Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Voninahitra ho Anao, o Ianao izay Tompon’izao rehetra izao sy Malalan’ireo izay nanaiky Anao! Hitanao aho eo ambanin’ny sabatra mihantona amin’ny singan-kofehy, ary fantatrao fa amin’izany fepetra izany, tsy nanadino ny andraikitro manoloana ny Fototrao sy hampiely ny fankalazana Anao, hanambara ny Fahatanterahanao ary hilaza izay rehetra nandidianao ahy tao amin’ny Takelakao. Na dia efa akaiky hianjera eo amin’ny lohako aza ny sabatra, dia miantso ireo izay tianao aho, tamin’ny lantom-peo izay nitondra ny fon’izy ireo ho eny amin’ny faravodilanitry ny Fiandriananao sy ny Fahalehibeazanao.

Diovy ny sofin’izy ireo, ry Tompoko ô, mba ahazoany maheno ny antsa izay nisandratra eny ankavanan’ny seza Fiandriananao. Mianiana aho noho ny Herinao! Fa ireo izay mikasa hanongilantsofina amin’io firindrana io dia hanidina ho eny amin’ny fanjakan’ny Fanambaranao, fanjakana izay hanambaran’ny voahary rehetra fa Andriamanitra Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay mamonjy amin’ny loza, Ilay Mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany. Sokafy ry Andriamanitra ô, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio izy ireo amin’ny hamamin’ny teninao, ka na ny loza aza tsy hanan-kery hisakana azy tsy hitodika any Aminao sy hitarika ny fijeriny any amin’ny faravodilanitry ny Fanambaranao.

Nanenika ny tany ny haizina, ry Andriamanitro ô, ary nampihovitrovitra ny ankamaroan’ny mpanomponao. Miangavy Anao aho, amin’ny Anaranao Lehibe Indrindra, mba hampitranga isa-tanàna fahariana vaovao izay, mitodika any Aminao sy mahatsiaro Anao eo amin’ireo mpanomponao, hamelatra ny fanevan’ny fandresena amin’ny alalan’ny hasoan’ny teniny sy ny fahendreny ary tsy hiraikitra amin’ireo zavatra nohariana rehetra.

Manana ny fahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay izay italahoan’ny olon-drehetra tohana.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac