Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Mangataka Aminao aho, noho ny ranomasimben’ny Fanasitrananao, noho ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Fahasoavanao, noho ny Anaranao izay mandresy lahatra ny mpanomponao, noho ny hery mahasinton’ny Teninao be Voninahitra indrindra, noho ny herin’ny Peninao mendrikaja indrindra, ary noho ny Famindramponao izay nialoha ny fahariana ireo izay any an-danitra sy ety an-tany, mba hanadio ahy amin’ny ranon’ny Hamoramponao amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra, ny fahalemena sy ny fahosana rehetra.
Hitanao, ry Tompoko ô, ny mpitalaho Aminao miandry eo am-baravaran’ny Famindramponao, izay nametraka ireo fanantenany Taminao mifikitra amin’ny tadim-pangorahanao. Mitalaho Aminao aho, aza lavina ho azy izay iangaviany amin’ny Ranomasimben’ny Fahasoavanao sy ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao feno fitiavana.
Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Onena olona Indrindra.
- Bahá'u'lláh