Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ho Anao ny fiderana, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay notanana an-tranomaizina tao amin’ny tanànam-pigadran’i Akora, nianjera teo an-tanan’ny fahavalony - araka izay hitanao ry Andriamanitro ô – ary norahonan’ny sabatry ny ratsy fanahy. Hanamafiso aho ao amin’ny Fototrany ary tariho mandrakariva ny fijeriko ho any amin’ny Lapany mba tsy hisy hanana fahefana hampitodika ny fijeriko tsy ho any Aminy.
Vavolombelona aho, ry Tompoko ô, fa nanolotra ny fiainany Izy ho eo amin’ny lalanao, ary tsy naniry ho an’ny Tenany afa-tsy ny fahoriana noho ny fitiavany izay nananany Taminao. Niharitra henatra maro Izy mba ahazoany manambara ny Fiandriananao amin’ny mpanomponao sy manandratra ny Teninao eo amin’ireo voaharinao. Raha mbola niharatsy ny fahoriana ka mamely azy hatraiza hatraiza ny fampahoriana izay narotsakao Taminy, nanjary niredareda noho ny fieritreretana Anao Izy ka ny hamaroan’ireo izay tsy nino Anao sy tsy nanaiky ny Famantaranao dia nitsahatra tsy nampihorohoro Azy.
Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô; amin’ny Alalany sy izay rehetra mahakasika Azy, mba hametraka ny fitiavako Aminy, toy izay nametrahany ny fitiavany Aminao. Milaza marina aho fa ny Fitiavany dia ny Fitiavanao, ny Tenany dia ny Tenanao, ny Hatsaran-tarehiny dia ny Hatsaran-tarehinao ary ny Fotony dia ny Fototrao.
Aza lavinao amiko, ry Tompoko, izay anananao ary aza avela hanadino izay nirianao amin’ny Andronao aho. Marina tokoa fa Ianao Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay be Voninahitra Indrindra, Ilay Hendry Indrindra.
- Bahá'u'lláh