Return to BahaiPrayers.net
Facebook
TAKELAKY NY AFO
Amin’anaran’Andriamanitra, ilay Tranainy indrindra, ilay Lehibe indrindra.
Marina tokoa, ny fon’ny mpino dia mitsonika ao amin’ny afon’ny fisarahana:
Aiza ny taratry ny fahazavan’ny tavanao, ry Malalan’ny izao rehetra izao ô?
Ireo izay akaiky anao dia nariana tao amin’ny haizin’ny fangaihaizana:
Aiza ny taratry ny marainan’ny fihaonanao, ry Fanirian’izao tontolo izao ô?
Ny vatan’ireo izay voafidinao dia mitsitra miala aina ery ambony fasika lavitra dia lavitra: Aiza ny anomasimben’ny fanatrehanao, ry Mpamalifalin’izao tontolo izao ô?
Tanana maro mitalaho no mihinjitra eny amin’ny lanitry ny fangorahana sy fahatsoram-po: Aiza ny oran’ny zava-tsoa vitanao, Ianao Mpampifaly an’izao tontolo izao ô?
Mpanao jadona, ny tsy mpino dia nipoitra etsy sy eroa: Aiza ny fahefana tsy hay tohain’ny penin’ny fibaikoanao, ry Mpandresy izao tontolo izao ô?
Ny fivovoan’ny alika dia manako hatraiza hatraiza: Aiza ny lion’ny alan’ny herinao, ianao izay manasazy izao tontolo izao ô?
Manafika ny olona rehetra ny hatsiaka: Aiza ny hafanan’ny fitiavanao, ry Afon’izao tontolo izao ô?
Tonga eo amin’ny faratampony ny fahoriambe: Aiza ny famantarana ny famonjenao, ry Fanavotan’izao tontolo izao ô?
Mandrakotra ny ankamaroan’ny olona ny haizi-kitroka: Aiza ny taratry ny hatsaranao, ry hazavana mamiratr’izao tontolo izao ô?
Mihenjan’ny hafetsena ny hatoky ny olona: Aiza ireo sabatry ny valifatinao, ry Mpanapotika an’izao tontolo izao ô?
Mipaka hatrany amin’ny fara hantsana ny fahambaniana: Aiza avy ny famantarana ny ny voninahitrao, ry Voninahitr’izao tontolo izao ô?
Ny alahelo dia mankarary ny Mpanambara ny Anaranao, ilay Be Famindram-po : Aiza ny hafalian’ny Mangiran-dratsin’ny fanambaranao, ry Mpanome hafalian’ny tany ô?
Voagejan’ny tahotra ny mponina rehetra eto an-tany: Aiza ny fanevan’ny haravoambenao, ry Fifalian’izao rehetra izao ô?
Hitanao ny Nipoiran’ny marikao dia takon’ny bitsiky ny fanaratsiana: Aiza ireo rantsantananan’ny herinao, ry Fahefan’izao tontolo izao ô?
Mamely ny olona rehetra ny hetaheta mamaivay: Aiza ny reniranon’ny fahatsoram-ponao, ry Famindram-pon’izao tontolo izao ô?
Manandevo ny olona rehetra ny fitiavam-bola: Aiza ireo fanehoan’ny tsy firaiketana, ry Tompon’izao rehetra izao ô?
Hitanao ity Voageja, manirery ao amin’ny sesitaniny: Aiza ireo tafiky ny lanitry ny fibaikoanao, ry Mpanjakan’izao tontolo izao ô?
Narina an-tany tsy fantatra aho: Aiza ny famantarana ny tsy fivadihanao, ry Fanantenan’izao tontolo izao ô?
Ny tebiteby goavan’ny fahafatesana dia mangeja ny olona rehetra: Aiza ny fikorinan’ny ranomasimben’ny ny fiainana mandrakizainao?
Ny takoritsik’i satana dia miely any amin’ny voahary tsirairay: Aiza ny pitikafonao, ry hazavan’izao tontolo izao ô?
Ny hamamoan’ny filan-dratsy dia nanova ny ankamaroan’ny olona: Aiza ireo mangirandratsin’ny fahadiovana, ry Fanirian’izao tontolo izao ô?
Hitanao ny jadona manepotra ity Voageja any amin’ireo Syriana: Aiza ny taratry ny hazavanao vao misandratra, ry Fahazavan’izao tontolo izao ô?
Hitanao aho fa voaheloka hangina: Avy aiza no hipoitra ireo hirahiranao, ry Railovin’ny tany ô?
Ny fisaintsainana maivana sy tsy misy antony dia nanenika ny ankamaroan’ny olona: Aiza ny mpanazava ny fahamarinanao, ry Fahamarinan’ny tany ô?
Bahà dia rendrika ao amin’ny ranomasimben’ny fanenjehana: Aiza ny sambo fiaran’ny fanavotanao, ry Mpamonjy an’izao tontolo izao ô?
Hitanao ny Mangiran-dratsin’ny teninao very ao anaty haizin’ny famoronana: Aiza ny masoandron’ny lanitry ny famindram-ponao, ry Fanilon’izao tontolo izao ô?
Maty ny jiron’ny fahamarinana sy ny fahadiovana, ny fitokisana sy ny voninahitra: Aiza ny famantarana ny hatezeranao mamaly faty, ry Mpanetsika an’izao tontolo izao ô?
Mahita iray ve hianao izao miaro ny Fanehoanao na misaintsaina ny olana sedrainy ao amin’ny lalan’ny fitiavanao?
Indro fa mijanona ny peniko, ry Malalan’ny tany ô! Ny rantsan’ny Hazo masina dia nitsitra voatapatapaky ny rivo-maherin’ny lahatra: Aiza ny fanevan’ny famonjenao, ry Mpiaro an’izao tontolo izao ô
Ny vovoky ny fanendrikendrehana dia manakona ity Tava: Aiza ny tsio-drivotry ny fiombonanao alahelo, ry Famindram-pon’izao rehetra izao ô?
Ny vahoakan’ny fihatsaram-belatsihy dia mandoto ny fanamian’ny fahadiovana: Aiza ny akanjon’ny fahamasinanao, Ianao izay mampihaingo ny tany ô?
Ny asan’ny olombelona dia tsy nampanonja ny ranomasimben’ny famelàna:
Aiza ny onjan’ny fahalalaham-ponao, ry Fanirian’ny tany ô?
Ny jadon’ireo fahavalonao dia manidy ny varavarana mankao amin’ny fanatrehana masina: Aiza ny fanalahidin’ny fanaovantsoanao, Ianao izay manokatra ny varavaran’izao tontolo izao ô?
Ny rivotra voapoizin’ny fikomiana dia nampalazo ireo ravinkazo: Aiza ny oramben’ny rahon’ny fahatsoram-ponao, ry Mpanome ny tany ô?
Ny vovoky ny fahotana dia manamaizina ny tany manontolo: Aiza ny rivotry ny famelanao, Ianao izay Mamela heloka an’izao tontolo izao ô?
Manirery an-tany hay ity Zatovo ity: Aiza ny oran’ny famelanao avy any an-danitra, ry Mpanasoa an’izao tontolo izao ô?
O ry Penina vo indrindra, henonay ao amin’ny fanjakan’ny mandrakizay ny antsonao kanto indrindra: Manongilàna sofina amin’izay lazain’ny Lelan’ny halehibe, ry Tra-boinan’izao rehetra izao ô!
Raha tsy ny hatsiaka, ahoana no ahanan-danja ny hafanan’ ireo teninao, ry Mpandika tenin’izao tontolo izao ô?
Raha tsy misy ny loza amin’atambo, ahoana no hampamirapiratra ny masoandron’ny
faharetanao, ry Hazavan’izao tontolo izao ô?
Aza mitoreo noho ireo masiaka hianao. Nohariana hisedra sy hiaritra hianao, ry Faharetan’izao tontolo izao ô!
Mamy ny fipoitranao ao amin’ireo mpikomy ery amin’ny fiandohan’ ny Fanekena, ary mamy ny fanirianao ho amin’Andriamanitra, ry Fitiavan’izao tontolo izao ô!
Natsatokao eny amin’ny havoana avo indrindra ny fanevan’ny fahaleovan-tena, ary napoitranao ny ranomasimben’ny fahatsoram-po, ry Hafaliamben’izao tontolo izao ô!
Ny maha manirery anao no nampipoitra ny masoandron’ny maha iray ary ny sazinao nanatsara ny tanin’ny maha tokana. Aoka haharitra, Ianao, ilay Sesitanin’izao tontolo izao ô!
Nataonay akanjon’ny voninahitrao ny fanetre-tena, ny fijaliana ho haingon’ny tempolinao, ry Reharehan’izao tontolo izao ô!
Hitanao ireo fo feno fankahalana, noho izany, misehoa hianao ho mpamela heloka, Ianao ilay manafina ny fahotan’izao rehetra izao ô!
Raha miranirany ny lefona, mandrosoa, raha manidina ny zana-tsipika, hamafiso ny dia, ry Soron’izao tontolo izao ô!
Mitomany ve hianao sa izaho no tsy maintsy handatsaka izany?, Izaho no tokony hitomany amin’ny havitsin’ireo mpiaro anao, Iianao, fototry ny toreon’izao tontolo izao ô!
Eny, henoko ny antsonao, O ry Malala tena Be voninahitra! Ankehitriny ny hafanan’ny fanenjehana ary ny afon’ny teninao mamirapiratra dia mampirehitra ny Endrik’i Bahà., Indro izy, mahatoky, eo amin’ny toeram-panaovanan-tsorona, maniry fatratra ny hafalianao, ry Mpandahatra izao rehetra izao ô!
Ry Ali-Akbar ô, Isaoro ny Tomponao noho ity takelaka ity. Azonao fohana ao ny hanitry ny fanetretenako hianao ary hitanao ao ny fijaliana izay nosedrainay tao amin’ny lalan’Andriamanitra, ilay lalain’ny olon-drehetra. Raha mamaky sy mandinika an’ity ny mpanompo rehetra, misy afo hirehitra ao anaty lalandrany, izay hampirehitra ny tany manontolo.
- Bahá'u'lláh