa, Ianao Ilay Malemy fanahy, Ilay Mahery, ary Ilay be indrafo amin’ireo be indrafo.

#9390
- `Abdu'l-Bahá

 

Dera ho Anao, ry Andriamanitro ô! Marina tokoa, ireto ny mpanomponao voasariky ny hanitry ny Famindramponao, miredareda amin’ny afo mirehitra eo amin’ny hazon’ny Firaisanao ary ny masony mamirapiratra mandinika ny fahazavana manjopika eo amin’ny Sinaï-n’ny maha-Iray Anao.

Ry Tompo, vahao ny lelany mba hankalazany Anao eo amin’ny vahoakanao, avelao hihira ny fiderana Anao izy ireo noho ny Fankasitrahanao sy ny Fahasoavanao, ampio izy ireo amin’ny tafik’ireo anjelinao, atanjaho izy ireo eo amin’ny fanompoana Anao ary ataovy ho famantarana ny Fitarihanao izy ireo eo anivon’ireo voaharinao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Tena ambony, Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo.

Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao ity voahary malemy izay mitalaho ny herin’ny Fanjakanao, ity olo-mahantra mitalaho Aminao mba hanome azy ny soan’ny lanitrao. Ity mangetaheta maniry fatratra hahita ny loharano izay hikorianan’ny ranon’ny fiainana mandrakizay, ity marary mangataka noho ny fangoraham-ponao tsy hita lany ny fahasitranana tanteraka izay natokanao manokana ho an’ireo mpanomponao voafidy ao amin’ny Fanjakanao faratampony.

Ry Tompo ô! Tsy manan-kianteherana afa-tsy Aminao aho, tsy manana mpampionona na mpiahy aho afa-tsy Ianao! Ampio amin’ireo anjelinao aho amin’ny fampielezana ny Hanitrao masina sy ny fanapariahana ny Fampianaranao eo amin’ny olom-boafidinao.

Ry Tompo ô! Aoka tsy hiraikitra amin’ny zavatra rehetra aho afa-tsy Aminao ary hifikitra mafy amin’ny rambon’akanjonao, aoka ho tso-po aho ao amin’ny Finoanao, ho mafy orina ao amin’ny Fitiavanao, ary ataovy izay hiainako mifanaraka amin’izay nolazainao tao amin’ny Bokinao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Matanjaka, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

#9391
- `Abdu'l-Bahá

 

FANAMBADIANA

“… ny fanambadiana bahá’í dia fifanekena eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary firaiketam-po sy saina. Ny tsirairay, na izany aza, dia tokony hitandrina fatratra mba hifankafantatra tsara amin’ny toetran’ny iray, ka ny fifanekena eo amin’izy ireo dia ho fifamatorana maharitra mandrakizay. Ny tanjon’izy ireo dia ity: ho lasa mpinamana feno fitiavana sy mpisakaiza ary ho an’ny iray ny tsirairay amin’ny fotoana rehetra sy ho mandrakizay”.

‘Abdu’l-Bahá.

Ny vavy sy ny lahy dia tokony hanonona tsirairay avy, eo anatrehan’ny vavolombelona farafaha-keliny roa izay eken’ny Antenimiera Am-panahy, araka izay voalaza ao amin’ny Kitáb-í-Aqdas (Ilay Boky Masina indrindra) :

“Marina tokoa, miankina amin’ny Sitrapon’Andriamanitra izahay”.

Izy no Andriamanitra! Ry Tompo Tapitr’ohatra ô! Ao amin’ny Fahendrenao faratampony, nandidy ny fanambadiana ho an’ny olombelona Ianao, mba hifandimbiasan’ny taranak’olombelona eto amin’ity tontolo fandalovana ity, ary ho mandrakizay, raha mbola haharitra ihany koa izao tontolo izao, hanokana ny tenany eo an-tokonan’ny Firaisanao izy rehetra, amin’ny fivavahana sy fankalazana, amin’ny fitsaohana sy fiderana. “Tsy namorona ny fanahy sy ny olona Aho afa-tsy ny hankalan’izy ireo Ahy” (*)

Amin’izany, hampiraiso, ao an-danitry ny Famindramponao, ireto vorona roa avy amin’ny ankanim-Pitiavanao ireto, ary ataovy fitaovana fisarihana ny Fahasoavanao mandrakizay izy ireo, mba ho avy amin’ny firaisan’ireo ranomasimben’ny fitiavana ireo, ny onjam-pitiavana dia afaka hipoitra sy hanipy, eny amoron-dranon’ny fiainana, ny vatosoan’ny vokatra madio sy tsara.

“Navelany malalaka mba hihaona ireo ranomasimbe roa ireo. Eo analanelan’izy ireo dia misy fetra izay tsy azon’izy ireo hihoarana. Inona avy amin’ireo soa avy amin’Andriamanitra no holavinareo? Avy amin’ny tsirairay amin’izy ireo dia namoaka vatosoa lehibe sy madinika Izy. (1)

O Ianao, Tompo Be Fitiavana! Aoka ho avy amin’ity fanambadiana ity no teraka ny vatosoa sy perla.

Ianao marina tokoa no Ilay Tsitoha, Ilay Lehibe Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva.

#9394
- `Abdu'l-Bahá

 

FANAMPIANA

Esory ny fahasahiranako noho ny Halemem-panahinao sy ny Fangorahanao, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô, ary foany ny famoizam-poko noho ny Fiandriananao sy ny Herinao. Hitanao aho, ry Andriamanitro ô! Ny endrika mibanjina Anao, amin’ny fotoana izay ihodidinan’ny alahelo ahy. Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Tompon’ny Voahary rehetra sy mpanome alokaloka ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita, noho ny Anaranao izay nambabo ny fo sy ny fanahin’ny olon-drehetra, ary noho ny halalin’ny ranomasimben’ny Famindramponao sy ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao, mba hanokana ahy ho isan’ireo izay tsy voasakan’inona na inona hanandratra ny endriny eny Aminao, ry Tompon’ny Anarana rehetra ô sy Mpamorona ny Lanitra rehetra.

Hitanao, ry Tompo ô, izay nihatra tamiko amin’izao Andronao izao. Mitalaho Aminao aho, noho Ilay Fiposahan’ny andron’ny Anaranao sy ny Toeram-pisehoan’ny Hatsaranao, mba handidy ho ahy izay ahazoana mitsangana hanompo Anao sy hanandratra ny Hatsaranao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra izay mamaly ny vavaky ny olon-drehetra.

Ary farany, mangataka Aminao aho, noho ny fahazavan’ny Endrikao mba hitahy ny asa aman-draharahako, hanafaka ny trosako ary ahafa-po ny filàko. Ianao Ilay namarinin’ny lela rehetra ny Fahefany sy ny Fanapahany, ary neken’ny fo mahatakatra rehetra ny Fiandrianany. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mandre sy vonona hamaly.

#9353
- Bahá'u'lláh

 

O Ianao, Izay ny Endrikao no fototry ny fiderako, ny Hatsaran-tarehinao no fialofako masina, ny Fonenanao no tanjoko, ary ny Fiderana anao no fanantenako, ny Fitahianao no mpiaradia amiko, ny Fitiavanao no antom-pisiako, ny Fanononana Anao no fampionononana ahy, ny Fanakaikezanao no faniriako, ny Fanatrehanao no faniriana mamiko indrindra sy fientanampoko ambony indrindra, miangavy Anao aho, mba tsy ho lavinao ho ahy izay nodidianao ho an’ny olom-boafidinao tamin’ireo mpanomponao. Vatsio aho amin’ny harenan’ity tany ity sy ny any an-koatra.

Ianao, marina tokoa no Ilay Mpanjakan’ny olon-drehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be Fiantra.

#9354
- Bahá'u'lláh

 

Aza esorina, ry Tompo ô, ny latabatrin’ny fanasana izay novelarina tamin’ny Anaranao ary aza vonoina ny lelafo mivaivay izay narehitra tamin’ny Afonao tsy mety maty. Aza sakanana tsy hikoriana ity ranon’aina avy Aminao ity, izay mibitsibitsika ny antsan’ny Voninahitrao sy ny Fahatsiarovanao, ary aza atao ho diso anjara amin’ny hanitra mamerovero izay nivoaka avy tamin’ny hanitrin’ny Fitiavanao ny mpanomponao.

Ry Tompo! Ovay ho fiadanana ny ahiahy mampahorin’ ny mpanomponao masina, ho fahasambarana ny zava-tsarotra manjo azy ireo, ho voninahitra ny fanetre-tenany ary ho fifaliana lebibe ny alahelony, ô Ianao izay mitana eo am-Pelatananao ny fanapahana ny olombelona rehetra.

Marina tokoa, Ianao Ilay Andriamanitra Tokana, Ilay tsy manam-paharoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa.

#9382
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tompo! Mahonena izahay, omeo ny Fahasoavanao; mahantra izahay, tolory anjara amin’ny ranomasimben’ny Harenao; sahirana izahay, omeo fahafaham-po; manetry tena izahay, omeo anay ny Voninahitrao. Ny vorona eny an-danitra sy ny bibidia eny an-tsaha dia mandray ny sakafony isan’andro avy Aminao ary ny manan’aina rehetra dia mandray ny Fikarakaranao sy ny Fitiavanao lehibe.

Aza manaisotra amin’ity osa ity ny Fahasoavanao mahagaga, ary noho ny Fahefanao, omeo ity fanahy tsisy manampy ity ny Fahasoavanao.

Omeo anay ny haninay isan’andro, ampitomboy ny Fahasoavanao amin’izay ilaina eo amin’ny fiainana, mba hahatonga anay tsy hiankina na amin’iza na amin’izao afatsy Ianao, sy hifandray tanteraka Aminao, sy handeha eo amin’ny Lalanao sy hanambara ny Misiterinao.

Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Andriamanitra fitiavana, Ilay Mpiahy ny olombelona rehetra.

#9383
- `Abdu'l-Bahá

 

Izy Ilay Mpangoraka! Ilay Malemy fanahy Indrindra!

Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao aho, fantatrao aho, Ianao no Fitodiako sy Fialofako. Tsy nisy notadiaviko sy hotadiaviko hafa afatsy Ianao; tsy nisy lalana hafa nodiaviko na hodiaviko afatsy ny lalan’ny Fitiavanao.

Tao anatin’ny alina maizin’ny fahadisoam-panantenana, nitodika ny masoko, eo am-piandrasana sy am-panantenana, any amin’ny marainan’ny Fitiavanao tsy manam-petra, ary raha vao mangirandratsy, ny fanahiko sasatra dia novelombelomina sy nahazo hery tamin’ny fahatsiarovana ny Fahatanterahanao sy ny Hatsaranao. Ireo izay nampiana tamin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao, na dia toy ny rano indray mitete aza, dia ho tonga ranomasimbe tsy manam-petra ary ny ataoma faran’izay bitika indrindra aza, izay nampian’ny tosaky ny Fitiavanao, dia hamirapiratra toy ny kintana manjelanjelatra.

O Ianao Ilay Fanahin’ny fahadiovana, Ianao Ilay Mpanome, Ilay Be fangorahana, alofy eo ambany Fiarovanao ny mpanomponao mafàna fo sy mankatò. Ampio izy eto amin’ity tanim-pahavelomana ity, hitoetra mafy sy matotra amin’ny Fitiavanao, ary avelao ity vorona tapak’elatra ity mba hahita fialofana sy fierena ao amin’ny Ankanin-danitrao mitoetra eo amin’ny hazon’ny lanitra.

#9384
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tompo ô, Andriamanitro sy fiereko ao anaty ny fijaliako. Ampingako sy fialofako ao anaty ny fahoriana! Fiarovako sy fisitrihako ao anaty ny fotoan-tsarotra ary Mpiaradia amiko amin’ny fitokanako! Fiononako amin’ny fanahiako ary Sakaizako feno fitiavana ao amin’ny fanireriko! Ilay Mpanamaivana ny fanaintainan’ny alaheloko sy Mpamela ny fahotako!

Mitodika tanteraka Aminao aho, mitalaho fatratra Aminao, amin’ny foko manontolo, ny fanahiko sy ny lelako, mba hiaro ahy amin’izay rehetra mifanohitra amin’ny Sitraponao, amin’izao tsingerin’ny Maha-Iray Anao izao, ary mba hanadio ahy amin’ny loto rehetra izay mety hisakana ahy hitady, amin’ny fo madio tsy misy pentina, ny aloky ny hazon’ny Fahasoavanao.

Hiantrao ny osa, ry Tompo o, sitrano ny marary ary toneo ny hetaheta mivaivay.

Ampifalio ny tratra izay mikotrika ny afon’ny Fitiavanao ary ampireheto izy amin’ny lelafon’ny Fitiavana sy ny fanahin-danitrao.

Tafio amin’ny akajom-pahamasinanao ny taberinakelin’ny Maha-Iray Anao ary apetraho eo amin’ny lohako ny satroboninahitry ny Fahasoavanao.

Hampamirapirato ny tarehiko amin’ny famirapiratrin’ny kintan’ny Hatsaranao, ary amin-katsaram-panahy, ampio aho hanompo eo an-Tokonanao masina.

Aoka ny foko ho tondraky ny fitiavana an’ireo Voaharinao ary aoka aho ho tonga famantarana ny Famindramponao, tandindon’ ny Fahasoavanao, mpitondra fihavanana eo amin’ireo Olon-tianao, hanokan-tena ho Anao, hanonona ny Fahatsiarovanao ary hanadino ny tenako fa kosa hitandrina mandrakariva izay Anao.

Ry Andriamanitra, Andriamanitro! Aza avela ho lavitry ny tsio-drivotra malefaky ny Famelanao sy ny Fahasoavanao aho ary aza manaisotra amiko ny loharanon’ny Fanampianao sy ny Fahasoavanao.

Eo ambany elatry ny Fiarovanao, aoka ho ankaniko ary atidiho amiko ny topimaso ny Fanaraha-masonao.

Vahao ny lelako mba hiderako ny Anaranao eo anivon’ny Vahoakanao, mba hisandratra ny feoko ao amin’ny fivoriambe ary mba hivoaka avy amin’ny molotro ny tosaky ny fiderana Anao.

Ianao, marina tokoa, Ilay Be fitiavana, Ilay Omem-boninahitra, Ilay Mahery, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

#9385
- `Abdu'l-Bahá

 

FANGATAHAM-PAHASITRANANA

Ny Anaranao no fahasitranako, ry Andriamanitro ô, ary ny fahatsiarovana anao no fanafodiko. Ny eo akaikinao no fanantenako, ary ny fitiavako Anao no namana tsy mahasaraka ahy. Ny famindramponao amiko no fahasitranako sy fiankinako amin’ity tontolo ity sy any amin’ny tontolo ho avy. Ianao, marina tokoa, Ilay be Famindrampo indrindra, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.

#9341
- Bahá'u'lláh

 

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Mangataka Aminao aho, noho ny ranomasimben’ny Fanasitrananao, noho ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Fahasoavanao, noho ny Anaranao izay mandresy lahatra ny mpanomponao, noho ny hery mahasinton’ny Teninao be Voninahitra indrindra, noho ny herin’ny Peninao mendrikaja indrindra, ary noho ny Famindramponao izay nialoha ny fahariana ireo izay any an-danitra sy ety an-tany, mba hanadio ahy amin’ny ranon’ny Hamoramponao amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra, ny fahalemena sy ny fahosana rehetra.

Hitanao, ry Tompoko ô, ny mpitalaho Aminao miandry eo am-baravaran’ny Famindramponao, izay nametraka ireo fanantenany Taminao mifikitra amin’ny tadim-pangorahanao. Mitalaho Aminao aho, aza lavina ho azy izay iangaviany amin’ny Ranomasimben’ny Fahasoavanao sy ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao feno fitiavana.

Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Onena olona Indrindra.

#9342
- Bahá'u'lláh

 

Ianao, ry Andriamanitro ô, no Ilay izay ny Anarany no mitondra fahasitranana ho an’ny marary, fahatomombanana ho an’ny kilemaina, rano fisotro ho an’ireo mangetaheta, fahatoniana ho an’ny ory, fitarihana ho an’ny diso lalana, fisandratana ho an’izay ambaniana, harena ho an’ny mahantra, fahazavana ho an’ny tsy ampy fahalalana, hazavana ho an’ireo kivy, hafanana ho an’ny mangatsiaka ary fisandratana ho an’ny ampahoriana. Noho ny Anaranao, ry Andriamanitro ô, taitra ny zavaboahary rehetra, nisokatra ny lanitra, nohariana ny tany, nasandratra ny rahona ary natao hitondra orana amin’ny tany. Izany marina tokoa no antoky ny Fahasoavanao amin’ireo voaharinao rehetra.

Izany no hitalahoako Aminao, noho ny Anaranao, izay nampisehoanao ny maha-Andriamanitra Anao sy nanandratanao ny Fototrao ambonin’ny zava-boahary rehetra, ary noho ny Anaram-boninahitrao tsirairay tsara indrindra sy ny Toetranao mendrika indrindra, ary noho ny Hatsaram-panahy rehetra izay hanandratana ny maha-Andriamanitra ambony sy avo indrindra Anao, mba hampidina amin’izao alina izao, avy amin’ny rahon’ny Famindramponao ny ranonoram-panasitrananao, amin’ity zazakely ity, izay nampifandraisinao tamin’ny Tenanao be voninahitra, ao amin’ny fanjakan’ny Voarinao. Noho ny Famindramponao, ry Andriamanitro ô, tafio ny akanjom-pahasalamana sy ny fahasitranana izy, ary arovy izy, ry Malalako ô, amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra ary amin’izay rehetra tsy ankasitrahanao. Ny Fahefanao, marina tokoa, dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.

Ianao marina tokoa Ilay Tsitoha, Ilay Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany.

Omeo azy an-koatra izany, ry Andriamanitro ô, ny tsara amin’ity tany ity sy ny any ankoatra ary ny soa an’ny taranaka taloha sy ho avy. Ny Herinao sy ny Fahendrenao, marina tokoa, dia ahafahanao manatanteraka izany.

#9343
- Bahá'u'lláh

 

Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay namelombelona ny mpanomponao sy nanangana ny tanànanao, noho ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ireo fiantsoana Anao Mendrika Indrindra, mba hanampy ny vahoakanao hampitodika ny lalany eny amin’ireo fahasoavanao tsy tambo isaina, hampitràka ny endriny eny amin’ny tabernakelin’ny Fahendrenao. Sitrano ny aretina izay mamely ny fanahy hatraiza hatraiza sy nisakana azy hampihodina ny fijeriny any amin’ny Paradisa miorina eo amin’ny aloky ny Anaranao Mpiaro izay nodidinao ho Mpanjakan’ny Anarana rehetra ho an’ny mponina any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Eo am-pelatananao no misy ny fanapahan’ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Hendry.

Voahary mahantra aho, ry Tompoko ô; mifikitra amin’ny moron’ny harenao aho. Marary mafy aho ary mifikitra mafy tokoa amin’ny rohim-panasitrananao. Noho ny Famelanao heloka sy ny Fangorahanao, esory amin’ny fangirifiriana izay mamatotra ahy aho, diovy tanteraka amin’ny ranom-Pahasoavanao sy ny famindramponao ary tafio ny akanjom-pahasitranana. Ampifantohy Aminao ny masoko ary aza avela hanana firaiketana amin’izay tsy Ianao aho. Ampio aho hankato izay fanirianao sy hanatontosa izay sitrakao.

Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompon’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy. Ianao marina tokoa Ilay Mamela heloka mandrakariva, Ilay be indrafo.

#9344
- Bahá'u'lláh

 

FIAROVANA

Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay, tamin’ny teny indraim-bava monja, nampisafotofoto ny zavaboahary rehetra ary, tamin’ny tsipikin’ny penina iray, nampisaraka ny mpanomponao teo amin’izy ireo avy. Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa amin’ity Fanambarana ity, amin’ny teny indraim-bava avy Aminao, ny zavaboahary rehetra nohariana dia natokana ho simba, ary amin’ny teny indraim-bava iray hafa, izay rehetra nofidianao, noho ny Fahasoavanao sy ny Fangorahanao, dia nahazo fiainam-baovao.

Noho izany, misaotra Anao aho, ary midera Anao amin’ny anaran’ireo olona maminao, noho ny namelomanao azy ireo indray tamin’ny herin’ny rano mamelombelona izay niboiboika avy tamin’ny loharanon’ny Sitraponao. Satria novelominao izy ireo, noho ny hatsaran-toetranao lehibe, aoka izy ireo noho ny Hatsaram-panahinao, ry Andriamanitro ô, ho voatarika noho ny Sitraponao, ary satria navelanao izy ireo hiditra ao amin’ny taberinakelin’ny Fototrao, aoka izy ireo, noho ny Fahasoavanao, mba tsy hitoetra lavitra Anao.

Sokafy ao am-pony àry, ry Andriamanitro ô, ny varavaran’ny Fahalalanao mba hanekeny Anao ho Ilay saro-takarina sy tsy takatry ny fahalalan’ny zavaboahary, Ilay izay tena avo tokoa mihoatra ny ezakin’ny mponina hahita ny toetranao, ary mba tsy hanarahany ireo mpisoloky be tabataba rehetra izay mihevi-tena fa miteny amin’ny Anaranao.

Aoka izy ireo, ry Tompoko ô, ho afaka hifikitra am-pikirizana fatratra amin’ny Fototrao, mba tsy ho taitra manoloana ireo fanaratsiana an-kolaka izay mampikorontana ataon’ireo, izay entin’ny fanirian’ny tenany manokana, manonona izay nandraràna azy ireo tao amin’ny Takelakao sy ny Soratrao.

Fantatrao, ry Andriamanitro ô, fa mahare ny vovoan’ny amboadia aho izay miseho amin’ny fitafian’ny mpanomponao. Arovy àry ny olon-tianao amin’ny asa ratsin’izy ireo ary ataovy izay hifikirany fatratra amin’izay nasehonao ao amin’ity Fanambarana ity, izay tsy misy na dia iray aza afaka nihoatra izany noho ny Fahalalanao avy any an-danitra.

Atokany ho azy ireo, ry Andriamanitro ô, izay mety hahasoa azy. Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Fahalalanao mba ahazoany mahita miavaka tsara ny Fahambonianao eo amin’ny zavatra rehetra, ny Famirapiratrao eo amin’ireo voaharinao sy ny Fandresenao eo amin’ireo rehetra any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay tena be Voninahitra izay italahoan’ ny olon-drehetra famonjena.

Deraina anie Ianao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fahariana rehetra.

#9345
- Bahá'u'lláh

 

Fo mangatsiaka firifiry, ry Andriamanitro, no niredareda tamin’ny afon’ny Fototrao ary fanahy sondriana firifiry no nifoha tamin’ny antso malefakin’ny Feonao! Marobe ireo vao tonga izay nitady fialofana eo amin’ny aloky ny Firaisanao ary ireo mangetaheta izay naniry, amin’ity andro ity, izay Andronao, ny loharanon’ny Ranonao mamelombelona!

Voatahy izay nitodika tany Aminao sy nihazakazaka hanatratra ny Kintana Marainan’ny fahazavan’ny Endrikao. Voatahy izay nampitodika ny firaiketam-pony eny amin’ny Somambisambin’ny Fanambaranao sy ny Loharanon’ny Tsindrimandrinao. Voatahy izay nandany teo amin’ny Lalanao izay natolotrao azy noho ny Fanomezanao sy ny Famindramponao. Voatahy izay nandà izay rehetra tsy Ianao, tao anatin’ny faniriana maharary hiantoraka Aminao. Voatahy izay nanana fiombonam-po lalina Taminao ka namaha ny fatorana rehetra na amin’inona na amin’inona, afatsy Aminao.

Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, noho Ilay izay Anaranao sy Ilay izay nisondrotra eny ambonin’ny vodilanitry ny tranomaiziny, noho ny herin’ny Fiandriananao sy ny Fahefanao, mba handidy ho an’ny tsirairay ny zavatra izay mendrika ny Fahalehibiazanao.

Marina tokoa, ny Herinao dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.

#9346
- Bahá'u'lláh

 

Deraina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Ity ny mpanomponao izay nisotro avy tamin’ny tanam-pitiavanao ny divain’ny Famindramponao ary nanandrana ny tsiron’ny Fitiavanao ao amin’ireo Andronao. Mitalaho Aminao aho, noho ny fanehoana ny Anaranao, izay tsy misy alahelo afaka misakana ny fifaliana ao amin’ny fitiavanao na ny fandinihana ny Endrikao, ary izay tsy misy tompon’ny fiahiahiana hanan-kery hampiodina amin’ny lalan’ny Fahafinaretanao, mba hitalaho aminy ny harena tsara izay anananao ary hanandratra Azy amin’ny toerana ambony ka hijereny izao tontolo izao ho toy ny aloka izay hanjavona haingana kokoa noho ny indray mipi-maso.

Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, noho ny fahefan’ny Fiandriananao tsy hita lany, amin’ireo rehetra izay ankahalainao. Ianao, marina tokoa, no Tompony sy Tompon’izao tontolo izao.

#9347
- Bahá'u'lláh

 

Tariho, Andriamanitra, ireo mpanomponao hatrany androvan’ny Fahasoavanao sy ny Fitiavanao ary aoka tsy ho diso anjara amin’ireo zava-mahagagan’ny Fitiavanao sy ny habetsahan’ny tsodranonao.

Satria tsy fantatr’izy ireo izay atokan’ny Famindramponao manerana ny fahariana rehetra. Izy ireo, ry Tompo, dia malemy sy tsy manan-kery raha jerena ivelany, ary ao anaty dia olo-mahantra ihany koa. Ianao ilay Tena tsara, ilay Be Fitiavana, Tena Mendrika, Tena Lehibe. Aza mampihatra amin’izy ireo, ry Andriamanitro, ny hamafin’ny fahatezeranao, sakano izy ireo amin’ny lalan’ny ratsy ambara-pisehoan’ireo zava-mahagagan’ny Indrafonao mba ho afaka hiverina Aminao sy hangataka famelana ireo fahadisoana izay vitany taminao. Satria ianao marina tokoa, ilay Malemy Fanahy, ilay Tena be indrafo.

#9348
- Bahá'u'lláh

 

Ry Tompoko ô! Fantatrao fa voahodidin’ny fijaliana sy ny lozabe ny olombelona, ao anaty zava-tsarotra sy fikorontanana. Ny fitsapana rehetra dia samy mamely ny olona ary ny fahoriana mahamay rehetra dia manafika azy toy ny fanafihan’ny menarana. Tsy misy fialofana sy fierena ho azy afa-tsy eo ambany elatry ny Fiarovanao, ny Fiahianao, ny Fiambenanao sy ny Fikarakaranao.

O Ianao Ilay Be indrafo! Ry Tompoko ô! Aoka ny Fiarovanao ho fiarovan-tenako, ny Fiahianao ho ampingako, ny fanetren-tenako eo anatrehan’ny varavaran’ny Maha iray Anao ho fiarovako, ary ny Fikarakaranao sy ny Fiarovanao ho mandako sy fonenako. Arovy amin’ny fitiavan-tena sy ny faniriana aho ary ambeno amin’ny aretina, ny fitsapàna, ny fahasahiranana sy ny fahoriana rehetra.

Ianao, marina tokoa, Ilay Mpiaro, Ilay Mpiambina, Ilay Mpiahy, Ilay ampy tokoa, ary Ianao marina tokoa Ilay Mpamindra fo amin’izay Be Indrafo Indrindra.

#9380
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra Mpangoraka! Fisaorana no atolotra Anao, satria nanaitra sy nampahatsiaro tena ahy Ianao. Nomenao maso mahiratra aho sy sofina malady. Notarihinao amin’ny Lalanao aho ary notantananao ho eny amin’ny Fanjakanao. Nampisehoanao ahy ny lalana mahitsy ary nampidirinao ao amin’ny Sambo Fiaran’ny Famonjena aho.

Ry Andriamanitra o! Ataovy izay haharetako, sy hahamafy orina ahy sy hanolorako tena. Arovy amin’ny fitsapana mahamay aho, ary arovy sy alofy aho ao amin’ny manda voaaro mafin’ny Fanekenao sy ny Testamentanao. Ianao Ilay Mahery, Ianao Ilay mahita. Ianao Ilay mandre.

O Ianao Andriamanitra mpangoraka! Omeo fo, toy ny kristaly, aho izay mety hohazavaina amin’ny fahazavan’ny Fitiavanao ary omeo fisainana izay afaka manova ity tontolo ity ho zaridainan-draozy avy amin’ny firotsahan’ny fahasoavan’ny lanitra.

Ianao Ilay Mpangoraka, Ilay Be Indrafo. Ianao Ilay Andriamanitra lehibe mpanome soa.

#9381
- `Abdu'l-Bahá

 

FIDERANA

Ry Andriamanitro, Deraiko Indrindra, Mpanjakako, Faniriako! Amin’ny fiteny toy inona no ahafahanan’ny feoko maneho fisaorana Anao? Tsy manahy na inona na inona aho, dia nofohazinao. Nihodina taminao aho, dia nampianao tamim-kalemempanahy hitodika any Aminao. Toy ny efa maty aho, dia novelominao tamin’ny ranon’ny Fiainana. Mangozohozo aho, dia novelominao tamin’ny onja-danitrin’ny Teninao izay nitosaka avy amin’ny Penin’Ilay tena be Indrafo.

Ry Fitondran’ny Lanitra ô! Ny fisiana rehetra dia ateraky ny Hamoramponao; aza atao diso anjara amin’ny ranon’ny Fangorahamponao ary aza halavitina azy ny ranomasomben’ny Indrafonao. Mitalaho Aminao aho, mba hitahy ahy sy hanampy ahy amin’ny fotoana rehetra sy ny fepetra rehetra, ary mikatsaka amin’ny lanitry ny Fahasoavanao ny Tombotsonao fahagola aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompo feno Halemen-panahy sy Ilay Andrian’ny Fanjakan’ny mandrakizay.

#9327
- Bahá'u'lláh

 

Ny fiderana rehetra anie ho Anao, ry Andriamanitro ô, izay loharanon’ny voninahitra rehetra sy ny fiandrianana, ny fahalehibeazana sy ny haja, ny fanapahana sy ny fanjakana, ny fisandratana sy ny fahasoavana, ny fahagagana sy ny fahefana. Mitarika izay tianao Ianao ho any amin’ny Ranomasimbe Lehibe Indrindra, ary hanome ho an’izay tianao omena voninahitra hahafantatra ny Anaranao Fahagolantany. Amin’ireo rehetra izay any an-danitra sy eto an-tany, tsy misy na dia iray aza afaka hanohitra ny asan’ny Sitraponao feno fanapahana. Hatry ny fahagola nanapaka izay noforonina rehetra Ianao, ary hanohy mandrakizay ny fampiasana ny Fanapahanao amin’ny zavaboahary rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Ambony Indrindra, Ilay Manampahefana, Ilay Hendry tokoa.

Hazavao, ry Tompo, ny endriky ny mpanomponao mba ahazoany mibanjina Anao; ary diovy ny fony mba hitodihany any amin’ny lapan’ny Fahasoavan-danitrao ary miaiky Ilay Fanehoana Anao ihany sy ny Fiposaky ny Andron’ny maha-izy azy Anao. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mpanjakan’izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay tsy refesi-mandidy.

#9328
- Bahá'u'lláh

 

Lazao: Voninahitra ho Anao izay nahatonga ny olona masina rehetra hiaiky ny fahalemeny eo anatrehan’ireo fanehoana ny Fahefanao marobe, ary ny tsirairay amin’ireo Mpaminany hahafantatra fa tsinontsinona izy eo anatrehan’ ny famirapiratan’ny Voninahitrao tsy manam-piovana.

Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nanokatra ireo varavaran’ny lanitra sy nampitafotafo ny hafalian’ireo mponina any an-danitra, mba hamela ahy ho mendrika ny hanompo Anao amin’izao andro izao ary mba hanomezanao ahy hery hanatanterahako ny fitsipikin’ny Bokinao.

Fantatrao, ry Tompoko o, izay ao amiko fa izay ao Aminao kosa dia tsy fantatro.

Ianao Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra.

#9329
- Bahá'u'lláh

 

Ankalazaina anie ny Anaranao, ry Tompo Andriamanitro! Ianao Ilay ankalazain’ny zavatra rehetra ary tsy mankalaza na inona na inona, Ilay Tompon’ny zavatra rehetra ary tsy eo ambany fahefan’iza na iza, Ilay mahalala ny zavatra rehetra ary tsy fantatr’iza na iza. Naniry hanao izay ahafantaran’ny olona Anao Ianao, noho izany, avy tamin’ny tenin’ny Vavanao iray, nampisy ny zava-boahary Ianao ary namolavola izao tontolo izao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpamolavola, Ilay Mpamorona, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahery indrindra.

Mitalaho Aminao aho, noho ilay teny izay namirapiratra teny amin’ny vodilanitrin’ny Sitraponao, mba hamela ahy hisotro ny halalin’ny ranon’aina izay namelombelona ny fon’ireo olom-boafidinao sy namelombelona ny fanahin’ireo izay tia Anao, mba ahazoako, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fepetra inona, hampitodika ny endriko iray manontolo eny Aminao.

Ianao ilay Andriamanitrin’ny hery, ny voninahitra sy ny fahalala-tanana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Mpandahatra faratampony, Ilay Be voninahitra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.

#9330
- Bahá'u'lláh

 

Deraina anie Ianao, ry Tompo Andriamanitro! Manolotra fisaorana ho Anao aho noho ny namelanao ahy hahafantatra ny Fanehoana ny Tenanao, sy noho ny nanavahanao ahy tamin’ireo fahavalonao; nampiharihary teo imasoko ny zava-dratsy ataony sy ny haratsim-panahiny amin’izao andronao izao, ary noho nanafahanao ahy tamin’ny firaikena tamin’izy ireo ary nahatonga ahy hitodika tanteraka eny amin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao. Misaotra Anao ihany koa aho noho ny nampidinanao teo amiko, avy amin’ny rahon’ny Sitraponao, izay nanamasina ahy ho voaaro tamin’ny filazan’ireo tsy mahatoky sy ny tondromolotr’ireo tsy mpino ka nampiorina mafy ny foko Taminao sy nampandositra ahy lavitra an’ireo izay nandà ny hahafantatra ny fahazavan’ny Tavanao. Mbola misaotra Anao aho noho ny nanomezanao hery ho mafy orina eo amin’ny fitiavanao, hanambara ny fiderana Anao sy hanandratra ny Hatsaranao, ary noho ny nampisotroanao ahy tamin’ny kapoaka ny Famindramponao izay mihoatra ireo zavatra rehetra hita sy tsy hita maso.

Ianao Ilay Mahery indrindra, Ilay Ambony indrindra, Ilay Be-voninahitra indrindra sy Ilay Be-fitiavana indrindra.

#9331
- Bahá'u'lláh

 

Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitra. Ianao marina tokoa no Tomponay. Hainao avokoa izay rehetra ao an-danitra sy eto an-tany. Koa noho izany, ampidino aminay ny mariky ny Famindramponao. Marina tokoa, mihoatra ireo rehetra be famindram-po Ianao. Ny dera anie ho Anao, ry Tompo. Didio ho anay eo anatrehanao izay hampafana ny fon’ireo marina eo amin’ireo mpanomponao. Ankalazaina ny lanitra sy ny tany sy ireo rehetra eo anelanelan’izy ireo. Ianao Ilay Tompo Andriamanitra, Tena Masina, Tsitoha, Tena Hendry. Deraina anie ny Anaranao, ry Andriamanitro, eo amin’ny Fanatrehanao, omeo ho an’ireo izay mino an’Andriamanitra sy ny famantarana Azy, ny fanampiana mahery izay hahazoany mifanandrina amin’ny olona rehetra

#9313
- The Báb

 

Deraina sy omem-boninahitra anie Ianao, ry Andriamanitra! Aoka ho avy haingana ny andro izay anatratrarana ny fanatrehanao masina. Ampifalio ny fonay amin’ny herin’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara ary omeo anay ny fahamatorana mba hahafahanay manaiky an-tsitrapo ny Sitraponao sy ny Didinao. Marina tokoa, ny Fahalalanao dia mandrakotra ny zavatra noharianao sy hoharianao rehetra ary ny Fahefan-danitrao dia mihoatra noho ny an’izay nantsoinao sy izay hantsoinao ho amin’ny fisiana. Tsy misy ho tompoina afa-tsy Ianao, tsy misy hiriana afa-tsy Ianao, tsy misy ho deraina afa-tsy Ianao ary tsy misy ho tiavina afa-tsy ny Sitraponao tsara.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanapaka ambony indrindra, Ilay Fahamarinana ambony indrindra, Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.

#9314
- The Báb

 

Amin’ny Anaran’Andriamanitra, Ilay Avo indrindra! Deraina sy omem-boninahitra Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra! Ianao izay, eo anatrehan’ny Fahendrenao, ny hendry dia niondrika sy tsy nahomby; eo anatrehan’ny Fahalalanao, niaiky ny tsy fahalalany ny olona manam-pahaizana; eo anatrehan’ny Herinao, manjary osa ny matanjaka; eo anatrehan’ny Harenao, manamarina ny fahantrany ny mpanankarena; eo anatrehan’ny Fahazavanao, very ao anaty haizina ny olona mazava, eny amin’ny taberinakelin’ny Fahalalanao no mitodika ny fototry ny fahafantarana rehetra ary mihodidina ny toerana masin’ny Fanatrehanao ny fanahin’ny olombelona rehetra.

Ataoko ahoana no iderako sy anambarako ny Foto-pisinao izay tsy takatry ny fahendren’ny hendry na ny fahaizan’ny manam-pahaizana – toy ny tsy isian’ny olona na iza na iza afaka hidera izay tsy fantany na hitantara izay tsy takany -nefa Ianao, hatrizay hatrizay dia Ilay Tsy tratra, Ilay tsy takatrin’ny saina.

Tsy manankery aho hisondrotra hatrany amin’ny lanitrin’ny Voninahitrao sy hanidina any amin’ny fanjakan’ny Fahalalanao, ny hany afaka tantaraiko dia ny Famantaranao izay manambara ny Asa-tananao be voninahitra.

Noho ny Voninahitrao, ry Malalan’ny fo rehetra ô! Ianao irery ihany no afaka mampitony ny fanaintainan’izay maniry Anao. Na hiray hina aza ny mponina rehetra any an-danitra sy ety an-tany mba hanome voninahitra ny kely indrindra amin’ny Famantaranao noho ny nanehoanao ny Tenanao, dia tsy nahomby izy ireo, mainka fa hidera ny Teninao masina, ilay mpamorona ireo Famantaranao rehetra.

Ho Anao ny dera sy ny voninahitra rehetra, Ianao izay nanamarinan’ny zava-drehetra fa Iray Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao izay hatrizay dia nasandratra ambonin’ny fitoviana sy tsy fihavahana ary hijanona ho toa izany mandrakizay. Ny mpanjaka rehetra dia tsy inona fa mpanomponao ary ny fisiana rehetra, na ny hita na ny tsy hita dia tsinontsinona eo anatrehanao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Be indrafo, Ilay Mahery indrindra, Ilay Avo indrindra.

#9371
- `Abdu'l-Bahá

 

FIRAISANKINA

Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro ô! Ampiraiso ny fon’ny mpanomponao ary ambarao azy ireo ny Fikasanao lehibe. Aoka izy ireo mba hanaraka ny Didinao sy hankato ny Lalànao! Ampio izy ireo, ry Andriamanitro ô, amin’ny fihezahany ary tolory azy ny hery hanompoany Anao. Andriamanitra ô! Aza mandao azy ho irery, ary noho ny fahazavan’ny Fahalalanao tariho ny diany, ary noho ny Fitiavanao ampifalio ny fony. Marina tokoa, Ianao no Mpanampy azy ireo sy Tompony.

#9356
- Bahá'u'lláh

 

Anao ny voninahitra, ry Andriamanitro ô, ary Anao ny laza, ry Tompoko ô!

Mangataka Aminao aho, noho ny Anaranao izay maneho ny Fahefanao sy ny Herinao, mba hanadio ny fitaratry ny fon’ny mpanomponao amin’ny loton’ny fisalasalana sy ny tsy fahazoana antoka, ary hitarika ny fanahy diso lalana eny amin’ny Fahazavanao, mba ahazoany mahafantatra ny Firaisanao sy anekeny ny maha-Iray Anao.

Ry Andriamanitro ô, tsy misy fialofana afa-tsy ao Aminao, ary tsy misy lalana hafa izay mankany amin’ny Fonenanao. Rehefa mianatra mahafantatra Anao ny vahoakanao, ry Andriamanitro ô, dia tsy hiala amin’ny lalanao izy. Ampio izy haharitra sy ho mahatoky, rehefa mankany Aminao, mba hahazoany ho tonga any amin’ny Fanjakanao ary hanantanteraka ny Sitraponao.

Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Be Indrafo.

#9357
- Bahá'u'lláh

 

Ry Andriamanitro ô! Ry Andriamanitro! Marina tokoa, miantso Anao aho sy mitalaho eo an-Tokonanao masina, mangataka Aminao mba hampidina ny Fahasoavanao rehetra amin’ireto fanahy ireto. Tendreo manokana izy ireo mba handray ny Fankasitrahanao sy ny Fahamarinanao.

Ry Tompo! Ampiraiso sy ampifamatory ireo fo, ampifanaraho ireo fanahy, ary ampiredaredao ireo fanahy avy amin’ireo marikin’ny Fahamasinanao sy ny maha’Iray Anao. Ry Tompo! Aoka ho miramirana ireo endrika ireo amin’ny fahazavan’ny Firaisanao. Atanjaho ny valahan’ireo mpanomponao amin’ny fanompoana ny Fanjakanao.

Ry Tompo, Ianao Ilay Tompon’ny famindrampo tsy hita lany. Ry Tompon’ny famelan-keloka sy ny indrafo! Mamelà ny helokay sy ny fahadisoanay ary ataovy izay itodihanay eny amin’ny fanjakan’ny Famindramponao, miantso ny fanjakan’ny fahefana sy ny hery, manetry tena eo anatrehan’ny Fitoeranao masina ary mankatò eo anatrehan’ny voninahitry ny Fanamarinanao.

Ry Tompo Andriamanitra! Ataovy toy ny onjan-dranomasina izahay, toy ny voninkazon’ny zaridaina, miray sy mifanaraka noho ny hasoan’ny Fitiavanao.

Ry Tompo! Ampifalio ny fo noho ny famantarana ny maha-Iray Anao ary ataovy ho toy ny kintana samy mamiratra avy amin’ny tendron’ny voninahitra ny olon-drehetra, ho toy ny voankazo tonga lafatra mitombo eo amin’ny hazom-piainanao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Izay mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany, Ilay Mpanome, Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay Mpamorona tokana.

#9392
- `Abdu'l-Bahá

 

FITSAPANA SY FAHASAHIRANANA

O Ianao, Izay ny fitsapàna dia fanafody mahasitrana ho an’ireo izay eo akaikinao, ny sabatra dia faniriana mivaivay ho an’izay rehetra tia Anao, ny lefompohy dia fikasana mamy tokoa ho an’ny fo mikaroka fatratra Anao, ary ny didim-pifehezana no hany fanantenan’ireo izay nanaiky ny fahamarinanao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Hatsaranao lavorary sy ny famirapiratry ny voninahitrin’ny Endrikao, mba hampitosaka aminay, avy amin’ny fitoeranao ambony, izay hahatonga anay hanatona Anao. Atanjaho, noho izany, ny dianay, ry Andriamanitro ô, ao amin’ny Fototrao, ary hazavao ny fonay amin’ny taratry ny Fahalalanao ary ampireheto ny tratranay amin’ny famirapiratan’ny Anaranao.

#9349
- Bahá'u'lláh

 

Voninahitra ho Anao, ry Andriamanitro ô! Raha tsy ny fijaliana izay iaretany eo amin’ny lalanao, amin’ny fomba ahoana no ahazoana mahafantatra ny tena tia Anao; ary raha tsy ny fizahan-toetra nozakaina noho ny fitiavana Anao, ahoana no ahazoana maneho ny laharan’ireo izay maniry fatratra Anao? Ny Herinao no vavolombelona amin’izany! Ny mpiara-dalana amin’ireo rehetra izay mitsaoka Anao dia ny ranomaso izay arotsany, ary ny mpampionona ireo izay mitady Anao dia ny fitolokoany ary ny sakafon’ireo izay dodona amin’ny fihaonana Aminao dia ny singan’ny fony torotoro.

Toa inona ny hamamin’ny ngidin’ny fahafatesana nozakaina tamin’ny lalanao ary toa inona ny hasarobidy eo imasoko ny zanatsipikan’ ny fahavalonao, raha mifanojo noho ny fanandratana ny Teninao! Avelao aho hisotro ao amin’ny Fototrao, ry Andriamanitro ô, amin’izay rehetra sitrakao ho ahy ary arotsahy amiko amin’ny fitiavanao izay rehetra nodidianao. Noho ny Voninahitrao! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy mankamamy afa-tsy izay ankamaminao. Aminao no nametrahako, amin’ny fotoana rehetra, ny tokiko sy ny fanantenako manontolo.

Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, atsangano ho toy ny mpanohana ity Fanambarana ity, toy ireo izay isaina ho mendrika ny Anaranao sy ny Fiandriananao, mba hotsaroan’izy ireo ho toy ny Voaharinao aho ary hanangana ny Sainam-pandresenao ao amin’ny Fanjakanao.

Ianao Ilay Manam-pahefana hanao izay sitrakao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany.

#9350
- Bahá'u'lláh

 

Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza manalavitra ahy, satria ny fahoriana dia nihavosa manodidina ahy. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro! Aza mamela ahy ho an’ny tenako ihany, satria ny fahoriana dia nianjady tamiko. Amin’ny ronono madion’ny Halemem-panahinao feno fitiavana, afaho ny hetahetako satria ny hetaheta dia mandevona ahy tanteraka. Eo amin’ny alokin’ny elatry ny Famindraponao, alofy aho satria ny fahavaloko rehetra, niara niombon-kevitra, dia namely ahy. Tehirizo eo akaikin’ny fanjakan’ny Fiandriananao aho, manoloana ny fanehoana ny marikin’ny Voninahitrao, satria ny loza dia nahatratra ahy tanteraka. Amin’ny voankazo ny Hazon’ny Mandrakizainao, fahano aho satria ny faharerahana mafy dia nahazo ahy. Amin’ny kapoakan’ny fifaliana atolotry ny tanan’ny Famindramponao be fitiavana, ampaherezo aho satria alahelo maro no nitambesatra mafy tamiko. Amin’ny akanjo voaravaky ny Fiandriananao mahery indrindra ampiakanjoy aho satria ny fahantrana dia nambabo ahy tanteraka. Rotsirotsian’ny fitolokon’ny Voromailalan’ny Mandrakizanao, avelao aho hiala sasatra satria ny fijaliana farany izay manjombona dia tonga tamiko. Manoloana ny fanjakan’ny maha-iray Anao sy ny taratry ny hatsaran’ny Endrikao, aoka honenako satria ny tahotra sy ny hovitra dia nandevona ahy. Ao amin’ny ranomasimben’ny Famelanao heloka, eo anoloan’ny fitopatopa tsy misy faran’ny fahalehibiazan’ny Voninahitrao, arobohy ao aho satria ny fahotako dia nanameloka ahy tanteraka.

#9351
- Bahá'u'lláh

 

Ankalazaina sy omem-boninahitra Ianao, ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny senton’ireo izay tia Anao sy ny ranomason’ireo izay maniry fatratra hijery Anao, tsy handà ho ahy ny Famindramponao feno fitiavana amin’izao Andronao izao ary tsy handiso anjara ahy amin’ny kalon’ny voromailala izay manandratra ny maha-iray Anao eo anoloan’ny fahazavan’ny Endrikao mamirapiratra. Izaho no iray amin’ireo ao anaty fahantrana, ry Andriamanitra ô! Jereo aho mifikitra mafy amin’ny Anaranao, Ilay Manana ny zavatra rehetra. Izaho ilay iray amin’ireo izay ho faty marina tokoa; jereo aho mamikitra amin’ny Anaranao, Ilay tsy mety maty. Koa noho izany, mitalaho Aminao aho, noho Ianao Ilay Ankalazaina, Ilay Tena Avo, mba tsy hamela ahy hitodika any amin’ny tenako ihany sy any amin’ireo fitsiriritana mirona amin’ny ratsy. Raiso amin’ny Tananao mahery ny tanako, ary afaho aho avy ao amin’ny halalin’ny hevitro diso sy ny fisainam-poanako, ary diovy aho amin’izay rehetra ankahalainao.

Ataovy izay hitodihako tanteraka any Aminao, hametrahako Aminao ny fitokisako rehetra, hitadiavako Anao ho toy ny Fialofako ary handosirako ho eo anoloan’ny Endrikao. Ianao, marina tokoa, Ilay izay noho ny fahefan’ny Heriny, dia manao izay Irinao, ary noho ny herin’ny Sitrapony, dia mandidy izay Fidiany. Tsy misy afaka hanohitra ny fiasan’ny Didinao; tsy misy afaka hanodina ny fizotra ny Tendrinao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery indrindra, Ilay be voninahitra, Ilay onena olona.

#9352
- Bahá'u'lláh

 

Iza, afa-tsy Andriamanitra, no manaisotra ny fahasahiranana?

Lazao: Deraina anie Andriamanitra! Izy no Andriamanitra! Mpanompony avokoa ny rehetra ary miankina amin’ny didiny ny rehetra.

#9310
- The Báb

 

Lazao: Andriamanitra no sahaza amin’ny zavatra rehetra, ambonin’ny zavatra rehetra. Tsy misy na any an-danitra na ety an-tany, afa-tsy Andriamanitra no manana ny ampy.

Marina tokoa, Izy amin’ny Tenany ihany Ilay Mahalala, Ilay Mpanohana, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

#9311
- The Báb

 

Amin’ny anaran’ny Tompo, Ilay Mpandresy amin’ny mpandresy dia manambara fa: Andriamanitra dia hanampy ireo izay mitsangana hanompo Azy.

Tsy misy afaka manala aminy ny fanjakany, ny fiandrianany, satria any an-danitra sy ety an-tany ary ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra rehetra, Izy no Mpandresy sy Mpambabo.

#9312
- The Báb

 

FIVORIANA

O Ianao, Andriamanitry ny famindrampo ô! Ianao Ilay Mahefa sy Mahery! Ô Ianao, Ray Mpihaino tena be fitiavana! Ireto mpanomponao ireto dia tafavory izao, mitodika any Aminao, mitalaho eo an-Tokonanao, maniry ny Fahasoavana tsy mety lany avy amin’ny Fanomezan-tokinao lehibe. Tsy manana tanjona hafa ankoatra ny Fahafinaretanao izy ireo. Tsy manana fikasana hafa afa-tsy ny fanompoana ho an’ny tontolon’ny zanak’olombelona.

Ry Andriamanitra! Aoka ity fihaonana ity hamira-piratra. Aoka ny fo ho be famindrampo. Atolory ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Omeo azy ireo ny fahefana avy any an-danitra. Tahio izy ireo amin’ny fanahin’ny Lanitra. Ampitomboy ny fahatsorampony mba ho amim-panetren-tena sy am-panenenana, afaka hitodika eny amin’ny Fanjakanao ary hiasa hanompo ny tontolon’ny zanak’ olombelona.

Aoka ny tsirairay ho lasa labozia mazava. Aoka ny tsirairay ho lasa kintana mamirapiratra. Aoka ny tsirairay ho lasa tsara loko ary hameroveron’ny fofomanitra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ry Ray tsara fanahy ô! Omeo anay ny Tsodranonao. Aza jerena ny fahadisoanay. Alofy eo ambany Fiarovanao izahay. Aza tsarovana ny fahotanay. Sitrano amin’ny Famindramponao izahay.

Malemy izahay, mahery Ianao. Mahantra izahay, manankarena Ianao. Marary izahay, Ianao no Mpanasitrana. Sahirana izahay, Ianao ilay malala-tanana indrindra.

Ry Andriamanitro ô! Arotsahy aminay ny Fitahianao.

Ianao ilay Mahery. Ianao Ilay Mpanome. Ianao Ilay Mpanome soa.

#9401
- `Abdu'l-Bahá

 

HARIVA

Ry Andriamanitro ô, Tompoko, Anton’ny faniriako! Ity ny mpanomponao izay maniry fatratra hatory eo amin’ny alokin’ny Famindramponao sy hiala sasatra eo ambanin’ny lanitry ny Fahasoavanao, miangavy fatratra ny Fitandremanao sy ny Fiarovanao.

Mihanta Aminao aho, ry Tompoko ô, amin’ny masonao izay tsy mba matory, hisakana ny masoko tsy hibanjina na inona na inona ankoatra Anao. Atanjaho àry ny herin’ny fahitany mba ahazoako manavaka ny Famantaranao ary mibanjina ny faravodilanitry ny Fanambaranao. Ianao Ilay izay nampihovitrovitra ny hery tonga lafatra manoloana ny Fanambaran’ny Fahefanao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay tsy Refesi-mandidy, Ilay tsy Voafehy.

#9325
- Bahá'u'lláh

 

Ataoko ahoana no hisafidy ny hatory, ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, raha toa ny mason’ireo izay maniry Anao tonga saina nohon’ny fisarahana Aminao; ary ataoka ahoana no mba hiala sasatra, nefa ny fanahin’ireo izay tia Anao dia mangahiahy noho ny fanalavitana ny Fanatrehanao?

Ry Tompoko ô, napetrako ny fanahiko sy ny tenako manontolo eo amin’ny tanan-kavanan’ny Fanapahanao sy ny Fiarovanao; ampandriko eo amin’ny ondana ny lohako noho ny Fahefanao, ary hareniko izany noho ny Sitraponao sy ny Fahafinaretanao. Ianao marina tokoa Ilay Mpitahy, Ilay Mpiambina, Ilay Mahery indrindra, Ilay Manam-pahefana.

Noho ny fahefanao! Tsy miangavy aho, na matory na mifoha, afa-tsy izay Irinao. Mpanomponao aho ary eo am-pelatananao. Ampio amin-kalamem-panahy hanatanterahako izay tokony ho mety mba hanapariaka ny hanitry ny Sitraponao.

Izany marina tokoa no fanantenako sy fanantenan’ireo izay mankafy ny fanatonana Anao. Ankalazaina Ianao, ry Andrian’izao tontolo izao.

#9326
- Bahá'u'lláh

 

MANGIRANDRATSY

Ry Andriamanitra ô sy Tompoko! Mpanomponao aho ary zanakin’ny mpanomponao. Nifoha teo amin’ny fandriam-pialan-tsasatro aho amin’izao mangirandratsy izao raha indro ny Kintana Marainan’ny mahatokana Anao mamiratra ery amin’ny marainan’ny Sitraponao ary nanapariaka ny tarany eo amin’izao tontolo izao, araka izay nandidiana an’izany ao amin’ny Bokin’ny Didinao.

Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, satria nifoha tamin’ny hakanton’ny famirapiratrin’ ny fahazavan’ny Fahalalanao izahay. Arotsahy aminay, ry Tompoko ô izay ahafahanay mandà izay rehetra hafa afatsy Ianao ary hialanay amin’ny firaiketampo rehetra, afatsy Aminao. Mandahara ihany koa, ho ahy, sy ho an’ireo izay olona sarobidy amiko, ho an’ny fianakaviako, na lehilahy na vehivavy, ny soan’ity tany ity sy ny any an-koatra. Arovy izahay, noho izany, amin’ny alalan’ny Fiarovanao tsy mivadika, ô Ianao Ilay Malalan’ny zavaboahary rehetra ary Ilay Fanirian’izao rehetra izao, amin’ireo izay nataonao ho mpaneho ny fiasan’ny fanahy ratsy izay mibitsika ao anaty fon’ny olona. Mahefa Ianao hanao araka izay tianao. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.

Tahio, ry Tompo Andriamanitro ô! Izay nametrahanao ny Laharam-boninahitrao tsara Indrindra ka avy aminy no nanavahanao ny tsara sy ny ratsy fanahy ary ampio izahay noho ny halemem-panahinao hanao izay tianao sy izay irianao. Tahio ihany koa, ry Andriamanitro ô, ireo Teninao sy Tarehin-tsoratrao, ary koa ireo izay nampitodika ny endriny any Aminao, ary nitodika any amin’ny Endrikao, ary manongilantsofina amin’ny Antsonao.

Ianao marina tokoa, Ilay Tompo sy Mpanjakan’ny olon-drehetra ary manam-pahefana amin’ny zava-drehetra Ianao.

#9321
- Bahá'u'lláh

 

MARAINA

Nifoha aho izao maraina, nohon’ny Fahasoavanao, ry Andriamanitro ô, ary nandao ny akaniko amim-pahatokiana tanteraka Anao, ary manankina tanteraka ny tenako amin’ny Fikarakaranao. Arotsahy amiko, avy any an-danitrin’ny Famindra-ponao, ny tsodrano avy Aminao ary tahio aho hiverina soa aman-tsara any amin’ny fonenako toy izay namelanao ahy hiala teo ambanin’ny Fiarovanao, ny fisainako rehetra mifantoka mafy eny Aminao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tokana, Ilay tsy Manan-tsahala, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry Indrindra.

#9322
- Bahá'u'lláh

 

Midera Anao aho, ry Andriamanitro ô, noho ny namohazanao ahy tamin’ny torimasoko sy namerenanao ahy taorian’ny tsy naha-teo ahy ary nitsanganako tamin’ny faharendremana. Nifoha maraina aho, ny endriko nitodika tany amin’ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Fanambaranao izay nampahazava ny lanitry ny Herinao sy ny Voninahitrao, nihaiky ny Famantaranao, nino ny Bokinao ary niraiki-pitia fatratra tamin’ny Tadinao.

Mitalaho Aminao aho, amin’ny alalan’ny herin’ny Sitraponao sy ny fahefan’ny Fikasanao tsy hay toherina, aoka ny tsindrimandry izay nataonao tamiko nandritry ny torimasoko ho fototra tena marina ho an’ny fonenan’ny Fitiavanao, izay latsa-paka ao anatin’ny fon’ireo olon-tianao, ary koa ho fiasana tsara indrindra ho an’ny fanehoana ny porofon’ny Fahasoavanao sy ny Hatsaranao be fitiavana.

Aoka ho didianao, amin’ny alalan’ny Peninao ambony indrindra, Ry Tompoko ô, ny soan’izao tontolo izao sy ny any an-koatra. Milaza marina aho fa eo am-pelatananao no misy ny fanapahana ny zavatra rehetra. Manova azy ireo Ianao araka izay tianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Tsy mivadika.

Ianao araka ny fandaharanao no Ilay izay nanova ny fietrena ho voninahitra, ny fahosàna ho tanjaka, ny fahalemena ho hery, ny tahotra ho fahatoniana ary ny fisalasalana ho fahatokisana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Mahasoa.

Tsy mandiso fanantenana na iza na iza Ianao amin’ireo izay nikaroka Anao ary tsy nandà Ianao na iray aza tamin’ireo izay naniry Anao. Manapaha ho ahy izay mendrika ny Fangorahamponao sy ny ranomasimben’ny Indrafonao. Ianao marina tokoa, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra.

#9323
- Bahá'u'lláh

 

Nifoha tao anatin’ny Fialofanao aho, ry Andriamanitro ô, ary adidin’izay mitady izany Fialofana izany ny hitoetra ao amin’ny Fitoerana Masin’ny fiarovanao sy ao anatin’ny Mandam-piarovan’ny Fiambenanao. Hazavao ny ati-fanahiko, ry Tompoko ô, amin’ny Famirapiratry ny Fiposaky ny Andron’ny Fanambaranao toy izay nanazavanao ny vatako rehetra tamin’ny tana-masoandron’ny marainan’ny Fahasoavanao.

#9324
- Bahá'u'lláh

 

MISASAK’ALINA

Ry Tompo, natodiko teny amin’ny Fanjakan’ny maha-iray Anao ny endriko ary niroboka tao anaty ny ranomasin’ny Indrafonao aho. Ry tompo, hazavao ny fahitako amin’ity alina maizina ity, amin’ny fibanjinana ny Fahazavanao, ary aoka ho sambatra aho noho ny divain’ny Fitiavanao amin’ity vanim-potoana mahafinaritra ity! Ry Tompo, ataovy izay handrenesako ny Antsonao ary sokafy eo anoloako ny varavaran’ny Lanitrao mba hahitako ny fahazavan’ny Voninahitrao sy ho voasariky ny Hatsaranao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanome, Ilay Onena olona, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamela heloka.

#9372
- `Abdu'l-Bahá

 

TAKELA-PAHATSIAROVANA

(Ity takela ity dia vakiana eo amin’ny fasan’i Bahá’u’lláh sy i Báb. Vakiana matetika koa amin’ny fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taonany).

Ny fiderana izay miposaka avy amin’ny Tenanao hajaina indrindra, ary ny voninahitra izay namiratra avy amin’ny Hatsaran-tarehinao mitomaratra indrindra, dia mitoetra ho Anao, O Ianao izay Fanehoana ny Fahalehibeazana, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ary Tompon’izay rehetra eto an-tany sy any an-danitra!

Vavolombelona aho fa, noho Ianao, ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fanapahany, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Fahalehibeazany, dia naseho, ary ny Kintana Marainan’ny Famirapiratana fahagola dia nandefa ny tarany eny amin’ny lanitrin’ny Didinao tsy azo ovaina, ary ny Hatsarantarehin’Ilay tsy Hita maso dia namirapiratra teny ambonin’ny faravodilanitry ny voahary. Vavolombelona koa aho fa, noho ny fihetsikin’ny Peninao, ny didinao «MISIA» dia nihatra, ary ny zava-miafin’ Andriamanitra dia navoaka, ary ny manan’aina rehetra dia nantsoina ho amin’ny fisiana, ary ny Fanambarana rehetra dia narotsaka.

Vavolombelona ihany koa aho fa, noho ny Hatsaran-tarehinao, ny hatsaran-tarehin’Ilay Tiana dia nalana sarona, ary noho ny Endrikao, ny endrik’Ilay Nirina dia nanjelanjelatra, ary noho ny teny iray avy Aminao, dia nandidy Ianao ho an’ny manan’aina rehetra, izay nahatonga azy ireo, izay nanam-pitiavana Anao, hisandratra eny amin’ny tendron’ny voninahitra, ary ireo mpivadika ho latsaka ao amin’ny hantsana lalina indrindra.

Vavolombelona aho fa izay nahafantatra Anao dia nahafantatra an’Andriamanitra ary izay nahatratra ny Fanatrehanao dia nahatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Lehibe, noho izany, ny tsodranon’izay nino Anao, sy ny Famantaranao, izay nanetry tena teo anatrehan‘ny Fiandriananao, ary nomem-boninahitra nihaona Taminao, ary izay afaka nanatratra ny fahafinaretan’ny Sitraponao, nihodidina Anao ary nijoro manoloana ny Seza-fiandriananao. Loza ho an’izay nanota Taminao, ho an’izay nivadika Taminao ary izay nandà ny Famantaranao, izay tsy nanaiky ny Fiandriananao ary nitsangana hanohitra Anao, izay feno fireharehana teo anatrehan’ny Endrikao, ary nandà ny Fijoronao vavolombelona, nandositra ny Lalànao sy ny Fanapahanao ka noheverina ho isan’ireo mpivadika izay voasoratra ao amin’ny Takelaka masinao ny anarany tamin’ny ratsan-tanan’ny Baikonao.

Alefaso amiko, noho izany, O ry Andriamanitro ô, sy Ilay Malalako, avy amin’ny tanan-kavanan’ny Famindramponao sy ny Hatsaram-panahinao feno fitiavana, ny tsio-drivotra masin’ny Fahasoavanao, mba hahazoany misintona ahy hiala amin’ny tenako sy amin’izao tontolo izao ho any amin’ny lapan’ny fanakaikezana Anao sy ny Fanatrehanao. Manam-pahefana hanao izay mahafaly Anao Ianao. Marina tokoa, faratampony mihoatra ny zavatra rehetra Ianao.

Ny filazana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Famirapiratany ho Aminao, Ianao izay Hatsaran-tarehiny! Vavolombelona aho fa ny mason’ny nohariana rehetra dia mbola tsy nahita na oviana na oviana tamin’ny nampahoriana toa Anao. Nilentika nandritran’ny androm-piainanao rehetra Ianao tao anatin’ny ranomasimben’ny fahoriana. Nisy fotoana, nifatotra rojo vy Ianao; tamin’ny fotoana hafa, norahonana tamin’ny sabatry ny fahavalonao Ianao. Kanefa na dia izany rehetra izany aza, dia nandidy ny olona rehetra Ianao hitandrina izay nandidiana Anao avy amin’Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa.

Aoka ny fisainako atao sorona noho ny fijaliana izay niaretanao ary ny fanahiko atao antoka noho ny fahoriana izay nozakainao. Mitalaho amin’ Andriamanitra aho noho Ianao sy noho ireo izay nohazavaina ny endriny tamin’ny fanjelanjelatra manjopikan’ny Endrikao ary noho ireo izay, noho ny fitiavana Anao, dia nitandrina izay rehetra nandidiana azy, mba hanala ny voaly izay manelanelana Anao sy ny Voaharinao, ary mba hanome ahy ny soan’ity tany ity sy ny any ankoatra. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Be voninahitra Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be fangorahana Indrindra.

Tahio, Ry Tompo Andriamanitro ô, ny “Hazo-Farany” masina, ny raviny, ny rantsany, ny sampany, ny tahony sy ny solofony, raha toa ka mbola maharitra koa ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ny toetranao tena mendrika. Arovy izy ireo, amin’ny asa ratsin’ny mahery setra sy ny tafiky ny mpanao didy jadona. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pahefana Indrindra. Tahio koa ry Tompo Andriamanitro ô, ny mpanompolahy sy mpanompovavinao izay nahatratra Anao. Ianao marina tokoa Ilay Mpangoraka Indrindra, izay tsy manam-petra ny Fahasoavana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

#9363
- Bahá'u'lláh

 

Ity vavaka ity, nambaran’i ‘Abdu’l-Bahá, ity dia vakiana eo anoloan’ny Fasany. Vakiana koa ity amin’ny vavaky ny tena samirery.

Izay mamaky ity vavaka ity amin-kafanam-po sy am-panetren-tena dia mitondra fifaliana sy fahasambarana ao am-pon’ity Mpanompo ity (‘Abdu’l-Bahá); toy ny mihaona mifanatrika Aminy

Izy Ilay tena be Voninahitra.

Ry Andriamanitra ô, Andriamanitro! Am-pahatsorana sy an-dranomaso, manandratra ny tanako mitalaho eny Aminao aho ary manafina ny tavako ao amin’ny vovoky ny Tokonanao izay ankalazaina ambonin’ny fahalalan’ny manam-pahaizana sy ny fideran’izay rehetra manome voninahitra Anao. Topazo ny maso feno fangorahana ny mpanomponao manetri-tena sy tsotra eo am-baravaranao, ary arobohy ao anatin’ny ranomasimben’ny Fahasoavanao mandrakizay.

Ry Tompo! Ity ny mpanomponao mahantra sy tsotra, mankatò sy mitalaho Aminao, babo eo an-tananao, mivavaka mafy Aminao, mahatoky Anao, vonton-dranomaso eo anoloan’ny Endrikao, miantso Anao sy mitaraina Aminao amin’izao teny izao:

“Ry Tompo ô, Andriamanitro! Atolory ho ahy ny Fahasoavanao mba ahazoako manompo ny olontianao, amafiso aho amin’ny fanompoako Anao, hazavao ny endriko amin’ny fahazavan’ny fankalazana ao amin’ny Tokotanim-pahamasinanao sy avy amin’ny fahazavan’ny vavaka ao amin’ny Fanjakan’ny fahalehibeazana. Ampio aho tsy ho tia tena eo anoloan’ny tokonan’ny Fidirana ao an-danitrao ary tsy hiraikitra amin-javatra rehetra na inona na inona ao amin’ny Toerana Masinao.

Ry Tompo, ampisotroy amin’ny kapoakan’ny fandavan-tena aho, ampitafio ny fitafiany aho ary arobohy lalina ao amin’ny ranomasimbeny. Ataovy toy ny vovoka eny amin’ny lalan’ny Olo-malalanao aho ary aoka mba hanolotra ny fanahiko ho amin’ny tany feno fahamendrehana izay nodiavin’ny Olom-boafidinao eo amin’ny Lalanao, ry Tompon’ny Voninahitra avo indrindra”.

Miantso Anao amin’ity vavaka ity, amin’ny mangirandratsy sy amin’ny alina ny mpanomponao. Tanteraho ny fanirian’ny fony, ry Tompo ô! Hazavao ny fony, ampifalio ny fanahiny, areheto ny fanaovanjirony, mba hanompoany ny Fototrao sy ny Mpanomponao.

Ianao Ilay Mpanome, Ilay Mpangoraka, Ilay Onena olona, Ilay Mpamindra fo, Ilay Be Indrafo, Ilay Mangoraka.

#9400
- `Abdu'l-Bahá

 

TOETRA ARA-PANAHY

Ry Tompoko ô! Aoka ny hatsaran’ny Endrikao ho sakafoko, ary ny fanatrehanao ho zava-pisotroko, ny fahafinaretanao ho fanantenako, ary ny fiderana Anao ho hetsika ataoko, ny fahatsiarovana Anao ho namana tsy mahasaraka ahy, ary ny herin’ny fiandriananao no famonjena ho ahy, ny Akaninao ho fonenako, ary ny trano fonenako ho toerana izay nohamasininao niala tamin’ny fetra izay napetraka tamin’ireo izay nisarona voaly teo Anatrehanao.

Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra.

#9332
- Bahá'u'lláh

 

Amorony fo madio ao anatiko, ry Andriamanitro ô, ary havaozy ao anatiko ny saina tony ry Fanantenako ô! Amin’ny herim-panahy, hamafiso aho ao amin’ny Fototrao, ry Malalako indrindra ô, ary amin’ny alalan’ny fahazavan’ny Voninahitrao, asehoy amiko ny Lalanao, ô Ianao ry Tanjon’ny faniriako! Amin’ny herin’ny Fahefanao avo indrindra, asandrato hatrany amin’ny lanitry ny Fahamasinanao aho, ry Loharanon’ny fisiako ô, ary amin’ny tsioka mamelombelona ny Mandrakizainao, ampifalio aho, ô Ianao, izay Andriamanitro! Aoka ny antsan-kiranao mamelovelo tsy manam-pahataperana hamelona fitoniana ato amiko, ry Namana tsy mahasaraka ahy; ary aoka ny haren’ny Endrikao fahagola hanafaka ahy amin’izay rehetra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompoko ô, ary aoka ny vaovao mahafaly ny fanehoana ny maha-izy azy Anao tsy azon-hihodiovirana hitondra fifaliana ho ahy. Ianao, Ilay Miharihary noho ny miharihary, ary Ilay Miafina indrindra noho ny miafina!

#9333
- Bahá'u'lláh

 

Ho Anao ny fiderana, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay notanana an-tranomaizina tao amin’ny tanànam-pigadran’i Akora, nianjera teo an-tanan’ny fahavalony - araka izay hitanao ry Andriamanitro ô – ary norahonan’ny sabatry ny ratsy fanahy. Hanamafiso aho ao amin’ny Fototrany ary tariho mandrakariva ny fijeriko ho any amin’ny Lapany mba tsy hisy hanana fahefana hampitodika ny fijeriko tsy ho any Aminy.

Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nanolotra ny fiainany Izy ho eo amin’ny lalanao, ary tsy naniry ho an’ny Tenany afa-tsy ny fahoriana noho ny fitiavany izay nananany Taminao. Niharitra henatra maro Izy mba ahazoany manambara ny Fiandriananao amin’ny mpanomponao sy manandratra ny Teninao eo amin’ireo voaharinao. Raha mbola niharatsy ny fahoriana ka mamely azy hatraiza hatraiza ny fampahoriana izay narotsakao Taminy, nanjary niredareda noho ny fieritreretana Anao Izy ka ny hamaroan’ireo izay tsy nino Anao sy tsy nanaiky ny Famantaranao dia nitsahatra tsy nampihorohoro Azy.

Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô; amin’ny Alalany sy izay rehetra mahakasika Azy, mba hametraka ny fitiavako Aminy, toy izay nametrahany ny fitiavany Aminao. Milaza marina aho fa ny Fitiavany dia ny Fitiavanao, ny Tenany dia ny Tenanao, ny Hatsaran-tarehiny dia ny Hatsaran-tarehinao ary ny Fotony dia ny Fototrao.

Aza lavinao amiko, ry Tompoko, izay anananao ary aza avela hanadino izay nirianao amin’ny Andronao aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Hendry Indrindra.

#9334
- Bahá'u'lláh

 

Eo amin’ny alon-drano mamerovero ny Mandrakizainao, avelao aho hiala hetaheta, ry Andriamanitro ô, ary mamelà ahy hanandrana amin’ny voan’ny hazon’ny Fisianao, ry Fanantenako ô.

Amin’ny loharano madio mangatsakatsakan’ny fitiavanao, avelaho aho mba hampitony ny hetahetako, ry Voninahitro ô, ary eo ambanin’ny aloky ny Fitondranao mandrakizay, avelao aho hitoetra, ry Fahazavako ô!

Ao amin’ny tanin’ahitra ny fanakakaizanao, eo amin’ny Fanatrehanao, avelao aho hirenireny, ry Malalako ô ary eo an-tanankavanan’ny seza fiandrianan’ny Famindramponao, apetrao aho, ry Faniriako ô.

Aoka ny tsiodrivotra manitry ny Fifalianao handalo eo amiko, ry Tanjoko ô, ary ao amin’ny paradisa avon’ny maha-Izy Anao, aoka aho hahita fidirana, ry Deraiko ô!

Mamela ahy hihaino ny antsankiran’ny voromailalan’ny firaisanao, ô Ianao, Ilay Mamirapiratra ô ary noho ny fanahim-Pahefanao sy ny Herinao, velomy aho, ô Ianao, Ilay Mpamelona ahy ô!

Aoka hitoetra ho matotra mandrakariva ao amin’ny fanahin’ny Fitiavanao aho, ry Mpanohana ahy ô, ary amafiso ny diako eo amin’ny lalan’ny fahafinaretanao, ry Mpamorona ahy ô!

Ao amin’ny sahan’ny fisianao mandrakizay, manoloana ny Endrikao, avelao aho honina mandrakizay, ô Ianao, izay mamindra fo amiko, ary eo amin’ny Sezam-boninahitrao, aoreno aho, ô Ianao Ilay Tompoko!

Eny amin’ny lanitry ny Hatsaram-ponao be fitiavana, asandrato aho, ô Ianao, Ilay mampavitrika ahy , ary eny amin’ny Kintana marainan’ny Fitarihinao, tariho aho, ô Ianao Ilay Misarika ahy.

Manoloana ny fanehoana ny Fanahinao tsy hita maso, meteza hiantso ahy, ô Ianao izay Anton’ny Fisiako ary Faniriako fatratra ary any amin’ny votoatin’ny hanitry ny Hatsaran-tarehinao izay hirinao aseho, ataovy izay hiverenako, ô Ianao, Ilay Andriamanitro!

Manampahefana hanao izay Sitrakao Ianao. Ianao marina tokoa, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Faratampony.

#9335
- Bahá'u'lláh

 

Omem-boninahitra Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Misaotra Anao aho noho izay niantsoanao ahy tamin’ny fahavelomana amin’ny Andronao, ary noho izay namenoanao ny Fitiavanao sy ny Fahalalanao ao amiko.

Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao, izay nampitranga ny voahangy tsaran’ny Fahendrenao sy ny Teninao avy amin’ny tahirin’ny fon’ny Mpanomponao izay eo Akaikinao, ary koa avy amin’ny Kintan’ny Marainan’ny Anaranao, Ilay Mpangoraka, izay nandefa ny tarany amin’ireo rehetra izay any an-danitrao sy ny ety an-taninao, mitaraina Aminao aho hanome ahy, noho ny Fahasoavanao sy ny Hamoramponao, ireo hamoraponao mahatalanjona sy miafina.

Indreto ny andro fiandohan’ny fiainako, ry Andriamanitro ô, izay nampiraisanao tamin’ny andron’ny Tenanao. Ankehitriny, satria efa nanokananao ho ahy ny voninahi-dehibe tokoa, aza manaisotra amiko izay zavatra natokanao ho an’izay olom-boafidinao.

Ry Andriamanitro, tsy inona akory aho fa voatsinampy kely izay nafafinao tamin’ny Tanim-pitiavanao sy izay natosakao tamin’ny Tanam-pangorahanao. Io voa io dia mangetaheta, noho izany, hatrany amin’ny vololon’ainy, ny ranom-pamindramponao sy ny loharano velon’ny Fahasoavanao. Arotsahy aminy avy any an-danitry ny Hamoramponao be fitiavana izay hampamelana azy eo ambanin’ny Alokao sy ao anatin’ny Lapanao. Ianao Ilay izay manondraka ny fon’izay rehetra nanaiky Anao, avy amin’ny ranon’ny Reniranonao mahenika sy ny Loharanonao velona.

Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

#9336
- Bahá'u'lláh

 

Voninahitra ho Anao, o Ianao izay Tompon’izao rehetra izao sy Malalan’ireo izay nanaiky Anao! Hitanao aho eo ambanin’ny sabatra mihantona amin’ny singan-kofehy, ary fantatrao fa amin’izany fepetra izany, tsy nanadino ny andraikitro manoloana ny Fototrao sy hampiely ny fankalazana Anao, hanambara ny Fahatanterahanao ary hilaza izay rehetra nandidianao ahy tao amin’ny Takelakao. Na dia efa akaiky hianjera eo amin’ny lohako aza ny sabatra, dia miantso ireo izay tianao aho, tamin’ny lantom-peo izay nitondra ny fon’izy ireo ho eny amin’ny faravodilanitry ny Fiandriananao sy ny Fahalehibeazanao.

Diovy ny sofin’izy ireo, ry Tompoko ô, mba ahazoany maheno ny antsa izay nisandratra eny ankavanan’ny seza Fiandriananao. Mianiana aho noho ny Herinao! Fa ireo izay mikasa hanongilantsofina amin’io firindrana io dia hanidina ho eny amin’ny fanjakan’ny Fanambaranao, fanjakana izay hanambaran’ny voahary rehetra fa Andriamanitra Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay mamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany. Sokafy ry Andriamanitra ô, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio izy ireo amin’ny hamamin’ny teninao, ka na ny loza aza tsy hanan-kery hisakana azy tsy hitodika any Aminao sy hitarika ny fijeriny any amin’ny faravodilanitry ny Fanambaranao.

Nanenika ny tany ny haizina, ry Andriamanitro ô, ary nampihovitrovitra ny ankamaroan’ny mpanomponao. Miangavy Anao aho, amin’ny Anaranao Lehibe Indrindra, mba hampitranga isa-tanàna fahariana vaovao izay, mitodika any Aminao sy mahatsiaro Anao eo amin’ireo mpanomponao, hamelatra ny fanevan’ny fandresena amin’ny alalan’ny hasoan’ny teniny sy ny fahendreny ary tsy hiraikitra amin’ireo zavatra nohariana rehetra.

Manana ny fahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay izay italahoan’ny olon-drehetra tohana.

#9337
- Bahá'u'lláh

 

Ry Andriamanitro, noho ny herinao sy ny fiandriananao izay mandrakotra ireo rehetra any an-danitra sy eto an-tany, mangataka Aminao aho hampahalala amin’ny mpanomponao ny lalana mazava sy mahitsy, mba ahafantarany marina ny Firaisanao sy ny maha-Iray Anao ka tsy ho voahelingelina noho ny hevi-dravin’ ireo tsy mpino, na ho hamaizinin’ny fisainam-poanan’ireo be di-doha.

Hazavao, ry Tompoko, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio ny fony amin’ny famirapiratry ny fahazavan’ny fahalalahanao, mba ahazoan’izy ireo mahafantatra ny halehibiazan’io laharana tena tsara io ary mahafantatra io faravodilanitra manjelanjelatra io, ka, soa ihany, fa na ny horakoraky ny olona aza dia tsy hanana hery hampiodina ny fijeriny amin’ny famirapiratry ny hazavan’ny Firaisanao , ary ny endriny eny amin’ny vodilanitry ny tsy firaiketana.

#9338
- Bahá'u'lláh

 

Miangavy Anao aho hamela ny heloko, ry Tompo, noho ny fanambarana hafa afa-tsy ny fanambarana Anao, ny fiderana hafa afa-tsy ny fiderana Anao, ny firavoravoana hafa afa-tsy ny firavoravoana ny eo akaikinao, ny fahafinaretana hafa afa-tsy ny fahafinaretana noho ny fiombonana Aminao sy ny hafaliana rehetra afa-tsy ny hafalian’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara, ary ny zavatra mikasika ahy rehetra izay tsy hitondra ahy ho amin’ny fifandraisana Aminao, O Ianao izay Tompon’ny Tompo, Ianao izay manome ny fitaovana sy manokatra ny fanalahidy ny varavarana.

#9315
- The Báb

 

Voninahitra ho Anao, ry Tompo Andriamanitro! Tsy misy afaka amin’ny Fahalalanao, toa izay tsy afaka ihany koa amin’ny Herinao miafina na hanohitra ny Fikasanao, na any an-danitra izany na eto an-tany, na tamin’ny lasa na amin’ny ho avy.

Hitanao ny paradisa sy ireo izay monina ao, mijery ny fanjakana eto an-tany sy ireo mponina ao aminy Ianao. Izy rehetra dia mpanomponao ary tazominao eo an-Tananao.

Ry Tompo! Ataovy mpandresy ireo mpanomponao manam-paharetana mandritry ny Andronao amin’ny fanomezanao azy fandresena mendrika, satria niharitra fijaliana izy ireo teo amin’ny lalanao. Ataovy aminy izay hampifaly ny sainy, hampiray ny fony, hampiadana ny tenany ary hamela ny fanahiny hisandratra eny amin’ny fanatrehana an’Andriamanitra, Ilay tena Ankalazaina ary hahatratra ny paradisa avo indrindra sy ny tanjona ny voninahitra natokanao ho an’ireo olona tena mahalala sy maripiainana. Marina tokoa, fantatrao ny zava-drehetra kanefa izahay dia tsy inona fa mpanompo Anao, mpanomponao, mpiankina Aminao ary olo-mahantranao. Tsy mitady Tompo hafa afa-tsy Ianao izahay, ry Andriamanitra Tomponay ary tsy mangataka tsodrano na fahasoavana na amin’iza na amin’iza afa-tsy Aminao, Ianao Ilay Andriamanitry ny famindrampo ho an’ity tany ity sy ireo namana. Tsy misy afa-tsy ny fisehoan’ny fahantrana, ny fahafoanana, ny fahalemena sy ny fahaverezana kanefa ny Tenanao dia mampiseho ny fananan-karena, ny tsy fiankinana, ny voninahitra, ny fiandrianana sy ny fahasoavana tsy hita lany.

Ovay ry Tompo, ny fahamendrehana, araka izay itiavanao azy, ho soa eto an-tany sy any an-danitra.

Ianao, marina tokoa, no Tomponay sy Ilay Tompon’ny zava-drehetra. Apetrakay Aminao izany ary maniry mafy ireo zavatra Anao izahay.

#9316
- The Báb

 

Ry Tompoko ô! Ry Tompoko ô! Ity dia jiro iray nazavaina tamin’ny afon’ny Fitiavanao sy narehitra tamin’ny lelafo nirehitra teo amin’ny hazon’ny Famindramponao.

Ry Tompoko ô! Ampitomboy ny firehetany, ny hafanany sy ny lelafony, amin’ny afo izay nirehitra tao amin’ny Sinaïn’ny Fanehoanao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanamafy orina, Ilay Mpanotrona, Ilay Mahery, Ilay Onena olona, Ilay Fitiavana.

#9373
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Tompoko ô, Malalako, Faniriako! Aoka ho namako amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ny fitokanako monina. Esory ny alaheloko. Ataovy izay hanokanako tena amin’ny Hatsaranao. Afaho aho amin’ny hafa afatsy Ianao. Sariho amin’ny hanitry ny Fahamasinanao aho.

Ataovy izay hiraisako, ao amin’ny Fanjakanao, amin’ireo izay niala tamin’izay rehetra tsy Ianao, izay maniry fatratra hanompo ny Tokonanao masina ary vonona hiasa ho an’ny Fototrao. Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanompovavinao izay nahatratra ny Fahafinaretanao aho.

Marina tokoa, Ianao Ilay Be fitiavana, Ilay Onena olona.

#9374
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra! Andriamanitro! Arovy ireo mpanomponao mahatoky amin’ny faharatsian’ny fitiavan-tena sy ny filan’ny nofo; arovy amin’ny maso matsilon’ny Fitiavanao izy ireo amin’ny lolompo, ny fankahalana sy ny fitsiriritana rehetra, alofy ao amin’ny mandan’ny Fikarakaranao izy ireo ary arovy amin’ny zanatsipikan’ny fisalasalana, ataovy fanehoana ny Famantaranao be voninahitra izy ireo, hazavao ny endriny amin’ny tara-pahazavana mamirapiratra izay nalatsaka avy amin’ny Somambisambin’ny Maha-Iray Anao, ampifalio ny fony amin’ireo andininy nambara avy amin’ny Fanjakanao masina ary amafiso ny valahany amin’ny Fahefanao ambony indrindra izay avy amin’ny Fanjakan’ny Voninahitrao.

Ianao Ilay Mpangoraka, Ilay Mpiaro, Ilay Tsitoha, Ilay Be fahasoavana.

#9375
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitra! Velombelomy sy ampiravoravoy ny fanahiko. Diovy ny foko. Hazavao ny saiko. Apetrako eo am-Pelatananao ny raharahako rehetra. Ianao no Mpitarika ahy sy Fialofako. Tsy te ho be alahelo sy fahoriana intsony aho, fa te ho sambatra sy ho feno hafaliana kosa.

Ry Andriamanitro ô, tsy te ho feno tebiteby intsony aho, na hamela ny fahasahiranana hampijaly ahy. Tsy te hitambesatra intsony amin’ireo sorisorim-piainana aho.

Ry Andriamanitra ô, sakaizako akaiky noho ny tenako Ianao. Manokana ny tenako ho Anao aho, ry Tompoko ô!

#9376
- `Abdu'l-Bahá

 

Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! Fanantenako Ianao ary Malalako, Faniriako ambony indrindra sy Tanjoko! Amim-panetren-tena tanteraka sy am-panoloran-tena manontolo, mivavaka Aminao aho mba hanao ahy ho tilikambon’ny Fitiavanao ao amin’ny Taninao, jiron’ny Fahalalanao eo amin’ireo Voaharinao ary fanevan’ny Fahasoavan-danitrao ao amin’ny Fanjakanao.

Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanomponao aho, izay tsy niraikitra tamin’ny zavatra rehetra afatsy Ianao, niaro ny tenany tamin’ny zava-mandalon’ity tontolo ity, ary nanala ny tenany tamin’ny bitsikin’ny rendrarendra.

Avelao ny foko ho dibo-kafaliana avy amin’ny fanahin’ny fanamafisana avy amin’ny Fanjakanao, ary hazavao ny masoko noho ny fibanjinana ny tafikin’ny fanampian-danitra izay nidina nifanesy avy any amin’ny fanjakan’ny Voninahitrao tsy manam-petra.

Ianao, marina tokoa, Ilay Tsitoha, Be Voninahitra, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

#9377
- `Abdu'l-Bahá

 

VAVAKA FAMARANANA NY FIVORIAN’NY ANTENIMIERA AM-PANAHY

Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! Avy any amin’ny Fanjakanan’ny maha-Tokana Anao tsy hita maso, jereo izahay nivory teto amin’ity Antenimiera Am-panahy ity, mino Anao, mahatoky ny Famantaranao, miraikitra amin’ny Fifanekenao sy ny Testamentanao, voasarika ho eny Aminao, miredareda noho ny afom-Pitiavanao ary madio am-po ao amin’ny Fototrao. Mpanompo ao amin’ny tanim-boalobokao izahay, mpampiely ny Finoanao, mpidera mahafatrapo ny Tavanao, manetry tena manoloana ireo Malalanao, manaiky eo anoloan’ny Varavaranao ary mitalaho Aminao mba hanamafisanao anay amin’ny fanompoana ireo izay Voafidinao, hanohananao anay miaraka amin’ny andian-Tafikao tsy hita maso, hampatanjaka ny valahanay amin’ny fanompoana Anao ary hanao anay ho hanaiky sy hankalaza ireo lohahevitra iombonana Aminao.

Ry Tomponay ô! Malemy izahay ary Ianao Ilay Mahefa, Ilay Mahery! Tsy manana aina izahay ary Ianao Ilay Fanahy mpanome fiainana lehibe. Manana filàna izahay ary Ianao no Ilay Mpanohana, Ilay Mahery.

Ry Tomponay ô! Atodiho ny tavanay ho eny amin’ny Endrikao Be Fangorahana, fahano avy amin’ny latabatry ny Lanitrao izahay noho ny Fahasoavanao tsy tambo isaina, ampio izahay amin’ny andian-tafiky ny Anjelinao faratampony ary amafiso izahay amin’ny alalan’ireo Masina ao amin’ny Fanjakan’ ny Abhá.

Marina tokoa, Ianao Ilay Malala-tanana, Ilay be indrafo! Ianao Ilay Manana fanomezana lehibe, ary marina tokoa, Ianao Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo.

#9404
- `Abdu'l-Bahá

 

VAVAKA HO AN’NY FIRENEN-DREHETRA

Ô Ianao, ry Tompon’ny Hatsaram-panahy! Zavatra iray ihany no manoronanao ny zanak’olombelona rehetra. Ianao no namoaka didy fa ny rehetra dia avy amin’ny fianakaviana iray. Eo anoloan’ny Fanatrehanao Masina dia mpanomponao izy rehetra ary mialoka eo ambanin’ny taberinakelinao ny zanak’olombelona rehetra; mivondrona manodidiana ny latabatry ny Famindramponao izy rehetra; ary samy hazavain’ny fahazavan’ny Fitahianao izy rehetra.

Ry Andriamanitro ô! Ianao ilay mora fo amin’ny olona rehetra. Mamelona ny tsirairay Ianao; manome akanim-pialofana ho an’ny rehetra; manome aina azy ireo. Notoloranao fahaizana sy talenta ny rehetra ary ny rehetra dia difotry ny ranomasimben’ny Famindramponao.

Ô Ianao, ry Tompon’ny Hatsaram-panahy! Ampiraiso ny olon-drehetra, ampifanaraho ny Fivavahana rehetra; ampiombony ho iray ny firenena rehetra, ka hahatsapany fa ny tsirairay dia toy ny fianakaviana iray ary izao tontolo izao dia tanindrazana tokana ihany. Aoka hiara-hiaina am-pifanarahan-tsaina tonga lafatra izy ireo.

Ry Andriamanitro ô! Aoka hiofaofa ambonin’izao rehetra izao ny fanevan’ny firaisan’ny zanak’olombelona.

Ry Andriamanitro ô! Aoreno ny Fandriampahalemana Lehibe Indrindra. Ampiraiso ho iray ny fon’ny olon-rehetra, ry Andriamanitro ô!

Ô Ianao Ray Tsara fanahy! Andriamanitra! Ampiravoravoy ny fonay amin’ny hanitry ny Fitiavanao, ampamirapirato ny masonay noho ny fahazavan’ny Fitarihanao. Aoka ho finaritra ny sofinay amin’ny hakanton’ny Teninao ary alofy izahay ao anaty fialofan’ny Fitahianao.

Ianao Ilay Matanjaka, Ilay Mahery. Ianao Ilay Mpamela heloka ary Ianao Ilay Mamindra fo amin’ny fahalemen’ny zanak’olombelona rehetra.

#9393
- `Abdu'l-Bahá

 

VAVAKA HOAN’NY VALANARETINA

VAVAKA HOAN’NY VALANARETINA

Amin'ny Anarany, Ilay Asandratra Indrindra, Ilay Tena Avo, Ilay Tsara Indrindra!

Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! O Ianao ilay Andriamanitro, sy Mpampianatro, sy Tompoko, sy Mpanohana ahy, sy Fanantenako , sy Fialofako sy Fahazavako. Mangataka Aminao aho, amin'ny Anaranao miafina sy sarobidy, izay tsy misy mahalala afa-tsy Ianao irery ihany, mba hiaro izay mitondra ity takelaka ity amin'ny loza sy ny valan'aretina rehetra, amin'ny lehilahy sy vehivavy manana toetran-devoly rehetra; amin’ny asa ratsin’ireo ratsy fanahy sy amin’ny tetidratsin’ireo tsy mpino. Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, amin'izay mety ho fanaintainana sy alahelo rehetra, ô Ianao izay mitazona eo an-Tananao ny fanjakana amin-javatra rehetra.

Tena mahery marina tokoa ambonin’ny zavatra rehetra Ianao. Manatanteraka izay tianao Ianao ary mandidy izay Irinao. O Ianao Mpanjakan'ny Mpanjaka ! O Ianao Tompo tsara . O Ianao Loharanon'ny Hatsaram-panahy fahagola, ny fahasoavana, ny fahalalahan-tanana sy ireo soa! O Ianao Mpanasitrana ireo aretina! O Ianao izay ampy ho an’ireo filànay! O Ianao Fahazavan’ny fahazavana rehetra! O Ianao Fahazavana ambonin’ireo fahazavana rehetra! O Ianao Mpanambara ireo Fanehoana tsirairay avy! O Ianao Ilay Mpangoraka! O Ianao Ilay Mpamindra fo! Mamindrà fo amin'izay mitondra ity takelaka ity, amin'ny Fangoraham-ponao lehibe indrindra sy ny fahasoavanao marobe, ô Ianao Ilay Mpamindra fo, Ianao Ilay Malala-tanana. Arovy ihany koa izy, amin'ny alàlan'ny Fiarovanao, amin'ny zavatra rehetra mety hahatsiravina ny fony sy ny sainy.

Amin'ireo izay manam-pahefana, Ianao, marina tokoa, no Mahery indrindra. Ny Voninahitr'Andriamanitra anie hitoetra aminao, ô ry masoandro misandratra! Mijoroa ho vavobolombelona amin'izay nambaran'Andriamanitra fa Izy Tenany mihitsy, fa tsy misy

#12864
- Bahá'u'lláh

 

VAVAKA FANGATAHAM-PAHASITRANANA LAVA

Izy no Ilay Mpanasitrana, Ilay Mahampy, ilay Mpamonjy, ilay Mpamela heloka

mandrakariva, ilay Tena be indrafo!

Miantso Anao aho ry Ankalazaina ô, ry Mahatoky ô, ry Be voninahitra ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanjaka ô, ry Mpanandratra ô, ry Mpitsara ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy manan-tsahala ô, ry Maharitra mandrakizay ô, ry Tsy manapaharoa ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Deraina indrindra ô, ry Masina ô, ry Mpamonjy ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso anao aho ry Mahalala ny zavatra rehetra ô, ry Hendry Indrindra ô, ry Lehibe indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana,Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Malemy Fanahy ô, ry Lehibe sy mahagaga ô, ry Mpandidy ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tiana indrindra ô, ry Lalaina fatratra ô, ry Maharavoravo fanahy

ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsitoha ô, ry Mpanohana ô, ry Mahery ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy

manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpifehy ô, ry Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny tenany ô, ry Mpahalala ny zavatra rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Fanahy ô, ry Fahazavana ô, ry Miharihary indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsymanam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Mpiara-dia amin’ny rehetra ô, Ianao ry Fantatry ny rehetra ô, Ianao ry Takona amin’ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Miafina ô, ry Mpandresy ô, ry Mpizara ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsitoha ô, ry Mpamonjy ô, ry Mpitana tsiambaratelo ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpamolavola ô, ry Mpanao soa ô, ry Mpanongana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanondrotra ô, ry Mpampikambana ô, ry Mpanandratra ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpandavorary ô, ry Tsy manampetra ô, ry Malemy fanahy ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanasoa ô, ry Miasa mangina ô, ry Mpamorona ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Avo Indrindra ô, ry Tsara tarehy indrindra ô, ry Be Fiantrana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Marina ô, ry Be fitiavana ô, ry Malala-tanana ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy hay tohaina ô, ry Maharitra mandrakizay ô, ry Manam

pahalalana indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mahagaga ô, ry Tranainy Indrindra ô, ry Malemy fanahy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsymanam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsara fiambenana ô, ry Tompon’ny hafaliana ô, ry Iriana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsara fanahy amin’ny rehetra ô, ry Mpangoraka ny rehetra ô, ry Be fitiavana indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Fitodihana ho an’ny rehetra ô, ry Fialofana ho an’ny rehetra ô, ry Mpiaro ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso anao aho ry Mpamonjy ho an’ny rehetra ô, ry Fiantsoana vonjy ho an’ny

rehetra ô, ry Mpamelombelona ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso anao aho ry Mpanambara ô, ry Mpandrava ô, ry Be famindram-po indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Fanahiko ô, Ianao ry Mamiko indrindra ô, Ianao ry Finoako ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanala hetaheta ô, ry Tompo avo indrindra ô, ry Sarobidy Indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy hay hadinoina ô, ry Anarana Mendrika Indrindra ô, ry Lalana tranainy indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Deraina indrindra ô, ry Masina Indrindra ô, ry Nohamasinina ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanafaka ô, ry Mpanolotsaina ô, ry Mpanavotra ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Namana ô, ry Mpitsabo ô, ry Mpamabo ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Voninahitra ô, ry Hatsaran-tarehy ô, ry Malemy fanahy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Itokiana indrindra ô, ry Tena tia indrindra ô, ry Tompon’ny tsirim-pahazavana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpampiredareda ô, ry Mpamelombelona ô, ry Mpampifaly ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tompon’ny Hatsaram-panahy ô, ry Tena be fangorahana ô, ry

Tena be indrafo ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy mba miova ô, ry Mpanome aina ô, ry Loharanon’ny fisiana

rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tena matsilo saina ô, ry Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra ô, ry Tompon’ny teny ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Miharihary nefa miafina ô, ry Tsy hita maso nefa malaza ô, ry

Mpanatri-maso katsahin’ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Mpandripaka ireo mpitia ô, ry Andriamanitry ny indrafo ho an’ireo olon-dratsy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Ry Mpizara fahasoavana ô, miantso Anao aho, ry Mpizara fahasoavana ô! Ry Mpanasitrana ô, miantso Anao aho, ry Mpanasitrana ô! Ry Tsy manam-piovana ô, miantso Anao aho, ry Tsy manam-piovana ô! Ianao Ilay Maharitra mandrakizay, Ianao ry Maharitra mandrakizay ô!

Hohamasinina anie Ianao, Ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Fahalalatananao izay nanokafana midanadana ny varavaran’ny Halemem-panahinao sy ny Fahasoavanao, izay nanorenana ny Tempolin’ny Fahamasinana teo amin’ny Seza fiandrianan’ny mandrakizay; ary noho ny Famindram-ponao izay nanasanao ny zavatra nohariana rehetra ho eo amin’ny latabatry ny Hatsaram-panahinao sy ny Fanomezantsoanao; ary noho ny Indrafonao izay nahatonga anao hamaly, ao am-ponao mangina, hoe “Eny!” amin’ny anaran’ireo rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, amin’ny fotoana izay nanambarana ny Fiandriananao sy ny Fahalehibeazanao, vao mangirandratsy izay nanehoana ny herin’ny Fanapahanao.

Ary mbola mitalaho Aminao aho, avy amin’ireo anarana soa indrindra ireo, avy amin’ireo toetra mendrika sy ambony indrindra ireo, ary avy amin’ny Fahatsiarovanao ankalazaina indrindra, ary avy amin’ny Hatsaran-tarehinao madio sy tsy misy pentina, ary avy amin’ny Hazavanao miafina ao amin’ny trano lay miafina indrindra, ary avy amin’ny Anaranao voarakotry ny akanjon’ny fangirifiriana isaky ny maraina sy hariva, mba hiarovana izay mitondra ity Takelaka voatahy ity, sy izay rehetra miventy azy, sy izay rehetra tojo azy, ary izay rehetra mandalo manodidina ny trano itehirizana azy. Sitrano avy amin’ny alalany, noho izany, izay rehetra marary, tratry ny aretina sy fadiranovana, amin’ny fangirifiriana sy ny famoizam-po rehetra, avy amin’ny fahoriana sy alahelo mahatsiravina rehetra, ary tariho avy amin’ny alalany izay rehetra maniry hiditra eo amin’ny lalan’ny Fitarihanao, sy ny lalan’ny Famelan-keloka sy ny Indrafonao. Ianao marina tokoa no ilay Mahery, ilay Tena Mahampy, ilay Mpanasitrana, ilay Mpiaro, ilay Mpanao soa, ilay Be fangorahana, ilay Tena malala-tanana, ilay Tena be famindram-po.

#12865
- Bahá'u'lláh

 

Occasional

ANDRO MANELANELANA

(Ny andro manelanelana, ….. , dia andro fiomanana ho amin’ny fifadiankanina. Natokana izy ireo mba anaovana fampiantranoana, fiantràna sy fanomezana na fahatsiarovana).

Ry Andriamanitro ô, ry Afoko sy Fahazavako! Manomboka ny andro izay, nantsoina hoe: Ayyám-i-Há (1) ao amin’ny Bokinao, ô Ianao Mpanjakan’ny Anarana; ary ny androm-pifadiana nodidian’ny Peninao be voninahitra ho an’ireo izay monina ao amin’ny fanjakan’ny Faharianao dia manakaiky. Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô, noho ireto andro ireto ary noho ireo rehetra izay mamikitra ny fatoran’ny Didinao sy mifikitra amin’ny Fitsipikao, mandritra ity fotoana ity, mba hanome anjara toerana ny fanahin’ny tsirairay avy, ao amin’ny Fonenanao ary anjara seza amin’ny fotoana hisehoan’ny Famirapiratry ny Fahazavan’ny Endrikao.

Ny andron’ny Há, ny andro manelanelana

Indreto, ry Tompoko ô, ireo mpanomponao izay tsy misy fironana ratsy hanakana azy amin’izay nampidininao ao amin’ny Bokinao. Niondrika teo anoloan’ny Fototrao izy ireo; nandray ny Bokinao tamin’ny fanapahan-kevitra izay tsy avy aiza fa avy Aminao; ary nankatò izay nandidianao azy ireo, ary nifidy hanaraka izay nampidininao ho azy.

Hitanao, ry Tompoko ô, fa nahafantatra sy niaiky izay nambaranao tao amin’ny Soratrao izy ireo. Omeo ho sotroiny, ry Tompoko ô, avy amin’ny tanan’ny Fangorahanao, ny ranon’ny Mandrakizainao. Soraty ho azy ireo, noho izany, ny valisoa nodidiana ho an’izay niroboka tao amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao sy izay nahatratra ny divay voafantin’ny Fihaonana Aminao.

Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Mpiantra ny ampahoriana, mba handidy ho azy ireo ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Soraty ho azy ireo koa izay tsy mbola nisy nahita tamin’ireo voaharinao ary ataovy ho isan’ireo izay nihodidina Anao izy ireo, sy ireo izay mandeha manodidina ny sezam-piandriananao ao amin’ny tontolo tsirairain’ireo Tontolonao.

Ianao marina tokoa, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra ny zavatra rehetra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.

#9368
- Bahá'u'lláh

 

FIFADIAN-KANINA

Dera ho Anao ry Tompo Andriamanitro ô!

Mitalaho Aminao aho, noho ity Fanambarana ity izay nanova ny haizina ho fahazavana sy nananganana ny Tempoly faleha, ary nanambarana ny Takelaka voasoratra, sy nanokafana ny Horonan-taratasy; mba hampidina amiko sy amin’ireo mpiaradia amiko izay ahazoanay misondrotra eny amin’ny lanitry ny Voninahitrao ambony indrindra, ary hanadio anay amin’ny loton’ny fiahiahiana izay nisakana ireo be ahiahy tsy hiditra ao amin’ny taberinakelin’ny Firaisanao.

Izaho ry Tompoko ô, ilay nifikitra mafy tamin’ny fatoran’ny Fitiavanao feno halemem-panahy sy nifikitra tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao. Didio ho ahy ary koa ho an’ireo olon-tiako ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Omeo azy ireo, noho izany, ny Tolotra miafina izay nodidianao ho an’ireo nofidianao tamin’ireo voaharinao.

Indreto, ry Tompoko ô, ireo andro izay nandidianao ny mpanomponao hitandrina ny Fifadian-kanina. Voatahy izay mifady noho ny fitiavana Anao irery ihany ary amin’ny tsy firaiketana tanteraka amin’izay rehetra tsy Ianao. Ampio aho ary ampio izy ireo, ry Tompoko ô, mba hankatò Anao sy hitandrina ny Didinao. Marina tokoa, manana fahefana hanao izay nofidinao Ianao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa. Ny dera rehetra anie ho Anao ry Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

#9369
- Bahá'u'lláh

 

TAOMBAOVAO

Dera ho Anao, ry Andriamanitro ô, noho ny nandidianao ny Naw-Rúz ho androm-piravoravoana ho an’ireo izay nitandrina ny fifadian-kanina noho ny fitiavana Anao ary nifady izay rehetra tsy Tianao. Aoka, ry Tompoko ô, ny afon’ny Fitiavanao sy ny hafanana naterakin’ny fifadian-kanina izay nodidianao mba hampiredareda azy ao amin’ny Fototrao ary ahatonga azy hifantoka amin’ny Fiderana Anao sy ny fahatsiarovana Anao.

Satria nohaingonao izy ireo, ry Tompoko ô, tamin’ny ravakin’ny fifadian-kanina izay nodidianao, haingoy koa izy ireo, amin’ny ravakin’ny Fanekena Anao, avy amin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao. Koa satria ny asan’ny olona dia miankina amin’ny Fahafinaretanao avokoa, ary miankina amin’ny didinao. Raha heverinao fa ny olona iray izay nampiato ny fifadian-kanina dia toy ny nitandrina izany, izany olona izany dia nisaina ho isan’ireo nitandrina ny fifadian-kanina hatrizay. Ary raha toa ka nandidy Ianao fa izay nitandrina ny fifadian-kanina dia nampitsahatra izany, izany olona izany kosa dia isaina ho isan’ireo nahatonga ny Akanjon’ny Fanehoanao ho voloton’ny vovoka, ary nesorina lavitry ny rano mangatsakatsak’ity Loharanom-piainana ity.

Ianao, Ilay izay avy Aminy no nanandratana ny fanevan’ny “Mendri-piderana Ianao amin’ny Asanao,” sy nampihofahofana ny sainan’ny “Ankatoavina Ianao amin’ny Fandidianao”.

Ampahafantaro ny mpanomponao rehetra ity Laharana izay Anao ity, ry Andriamanitro ô, mba ahazoany mahafantatra fa ny fahatsaran’ny zava-drehetra dia miankina amin’ny Fandaharanao sy ny Teninao, ary ny fahatsaran’ny asa rehetra dia miankina amin’ny Fahafinaretanao sy ny Sitraponao; ary mba hanekeny fa ny fanjakan’ny asan’ olombelona dia eo an-tanan’ny Fanekenao sy ny Didinao. Ampahafantaro azy fa tsy misy na inona na inona eto an-tany afaka hanakana azy amin’ny Hatsaranao, amin’izao andro izao, izay nilazan’i Kristy hoe: “Anao ny fanapahana rehetra, o Ianao izay Rain’ny Fanahy”, ary izay niantsoan’ny Sakaizanao (Muhammad) hoe: “Voninahitra ho Anao, o Ianao Ilay Tiana Fatratra, satria ianao no naneho ny Hatsaranao ary nanoratra ho an’izay nofidinao izay ahatonga azy ireo hanatratra ny sezan’ny fanambarana ny Anaranao Lehibe Indrindra, Anarana izay nampitaraina ny vahoaka afatsy ireo izay tsy niraikitra tamin’ny zavatra hafa afa-tsy Taminao sy nametraka ny tenany Aminy izay Mpanambara ny Tenany sy Fanehoana ny Hatsaranao”.

Ireo Sampanao sy ireo mpiara-dia Aminao, ry Tompoko ô, dia nitsahatra nifady androany, rehefa avy nitandrina izany tao amin’ny manodidina ny Kianjanao, ary tamin’ny fahamaizany hahafaly Anao. Didio ho azy, sy ho azy ireo, ary koa ho an’ireo rehetra niditra teo amin’ny Fanatrehanao amin’izao andro izao, ny soa rehetra izay nalahatra tao amin’ny Bokinao. Omeo azy ireo, noho izany, izay rehetra mahasoa amin’ity fiainana ity sy any ankoatra.

Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahalala ny zavatra rehetra, Ilay tena Hendry.

#9370
- Bahá'u'lláh

 

Tablets

TAKELAK’I AHMAD

Izy no Mpanjaka, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry!

Jereo ange ny Railovin’ny Paradisa dia mikalo eo amin’ny rantsan’ny hazon’ny Mandrakizay, amin’ny feo masina sy malefaka, manambara amin’ny fanahy marina ny vaovao mahafaly ny fanakaikezan’Andriamanitra, miantso ireo izay mino ny Maha-tokana an’ Andriamanitra mba ho tonga eo anatrehan’Ilay Onena olona, mampahafantatra an’ireo izay tafasaraka ny Hafatra izay nambaran’Andriamanitra, Ilay Mpanjaka, Ilay be voninahitra, Ilay Tapitr’ohatra, mitarika ireo izay tia ho eny amin’ny toeran’ny fahamasinana sy eny amin’ny Hatsaran-tarehy mamirapiratra.

Marina tokoa, io no Hatsaran-tarehy tapitr’ohatra, voalaza ao amin’ny Bokin’ireo Mpitondra hafatra, izay hanavahana ny marina amin’ny diso sy izay hitsapana ny fahendren’ny didy rehetra.

Marina tokoa, io Ilay Hazon’ny fiainana izay mitondra ny vokatr’Andriamanitra, Ilay Deraina, Ilay Manam-pahefana, Ilay Lehibe.

Ry Ahmad ô! Aoka ho vavolombelona ianao fa, marina tokoa, Izy Ilay Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Ilay Mpanjaka, Ilay Mpiaro, Ilay Tapitr’ohatra, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra. Ary Ilay nirahiny mitondra ny anarana hoe ALI dia Iraka avy amin’Andriamanitra marina tokoa izay arahantsika rehetra ny didy.

Lazao: Ry vahoaka ô, ankatoavy ny didin’Andriamanitra izay nandidian’Ilay Be Voninahitra, Ilay Hendry, ao amin’ny Bayán. Marina tokoa, Izy no Ilay Mpanjakan’ireo Iraka rehetra ary ny Bokiny dia Ilay “Reny Boky” Fototra, raha mba fantatrareo izany.

Noho izany, avy ato amin’ity tranomaizina ity ny Railovy dia mandefa ny Antsony any aminareo. Andraikiny ny milaza aminareo ity Fanambarana mazava ity. Ireo izay maniry, aoka izy handà izany anatra izany, ary ireo izay maniry, aoka izy hifidy ny lalan’ny Tompony.

Ry vahoaka ô, raha lavinareo izao andininy izao, inona no porofo hinoanareo an’ Andriamanitra? Lazao ry fikambanan’ny mpihatsaravelatsihy ô! Tsia, noho Ilay izay mitana ny fanahiko eo am-pelatanany, tsy afaka hanao izany izy na oviana na oviana izy, na dia hifandray sy hifanampy aza izy rehetra.

Ry Ahmad ô! Aza adinonao ny Fahasoavako mandritry ny tsy maha-eo Ahy. Tsarovy ireo androko mandritry ny andronao, ary ny fahavoazako sy ny sesitaniko ato amin’ity figadrana lavitra ity. Ary miorena mafy ao amin’ny fitiavako mba tsy ho voahozongozona ny fonao, eny na dia hiantefa aminao aza ny sabatr’ireo fahavalonao, ary ny lanitra sy ny tany hitsangana hamely aminao.

Aoka ho lelafo mivaivay ho an’ireo fahavaloko, ary ho onin’ny fiainana mandrakizay ho an’ireo malalako ary aoka tsy ho isan’ireo izay misalasala. Ary na dia hisedra fijaliana aza ianao eny amin’ny lalako na fanambaniana noho ny Amiko, aoka tsy hiontsina amin’izany.

Mahatoisa an’Andriamanitra, Ilay Andriamanitrao sy Tompon’ny razanao. Satria ny vahoka dia mirenireny eny amin’ny lalan’ny fahadisoan-kevitra, tsy manana fahaiza-manavaka hahita an’Andriamanitra amin’ny masony manokana na handre ny Kalony amin’ny fandrenesany manokana. Toa izany no ahitanay azy ireo, araka izay ahitanareo azy koa.

Noho izany, ny finoanoampoan’izy ireo dia lasa voaly manelanelana azy sy ny fony ary nampihataka azy amin’ny lalan’Andriamanitra, Ilay Avo, Ilay Lehibe.

Aoka Ianao hahatoky fa, marina tokoa, izay mihodina amin’io Hatsaran-tarehy io dia efa nihodina tamin’ireo Iraka taloha ary efa nampiseho fireharehana tamin’Andriamanitra hatrizay hatrizay.

Ianaro tsara ity Takelaka ity, ry Ahmad ô! Hirao mandritry ny fiainanao ary aza mihataka aminy. Satria, marina tokoa, Andriamanitra dia nanokana ho an’izay mihira azy ny valim-pitian’ny maritiora zato sy fanompoana iray eto an-tany sy any an-danitra. Izany tombotsoa izany, dia nomenay ho anao ho marikin’ny Fahasoavana avy Aminay sy ny famindrampo avy amin’ny Fanatrehanay mba ahatonga anao ho isan’ireo izay mahay mankasitraka.

Amin’ny alalan’Andriamanitra! Izay ao anatin’ny fahoriana sy ny alahelo ka mamaky ity Takelaka ity am-pahamarinana tokoa, Andriamanitra dia hampisava ny alahelony, handamina ny fahasahiranany ary hamonjy azy amin’ny fahoriany.

Marina tokoa, Izy Ilay be Indrafo, Ilay Mpangoraka. Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

#9367
- Bahá'u'lláh

 

TAKELAKY NY AFO

TAKELAKY NY AFO

Amin’anaran’Andriamanitra, ilay Tranainy indrindra, ilay Lehibe indrindra.

Marina tokoa, ny fon’ny mpino dia mitsonika ao amin’ny afon’ny fisarahana:

Aiza ny taratry ny fahazavan’ny tavanao, ry Malalan’ny izao rehetra izao ô?

Ireo izay akaiky anao dia nariana tao amin’ny haizin’ny fangaihaizana:

Aiza ny taratry ny marainan’ny fihaonanao, ry Fanirian’izao tontolo izao ô?

Ny vatan’ireo izay voafidinao dia mitsitra miala aina ery ambony fasika lavitra dia lavitra: Aiza ny anomasimben’ny fanatrehanao, ry Mpamalifalin’izao tontolo izao ô?

Tanana maro mitalaho no mihinjitra eny amin’ny lanitry ny fangorahana sy fahatsoram-po: Aiza ny oran’ny zava-tsoa vitanao, Ianao Mpampifaly an’izao tontolo izao ô?

Mpanao jadona, ny tsy mpino dia nipoitra etsy sy eroa: Aiza ny fahefana tsy hay tohain’ny penin’ny fibaikoanao, ry Mpandresy izao tontolo izao ô?

Ny fivovoan’ny alika dia manako hatraiza hatraiza: Aiza ny lion’ny alan’ny herinao, ianao izay manasazy izao tontolo izao ô?

Manafika ny olona rehetra ny hatsiaka: Aiza ny hafanan’ny fitiavanao, ry Afon’izao tontolo izao ô?

Tonga eo amin’ny faratampony ny fahoriambe: Aiza ny famantarana ny famonjenao, ry Fanavotan’izao tontolo izao ô?

Mandrakotra ny ankamaroan’ny olona ny haizi-kitroka: Aiza ny taratry ny hatsaranao, ry hazavana mamiratr’izao tontolo izao ô?

Mihenjan’ny hafetsena ny hatoky ny olona: Aiza ireo sabatry ny valifatinao, ry Mpanapotika an’izao tontolo izao ô?

Mipaka hatrany amin’ny fara hantsana ny fahambaniana: Aiza avy ny famantarana ny ny voninahitrao, ry Voninahitr’izao tontolo izao ô?

Ny alahelo dia mankarary ny Mpanambara ny Anaranao, ilay Be Famindram-po : Aiza ny hafalian’ny Mangiran-dratsin’ny fanambaranao, ry Mpanome hafalian’ny tany ô?

Voagejan’ny tahotra ny mponina rehetra eto an-tany: Aiza ny fanevan’ny haravoambenao, ry Fifalian’izao rehetra izao ô?

Hitanao ny Nipoiran’ny marikao dia takon’ny bitsiky ny fanaratsiana: Aiza ireo rantsantananan’ny herinao, ry Fahefan’izao tontolo izao ô?

Mamely ny olona rehetra ny hetaheta mamaivay: Aiza ny reniranon’ny fahatsoram-ponao, ry Famindram-pon’izao tontolo izao ô?

Manandevo ny olona rehetra ny fitiavam-bola: Aiza ireo fanehoan’ny tsy firaiketana, ry Tompon’izao rehetra izao ô?

Hitanao ity Voageja, manirery ao amin’ny sesitaniny: Aiza ireo tafiky ny lanitry ny fibaikoanao, ry Mpanjakan’izao tontolo izao ô?

Narina an-tany tsy fantatra aho: Aiza ny famantarana ny tsy fivadihanao, ry Fanantenan’izao tontolo izao ô?

Ny tebiteby goavan’ny fahafatesana dia mangeja ny olona rehetra: Aiza ny fikorinan’ny ranomasimben’ny ny fiainana mandrakizainao?

Ny takoritsik’i satana dia miely any amin’ny voahary tsirairay: Aiza ny pitikafonao, ry hazavan’izao tontolo izao ô?

Ny hamamoan’ny filan-dratsy dia nanova ny ankamaroan’ny olona: Aiza ireo mangirandratsin’ny fahadiovana, ry Fanirian’izao tontolo izao ô?

Hitanao ny jadona manepotra ity Voageja any amin’ireo Syriana: Aiza ny taratry ny hazavanao vao misandratra, ry Fahazavan’izao tontolo izao ô?

Hitanao aho fa voaheloka hangina: Avy aiza no hipoitra ireo hirahiranao, ry Railovin’ny tany ô?

Ny fisaintsainana maivana sy tsy misy antony dia nanenika ny ankamaroan’ny olona: Aiza ny mpanazava ny fahamarinanao, ry Fahamarinan’ny tany ô?

Bahà dia rendrika ao amin’ny ranomasimben’ny fanenjehana: Aiza ny sambo fiaran’ny fanavotanao, ry Mpamonjy an’izao tontolo izao ô?

Hitanao ny Mangiran-dratsin’ny teninao very ao anaty haizin’ny famoronana: Aiza ny masoandron’ny lanitry ny famindram-ponao, ry Fanilon’izao tontolo izao ô?

Maty ny jiron’ny fahamarinana sy ny fahadiovana, ny fitokisana sy ny voninahitra: Aiza ny famantarana ny hatezeranao mamaly faty, ry Mpanetsika an’izao tontolo izao ô?

Mahita iray ve hianao izao miaro ny Fanehoanao na misaintsaina ny olana sedrainy ao amin’ny lalan’ny fitiavanao?

Indro fa mijanona ny peniko, ry Malalan’ny tany ô! Ny rantsan’ny Hazo masina dia nitsitra voatapatapaky ny rivo-maherin’ny lahatra: Aiza ny fanevan’ny famonjenao, ry Mpiaro an’izao tontolo izao ô

Ny vovoky ny fanendrikendrehana dia manakona ity Tava: Aiza ny tsio-drivotry ny fiombonanao alahelo, ry Famindram-pon’izao rehetra izao ô?

Ny vahoakan’ny fihatsaram-belatsihy dia mandoto ny fanamian’ny fahadiovana: Aiza ny akanjon’ny fahamasinanao, Ianao izay mampihaingo ny tany ô?

Ny asan’ny olombelona dia tsy nampanonja ny ranomasimben’ny famelàna:

Aiza ny onjan’ny fahalalaham-ponao, ry Fanirian’ny tany ô?

Ny jadon’ireo fahavalonao dia manidy ny varavarana mankao amin’ny fanatrehana masina: Aiza ny fanalahidin’ny fanaovantsoanao, Ianao izay manokatra ny varavaran’izao tontolo izao ô?

Ny rivotra voapoizin’ny fikomiana dia nampalazo ireo ravinkazo: Aiza ny oramben’ny rahon’ny fahatsoram-ponao, ry Mpanome ny tany ô?

Ny vovoky ny fahotana dia manamaizina ny tany manontolo: Aiza ny rivotry ny famelanao, Ianao izay Mamela heloka an’izao tontolo izao ô?

Manirery an-tany hay ity Zatovo ity: Aiza ny oran’ny famelanao avy any an-danitra, ry Mpanasoa an’izao tontolo izao ô?

O ry Penina vo indrindra, henonay ao amin’ny fanjakan’ny mandrakizay ny antsonao kanto indrindra: Manongilàna sofina amin’izay lazain’ny Lelan’ny halehibe, ry Tra-boinan’izao rehetra izao ô!

Raha tsy ny hatsiaka, ahoana no ahanan-danja ny hafanan’ ireo teninao, ry Mpandika tenin’izao tontolo izao ô?

Raha tsy misy ny loza amin’atambo, ahoana no hampamirapiratra ny masoandron’ny

faharetanao, ry Hazavan’izao tontolo izao ô?

Aza mitoreo noho ireo masiaka hianao. Nohariana hisedra sy hiaritra hianao, ry Faharetan’izao tontolo izao ô!

Mamy ny fipoitranao ao amin’ireo mpikomy ery amin’ny fiandohan’ ny Fanekena, ary mamy ny fanirianao ho amin’Andriamanitra, ry Fitiavan’izao tontolo izao ô!

Natsatokao eny amin’ny havoana avo indrindra ny fanevan’ny fahaleovan-tena, ary napoitranao ny ranomasimben’ny fahatsoram-po, ry Hafaliamben’izao tontolo izao ô!

Ny maha manirery anao no nampipoitra ny masoandron’ny maha iray ary ny sazinao nanatsara ny tanin’ny maha tokana. Aoka haharitra, Ianao, ilay Sesitanin’izao tontolo izao ô!

Nataonay akanjon’ny voninahitrao ny fanetre-tena, ny fijaliana ho haingon’ny tempolinao, ry Reharehan’izao tontolo izao ô!

Hitanao ireo fo feno fankahalana, noho izany, misehoa hianao ho mpamela heloka, Ianao ilay manafina ny fahotan’izao rehetra izao ô!

Raha miranirany ny lefona, mandrosoa, raha manidina ny zana-tsipika, hamafiso ny dia, ry Soron’izao tontolo izao ô!

Mitomany ve hianao sa izaho no tsy maintsy handatsaka izany?, Izaho no tokony hitomany amin’ny havitsin’ireo mpiaro anao, Iianao, fototry ny toreon’izao tontolo izao ô!

Eny, henoko ny antsonao, O ry Malala tena Be voninahitra! Ankehitriny ny hafanan’ny fanenjehana ary ny afon’ny teninao mamirapiratra dia mampirehitra ny Endrik’i Bahà., Indro izy, mahatoky, eo amin’ny toeram-panaovanan-tsorona, maniry fatratra ny hafalianao, ry Mpandahatra izao rehetra izao ô!

Ry Ali-Akbar ô, Isaoro ny Tomponao noho ity takelaka ity. Azonao fohana ao ny hanitry ny fanetretenako hianao ary hitanao ao ny fijaliana izay nosedrainay tao amin’ny lalan’Andriamanitra, ilay lalain’ny olon-drehetra. Raha mamaky sy mandinika an’ity ny mpanompo rehetra, misy afo hirehitra ao anaty lalandrany, izay hampirehitra ny tany manontolo.

#12866
- Bahá'u'lláh