Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ankalazaina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao Lehibe Indrindra izay namelombelona ny mpanomponao sy nanangana ny tanànanao, noho ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ireo fiantsoana Anao Mendrika Indrindra, mba hanampy ny vahoakanao hampitodika ny lalany eny amin’ireo fahasoavanao tsy tambo isaina, hampitràka ny endriny eny amin’ny tabernakelin’ny Fahendrenao. Sitrano ny aretina izay mamely ny fanahy hatraiza hatraiza sy nisakana azy hampihodina ny fijeriny any amin’ny Paradisa miorina eo amin’ny aloky ny Anaranao Mpiaro izay nodidinao ho Mpanjakan’ny Anarana rehetra ho an’ny mponina any an-danitra sy ety an-tany. Manam-pahefana hanao izay sitrakao Ianao. Eo am-pelatananao no misy ny fanapahan’ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mahery, Ilay Hendry.
Voahary mahantra aho, ry Tompoko ô; mifikitra amin’ny moron’ny harenao aho. Marary mafy aho ary mifikitra mafy tokoa amin’ny rohim-panasitrananao. Noho ny Famelanao heloka sy ny Fangorahanao, esory amin’ny fangirifiriana izay mamatotra ahy aho, diovy tanteraka amin’ny ranom-Pahasoavanao sy ny famindramponao ary tafio ny akanjom-pahasitranana. Ampifantohy Aminao ny masoko ary aza avela hanana firaiketana amin’izay tsy Ianao aho. Ampio aho hankato izay fanirianao sy hanatontosa izay sitrakao.
Marina tokoa fa Ianao Ilay Tompon’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy. Ianao marina tokoa Ilay Mamela heloka mandrakariva, Ilay be indrafo.
- Bahá'u'lláh