Return to BahaiPrayers.net
Facebook
O Ianao, Izay ny Endrikao no fototry ny fiderako, ny Hatsaran-tarehinao no fialofako masina, ny Fonenanao no tanjoko, ary ny Fiderana anao no fanantenako, ny Fitahianao no mpiaradia amiko, ny Fitiavanao no antom-pisiako, ny Fanononana Anao no fampionononana ahy, ny Fanakaikezanao no faniriako, ny Fanatrehanao no faniriana mamiko indrindra sy fientanampoko ambony indrindra, miangavy Anao aho, mba tsy ho lavinao ho ahy izay nodidianao ho an’ny olom-boafidinao tamin’ireo mpanomponao. Vatsio aho amin’ny harenan’ity tany ity sy ny any an-koatra.
Ianao, marina tokoa no Ilay Mpanjakan’ny olon-drehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be Fiantra.
- Bahá'u'lláh