Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Ianao, ry Andriamanitro ô, no Ilay izay ny Anarany no mitondra fahasitranana ho an’ny marary, fahatomombanana ho an’ny kilemaina, rano fisotro ho an’ireo mangetaheta, fahatoniana ho an’ny ory, fitarihana ho an’ny diso lalana, fisandratana ho an’izay ambaniana, harena ho an’ny mahantra, fahazavana ho an’ny tsy ampy fahalalana, hazavana ho an’ireo kivy, hafanana ho an’ny mangatsiaka ary fisandratana ho an’ny ampahoriana. Noho ny Anaranao, ry Andriamanitro ô, taitra ny zavaboahary rehetra, nisokatra ny lanitra, nohariana ny tany, nasandratra ny rahona ary natao hitondra orana amin’ny tany. Izany marina tokoa no antoky ny Fahasoavanao amin’ireo voaharinao rehetra.

Izany no hitalahoako Aminao, noho ny Anaranao, izay nampisehoanao ny maha-Andriamanitra Anao sy nanandratanao ny Fototrao ambonin’ny zava-boahary rehetra, ary noho ny Anaram-boninahitrao tsirairay tsara indrindra sy ny Toetranao mendrika indrindra, ary noho ny Hatsaram-panahy rehetra izay hanandratana ny maha-Andriamanitra ambony sy avo indrindra Anao, mba hampidina amin’izao alina izao, avy amin’ny rahon’ny Famindramponao ny ranonoram-panasitrananao, amin’ity zazakely ity, izay nampifandraisinao tamin’ny Tenanao be voninahitra, ao amin’ny fanjakan’ny Voarinao. Noho ny Famindramponao, ry Andriamanitro ô, tafio ny akanjom-pahasalamana sy ny fahasitranana izy, ary arovy izy, ry Malalako ô, amin’ny fahoriana sy ny fikorontanana rehetra ary amin’izay rehetra tsy ankasitrahanao. Ny Fahefanao, marina tokoa, dia mitovy amin’ny zavatra rehetra.

Ianao marina tokoa Ilay Tsitoha, Ilay Mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany.

Omeo azy an-koatra izany, ry Andriamanitro ô, ny tsara amin’ity tany ity sy ny any ankoatra ary ny soa an’ny taranaka taloha sy ho avy. Ny Herinao sy ny Fahendrenao, marina tokoa, dia ahafahanao manatanteraka izany.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac