Return to BahaiPrayers.net   Facebook

VAVAKA FANGATAHAM-PAHASITRANANA LAVA

Izy no Ilay Mpanasitrana, Ilay Mahampy, ilay Mpamonjy, ilay Mpamela heloka

mandrakariva, ilay Tena be indrafo!

Miantso Anao aho ry Ankalazaina ô, ry Mahatoky ô, ry Be voninahitra ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanjaka ô, ry Mpanandratra ô, ry Mpitsara ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy manan-tsahala ô, ry Maharitra mandrakizay ô, ry Tsy manapaharoa ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Deraina indrindra ô, ry Masina ô, ry Mpamonjy ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manapiovana ô!

Miantso anao aho ry Mahalala ny zavatra rehetra ô, ry Hendry Indrindra ô, ry Lehibe indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana,Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Malemy Fanahy ô, ry Lehibe sy mahagaga ô, ry Mpandidy ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tiana indrindra ô, ry Lalaina fatratra ô, ry Maharavoravo fanahy

ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsitoha ô, ry Mpanohana ô, ry Mahery ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy

manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpifehy ô, ry Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny tenany ô, ry Mpahalala ny zavatra rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Fanahy ô, ry Fahazavana ô, ry Miharihary indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsymanam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Mpiara-dia amin’ny rehetra ô, Ianao ry Fantatry ny rehetra ô, Ianao ry Takona amin’ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Miafina ô, ry Mpandresy ô, ry Mpizara ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsitoha ô, ry Mpamonjy ô, ry Mpitana tsiambaratelo ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpamolavola ô, ry Mpanao soa ô, ry Mpanongana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanondrotra ô, ry Mpampikambana ô, ry Mpanandratra ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpandavorary ô, ry Tsy manampetra ô, ry Malemy fanahy ô!

Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanasoa ô, ry Miasa mangina ô, ry Mpamorona ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Avo Indrindra ô, ry Tsara tarehy indrindra ô, ry Be Fiantrana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Marina ô, ry Be fitiavana ô, ry Malala-tanana ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy hay tohaina ô, ry Maharitra mandrakizay ô, ry Manam

pahalalana indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mahagaga ô, ry Tranainy Indrindra ô, ry Malemy fanahy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsymanam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsara fiambenana ô, ry Tompon’ny hafaliana ô, ry Iriana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsara fanahy amin’ny rehetra ô, ry Mpangoraka ny rehetra ô, ry Be fitiavana indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Fitodihana ho an’ny rehetra ô, ry Fialofana ho an’ny rehetra ô, ry Mpiaro ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso anao aho ry Mpamonjy ho an’ny rehetra ô, ry Fiantsoana vonjy ho an’ny

rehetra ô, ry Mpamelombelona ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso anao aho ry Mpanambara ô, ry Mpandrava ô, ry Be famindram-po indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Fanahiko ô, Ianao ry Mamiko indrindra ô, Ianao ry Finoako ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanala hetaheta ô, ry Tompo avo indrindra ô, ry Sarobidy Indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy hay hadinoina ô, ry Anarana Mendrika Indrindra ô, ry Lalana tranainy indrindra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manampiovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Deraina indrindra ô, ry Masina Indrindra ô, ry Nohamasinina ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpanafaka ô, ry Mpanolotsaina ô, ry Mpanavotra ô! Ianao ilay

Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Namana ô, ry Mpitsabo ô, ry Mpamabo ô! Ianao ilay Mahampy,

Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Voninahitra ô, ry Hatsaran-tarehy ô, ry Malemy fanahy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manampiovana ô!

Miantso Anao aho ry Itokiana indrindra ô, ry Tena tia indrindra ô, ry Tompon’ny tsirim-pahazavana ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Mpampiredareda ô, ry Mpamelombelona ô, ry Mpampifaly ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tompon’ny Hatsaram-panahy ô, ry Tena be fangorahana ô, ry

Tena be indrafo ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tsy mba miova ô, ry Mpanome aina ô, ry Loharanon’ny fisiana

rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Tena matsilo saina ô, ry Andriamanitra mahalala ny zava-drehetra ô, ry Tompon’ny teny ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho ry Miharihary nefa miafina ô, ry Tsy hita maso nefa malaza ô, ry

Mpanatri-maso katsahin’ny rehetra ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Miantso Anao aho Ianao ry Mpandripaka ireo mpitia ô, ry Andriamanitry ny indrafo ho an’ireo olon-dratsy ô! Ianao ilay Mahampy, Ianao ilay Mpanasitrana, Ianao ilay Tsy manam-piovana, Ianao ry Tsy manam-piovana ô!

Ry Mpizara fahasoavana ô, miantso Anao aho, ry Mpizara fahasoavana ô! Ry Mpanasitrana ô, miantso Anao aho, ry Mpanasitrana ô! Ry Tsy manam-piovana ô, miantso Anao aho, ry Tsy manam-piovana ô! Ianao Ilay Maharitra mandrakizay, Ianao ry Maharitra mandrakizay ô!

Hohamasinina anie Ianao, Ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Fahalalatananao izay nanokafana midanadana ny varavaran’ny Halemem-panahinao sy ny Fahasoavanao, izay nanorenana ny Tempolin’ny Fahamasinana teo amin’ny Seza fiandrianan’ny mandrakizay; ary noho ny Famindram-ponao izay nanasanao ny zavatra nohariana rehetra ho eo amin’ny latabatry ny Hatsaram-panahinao sy ny Fanomezantsoanao; ary noho ny Indrafonao izay nahatonga anao hamaly, ao am-ponao mangina, hoe “Eny!” amin’ny anaran’ireo rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany, amin’ny fotoana izay nanambarana ny Fiandriananao sy ny Fahalehibeazanao, vao mangirandratsy izay nanehoana ny herin’ny Fanapahanao.

Ary mbola mitalaho Aminao aho, avy amin’ireo anarana soa indrindra ireo, avy amin’ireo toetra mendrika sy ambony indrindra ireo, ary avy amin’ny Fahatsiarovanao ankalazaina indrindra, ary avy amin’ny Hatsaran-tarehinao madio sy tsy misy pentina, ary avy amin’ny Hazavanao miafina ao amin’ny trano lay miafina indrindra, ary avy amin’ny Anaranao voarakotry ny akanjon’ny fangirifiriana isaky ny maraina sy hariva, mba hiarovana izay mitondra ity Takelaka voatahy ity, sy izay rehetra miventy azy, sy izay rehetra tojo azy, ary izay rehetra mandalo manodidina ny trano itehirizana azy. Sitrano avy amin’ny alalany, noho izany, izay rehetra marary, tratry ny aretina sy fadiranovana, amin’ny fangirifiriana sy ny famoizam-po rehetra, avy amin’ny fahoriana sy alahelo mahatsiravina rehetra, ary tariho avy amin’ny alalany izay rehetra maniry hiditra eo amin’ny lalan’ny Fitarihanao, sy ny lalan’ny Famelan-keloka sy ny Indrafonao. Ianao marina tokoa no ilay Mahery, ilay Tena Mahampy, ilay Mpanasitrana, ilay Mpiaro, ilay Mpanao soa, ilay Be fangorahana, ilay Tena malala-tanana, ilay Tena be famindram-po.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac