Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Deraina anie Ianao, ry Tompo. Mamela ny helokay, mamindra fo aminay ary avelao izahay hiverina any Aminao. Sakano izahay tsy hiantehetra na amin’iza na amin’iza afa-tsy Aminao, ary omeo anay, amin’ny alalan’ ny Hatsaran-toetranao, izay tianao sy irinao ary izay mendrika Anao. Asandrato ny laharan’ireo izay tena nino ary mamela heloka azy ireo noho ny Famelanao be indrafo. Marina tokoa, Ianao Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.
- The Báb