Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro, noho ny herinao sy ny fiandriananao izay mandrakotra ireo rehetra any an-danitra sy eto an-tany, mangataka Aminao aho hampahalala amin’ny mpanomponao ny lalana mazava sy mahitsy, mba ahafantarany marina ny Firaisanao sy ny maha-Iray Anao ka tsy ho voahelingelina noho ny hevi-dravin’ ireo tsy mpino, na ho hamaizinin’ny fisainam-poanan’ireo be di-doha.
Hazavao, ry Tompoko, ny mason’ny mpanomponao ary ampifalio ny fony amin’ny famirapiratry ny fahazavan’ny fahalalahanao, mba ahazoan’izy ireo mahafantatra ny halehibiazan’io laharana tena tsara io ary mahafantatra io faravodilanitra manjelanjelatra io, ka, soa ihany, fa na ny horakoraky ny olona aza dia tsy hanana hery hampiodina ny fijeriny amin’ny famirapiratry ny hazavan’ny Firaisanao , ary ny endriny eny amin’ny vodilanitry ny tsy firaiketana.
- Bahá'u'lláh