Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Deraina anie Ianao, ry Tompo Andriamanitro! Manolotra fisaorana ho Anao aho noho ny namelanao ahy hahafantatra ny Fanehoana ny Tenanao, sy noho ny nanavahanao ahy tamin’ireo fahavalonao; nampiharihary teo imasoko ny zava-dratsy ataony sy ny haratsim-panahiny amin’izao andronao izao, ary noho nanafahanao ahy tamin’ny firaikena tamin’izy ireo ary nahatonga ahy hitodika tanteraka eny amin’ny Fahasoavanao sy ny Famindramponao. Misaotra Anao ihany koa aho noho ny nampidinanao teo amiko, avy amin’ny rahon’ny Sitraponao, izay nanamasina ahy ho voaaro tamin’ny filazan’ireo tsy mahatoky sy ny tondromolotr’ireo tsy mpino ka nampiorina mafy ny foko Taminao sy nampandositra ahy lavitra an’ireo izay nandà ny hahafantatra ny fahazavan’ny Tavanao. Mbola misaotra Anao aho noho ny nanomezanao hery ho mafy orina eo amin’ny fitiavanao, hanambara ny fiderana Anao sy hanandratra ny Hatsaranao, ary noho ny nampisotroanao ahy tamin’ny kapoaka ny Famindramponao izay mihoatra ireo zavatra rehetra hita sy tsy hita maso.
Ianao Ilay Mahery indrindra, Ilay Ambony indrindra, Ilay Be-voninahitra indrindra sy Ilay Be-fitiavana indrindra.
- Bahá'u'lláh