Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro ô, Tompoko, Anton’ny faniriako! Ity ny mpanomponao izay maniry fatratra hatory eo amin’ny alokin’ny Famindramponao sy hiala sasatra eo ambanin’ny lanitry ny Fahasoavanao, miangavy fatratra ny Fitandremanao sy ny Fiarovanao.
Mihanta Aminao aho, ry Tompoko ô, amin’ny masonao izay tsy mba matory, hisakana ny masoko tsy hibanjina na inona na inona ankoatra Anao. Atanjaho àry ny herin’ny fahitany mba ahazoako manavaka ny Famantaranao ary mibanjina ny faravodilanitry ny Fanambaranao. Ianao Ilay izay nampihovitrovitra ny hery tonga lafatra manoloana ny Fanambaran’ny Fahefanao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery Indrindra, Ilay tsy Refesi-mandidy, Ilay tsy Voafehy.
- Bahá'u'lláh