Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Izaho, ry Andriamanitro, ilay izay nampitodika ny tavako eny Aminao sy nametraka ny fanantenako tao amin’ireo zava-mahagagan’ny Fahasoavanao sy ny fanambarana ny Fahalalan-tananao. Miangavy Anao aho, aza avela aho hanalavitra amim-pahadisoam-panantenana ny varavaran’ny Indrafonao ary aza mandao ahy eo am-pelantanan-ireo voaharinao izay nandà ny Fototrao.
Izaho, ry Andriamanitro, dia mpanomponao sy zanaky ny mpanomponao. Nahafantatra ny Fahamarinanao aho tamin’ireo Andronao, notarihako ny diako ho eny amoron’ny Firaisankinanao, nihaiky aho fa Irery sy Tokana Ianao ary nanantena ny Famelankelokao aho. Manana fahefana hanao izay fantatrao fa tsara Ianao; tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ilay Be Voninahitra, Ilay Mpamindrafo mandrakizay.
- Bahá'u'lláh