Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Deraina Ianao, ry Tompo Andriamanitro ô! Ity ny mpanomponao izay nisotro avy tamin’ny tanam-pitiavanao ny divain’ny Famindramponao ary nanandrana ny tsiron’ny Fitiavanao ao amin’ireo Andronao. Mitalaho Aminao aho, noho ny fanehoana ny Anaranao, izay tsy misy alahelo afaka misakana ny fifaliana ao amin’ny fitiavanao na ny fandinihana ny Endrikao, ary izay tsy misy tompon’ny fiahiahiana hanan-kery hampiodina amin’ny lalan’ny Fahafinaretanao, mba hitalaho aminy ny harena tsara izay anananao ary hanandratra Azy amin’ny toerana ambony ka hijereny izao tontolo izao ho toy ny aloka izay hanjavona haingana kokoa noho ny indray mipi-maso.
Arovy ihany koa izy, ry Andriamanitro ô, noho ny fahefan’ny Fiandriananao tsy hita lany, amin’ireo rehetra izay ankahalainao. Ianao, marina tokoa, no Tompony sy Tompon’izao tontolo izao.
- Bahá'u'lláh