Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Voninahitra ho Anao, ry Andriamanitro ô! Raha tsy ny fijaliana izay iaretany eo amin’ny lalanao, amin’ny fomba ahoana no ahazoana mahafantatra ny tena tia Anao; ary raha tsy ny fizahan-toetra nozakaina noho ny fitiavana Anao, ahoana no ahazoana maneho ny laharan’ireo izay maniry fatratra Anao? Ny Herinao no vavolombelona amin’izany! Ny mpiara-dalana amin’ireo rehetra izay mitsaoka Anao dia ny ranomaso izay arotsany, ary ny mpampionona ireo izay mitady Anao dia ny fitolokoany ary ny sakafon’ireo izay dodona amin’ny fihaonana Aminao dia ny singan’ny fony torotoro.

Toa inona ny hamamin’ny ngidin’ny fahafatesana nozakaina tamin’ny lalanao ary toa inona ny hasarobidy eo imasoko ny zanatsipikan’ ny fahavalonao, raha mifanojo noho ny fanandratana ny Teninao! Avelao aho hisotro ao amin’ny Fototrao, ry Andriamanitro ô, amin’izay rehetra sitrakao ho ahy ary arotsahy amiko amin’ny fitiavanao izay rehetra nodidianao. Noho ny Voninahitrao! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy mankamamy afa-tsy izay ankamaminao. Aminao no nametrahako, amin’ny fotoana rehetra, ny tokiko sy ny fanantenako manontolo.

Mitalaho Aminao aho, ry Andriamanitro ô, atsangano ho toy ny mpanohana ity Fanambarana ity, toy ireo izay isaina ho mendrika ny Anaranao sy ny Fiandriananao, mba hotsaroan’izy ireo ho toy ny Voaharinao aho ary hanangana ny Sainam-pandresenao ao amin’ny Fanjakanao.

Ianao Ilay Manam-pahefana hanao izay sitrakao. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy ny Tenany amin’ny alalan’ny Tenany.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac