Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitra ô sy Tompoko! Mpanomponao aho ary zanakin’ny mpanomponao. Nifoha teo amin’ny fandriam-pialan-tsasatro aho amin’izao mangirandratsy izao raha indro ny Kintana Marainan’ny mahatokana Anao mamiratra ery amin’ny marainan’ny Sitraponao ary nanapariaka ny tarany eo amin’izao tontolo izao, araka izay nandidiana an’izany ao amin’ny Bokin’ny Didinao.
Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, satria nifoha tamin’ny hakanton’ny famirapiratrin’ ny fahazavan’ny Fahalalanao izahay. Arotsahy aminay, ry Tompoko ô izay ahafahanay mandà izay rehetra hafa afatsy Ianao ary hialanay amin’ny firaiketampo rehetra, afatsy Aminao. Mandahara ihany koa, ho ahy, sy ho an’ireo izay olona sarobidy amiko, ho an’ny fianakaviako, na lehilahy na vehivavy, ny soan’ity tany ity sy ny any an-koatra. Arovy izahay, noho izany, amin’ny alalan’ny Fiarovanao tsy mivadika, ô Ianao Ilay Malalan’ny zavaboahary rehetra ary Ilay Fanirian’izao rehetra izao, amin’ireo izay nataonao ho mpaneho ny fiasan’ny fanahy ratsy izay mibitsika ao anaty fon’ny olona. Mahefa Ianao hanao araka izay tianao. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Mpamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany.
Tahio, ry Tompo Andriamanitro ô! Izay nametrahanao ny Laharam-boninahitrao tsara Indrindra ka avy aminy no nanavahanao ny tsara sy ny ratsy fanahy ary ampio izahay noho ny halemem-panahinao hanao izay tianao sy izay irianao. Tahio ihany koa, ry Andriamanitro ô, ireo Teninao sy Tarehin-tsoratrao, ary koa ireo izay nampitodika ny endriny any Aminao, ary nitodika any amin’ny Endrikao, ary manongilantsofina amin’ny Antsonao.
Ianao marina tokoa, Ilay Tompo sy Mpanjakan’ny olon-drehetra ary manam-pahefana amin’ny zava-drehetra Ianao.
- Bahá'u'lláh