Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Ankalazaina sy omem-boninahitra Ianao, ry Andriamanitro ô! Mitalaho Aminao aho noho ny senton’ireo izay tia Anao sy ny ranomason’ireo izay maniry fatratra hijery Anao, tsy handà ho ahy ny Famindramponao feno fitiavana amin’izao Andronao izao ary tsy handiso anjara ahy amin’ny kalon’ny voromailala izay manandratra ny maha-iray Anao eo anoloan’ny fahazavan’ny Endrikao mamirapiratra. Izaho no iray amin’ireo ao anaty fahantrana, ry Andriamanitra ô! Jereo aho mifikitra mafy amin’ny Anaranao, Ilay Manana ny zavatra rehetra. Izaho ilay iray amin’ireo izay ho faty marina tokoa; jereo aho mamikitra amin’ny Anaranao, Ilay tsy mety maty. Koa noho izany, mitalaho Aminao aho, noho Ianao Ilay Ankalazaina, Ilay Tena Avo, mba tsy hamela ahy hitodika any amin’ny tenako ihany sy any amin’ireo fitsiriritana mirona amin’ny ratsy. Raiso amin’ny Tananao mahery ny tanako, ary afaho aho avy ao amin’ny halalin’ny hevitro diso sy ny fisainam-poanako, ary diovy aho amin’izay rehetra ankahalainao.

Ataovy izay hitodihako tanteraka any Aminao, hametrahako Aminao ny fitokisako rehetra, hitadiavako Anao ho toy ny Fialofako ary handosirako ho eo anoloan’ny Endrikao. Ianao, marina tokoa, Ilay izay noho ny fahefan’ny Heriny, dia manao izay Irinao, ary noho ny herin’ny Sitrapony, dia mandidy izay Fidiany. Tsy misy afaka hanohitra ny fiasan’ny Didinao; tsy misy afaka hanodina ny fizotra ny Tendrinao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery indrindra, Ilay be voninahitra, Ilay onena olona.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac