Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Amorony fo madio ao anatiko, ry Andriamanitro ô, ary havaozy ao anatiko ny saina tony ry Fanantenako ô! Amin’ny herim-panahy, hamafiso aho ao amin’ny Fototrao, ry Malalako indrindra ô, ary amin’ny alalan’ny fahazavan’ny Voninahitrao, asehoy amiko ny Lalanao, ô Ianao ry Tanjon’ny faniriako! Amin’ny herin’ny Fahefanao avo indrindra, asandrato hatrany amin’ny lanitry ny Fahamasinanao aho, ry Loharanon’ny fisiako ô, ary amin’ny tsioka mamelombelona ny Mandrakizainao, ampifalio aho, ô Ianao, izay Andriamanitro! Aoka ny antsan-kiranao mamelovelo tsy manam-pahataperana hamelona fitoniana ato amiko, ry Namana tsy mahasaraka ahy; ary aoka ny haren’ny Endrikao fahagola hanafaka ahy amin’izay rehetra hafa afa-tsy Ianao, ry Tompoko ô, ary aoka ny vaovao mahafaly ny fanehoana ny maha-izy azy Anao tsy azon-hihodiovirana hitondra fifaliana ho ahy. Ianao, Ilay Miharihary noho ny miharihary, ary Ilay Miafina indrindra noho ny miafina!
- Bahá'u'lláh