Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Esory ny fahasahiranako noho ny Halemem-panahinao sy ny Fangorahanao, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô, ary foany ny famoizam-poko noho ny Fiandriananao sy ny Herinao. Hitanao aho, ry Andriamanitro ô! Ny endrika mibanjina Anao, amin’ny fotoana izay ihodidinan’ny alahelo ahy. Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Tompon’ny Voahary rehetra sy mpanome alokaloka ny zavatra rehetra na ny hita na ny tsy hita, noho ny Anaranao izay nambabo ny fo sy ny fanahin’ny olon-drehetra, ary noho ny halalin’ny ranomasimben’ny Famindramponao sy ny famirapiratry ny Kintana Marainan’ny Halemem-panahinao, mba hanokana ahy ho isan’ireo izay tsy voasakan’inona na inona hanandratra ny endriny eny Aminao, ry Tompon’ny Anarana rehetra ô sy Mpamorona ny Lanitra rehetra.
Hitanao, ry Tompo ô, izay nihatra tamiko amin’izao Andronao izao. Mitalaho Aminao aho, noho Ilay Fiposahan’ny andron’ny Anaranao sy ny Toeram-pisehoan’ny Hatsaranao, mba handidy ho ahy izay ahazoana mitsangana hanompo Anao sy hanandratra ny Hatsaranao. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manampahefana Indrindra izay mamaly ny vavaky ny olon-drehetra.
Ary farany, mangataka Aminao aho, noho ny fahazavan’ny Endrikao mba hitahy ny asa aman-draharahako, hanafaka ny trosako ary ahafa-po ny filàko. Ianao Ilay namarinin’ny lela rehetra ny Fahefany sy ny Fanapahany, ary neken’ny fo mahatakatra rehetra ny Fiandrianany. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mandre sy vonona hamaly.
- Bahá'u'lláh