Return to BahaiPrayers.net   Facebook

VAVAKA HOAN’NY VALANARETINA

Amin'ny Anarany, Ilay Asandratra Indrindra, Ilay Tena Avo, Ilay Tsara Indrindra!

Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! O Ianao ilay Andriamanitro, sy Mpampianatro, sy Tompoko, sy Mpanohana ahy, sy Fanantenako , sy Fialofako sy Fahazavako. Mangataka Aminao aho, amin'ny Anaranao miafina sy sarobidy, izay tsy misy mahalala afa-tsy Ianao irery ihany, mba hiaro izay mitondra ity takelaka ity amin'ny loza sy ny valan'aretina rehetra, amin'ny lehilahy sy vehivavy manana toetran-devoly rehetra; amin’ny asa ratsin’ireo ratsy fanahy sy amin’ny tetidratsin’ireo tsy mpino. Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, amin'izay mety ho fanaintainana sy alahelo rehetra, ô Ianao izay mitazona eo an-Tananao ny fanjakana amin-javatra rehetra.

Tena mahery marina tokoa ambonin’ny zavatra rehetra Ianao. Manatanteraka izay tianao Ianao ary mandidy izay Irinao. O Ianao Mpanjakan'ny Mpanjaka ! O Ianao Tompo tsara . O Ianao Loharanon'ny Hatsaram-panahy fahagola, ny fahasoavana, ny fahalalahan-tanana sy ireo soa! O Ianao Mpanasitrana ireo aretina! O Ianao izay ampy ho an’ireo filànay! O Ianao Fahazavan’ny fahazavana rehetra! O Ianao Fahazavana ambonin’ireo fahazavana rehetra! O Ianao Mpanambara ireo Fanehoana tsirairay avy! O Ianao Ilay Mpangoraka! O Ianao Ilay Mpamindra fo! Mamindrà fo amin'izay mitondra ity takelaka ity, amin'ny Fangoraham-ponao lehibe indrindra sy ny fahasoavanao marobe, ô Ianao Ilay Mpamindra fo, Ianao Ilay Malala-tanana. Arovy ihany koa izy, amin'ny alàlan'ny Fiarovanao, amin'ny zavatra rehetra mety hahatsiravina ny fony sy ny sainy.

Amin'ireo izay manam-pahefana, Ianao, marina tokoa, no Mahery indrindra. Ny Voninahitr'Andriamanitra anie hitoetra aminao, ô ry masoandro misandratra! Mijoroa ho vavobolombelona amin'izay nambaran'Andriamanitra fa Izy Tenany mihitsy, fa tsy misy

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac