Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Deraina sy omem-boninahitra anie Ianao, ry Andriamanitra! Aoka ho avy haingana ny andro izay anatratrarana ny fanatrehanao masina. Ampifalio ny fonay amin’ny herin’ny Fitiavanao sy ny Sitraponao tsara ary omeo anay ny fahamatorana mba hahafahanay manaiky an-tsitrapo ny Sitraponao sy ny Didinao. Marina tokoa, ny Fahalalanao dia mandrakotra ny zavatra noharianao sy hoharianao rehetra ary ny Fahefan-danitrao dia mihoatra noho ny an’izay nantsoinao sy izay hantsoinao ho amin’ny fisiana. Tsy misy ho tompoina afa-tsy Ianao, tsy misy hiriana afa-tsy Ianao, tsy misy ho deraina afa-tsy Ianao ary tsy misy ho tiavina afa-tsy ny Sitraponao tsara.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanapaka ambony indrindra, Ilay Fahamarinana ambony indrindra, Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.
- The Báb