Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro ô! Ianao Ilay Mpamorona ny Fanehoana rehetra, Loharanon’ny loharano rehetra, Fiandohan’ny Fanambarana rehetra sy Lohataonan’ny Fahazavana rehetra! Vavolombelona aho, fa noho ny Anaranao, ny lanitry ny fahatakarana dia noravahana, ny ranomasimben’ny fanambarana dia nisamboaravoara, ary ny fotoanan’ny Fitahianao dia nambara ampahibemaso tamin’ireo mpanara-dian’ny Finoana rehetra.
Mitalaho Aminao aho mba hampanan-karena ahy ka afaka hiala amin’ny zava-drehetra afatsy Ianao, ary tsy hiankina na amin’iza na iza afa-tsy Aminao ihany. Arotsahy amiko, noho izany, avy amin’ny rahon’ny Fanomezanao, izay mahasoa ahy ao amin’ny tontolo rehetran’ny Tontolonao. Ampio aho, noho izany, avy amin’ny Fahasoavanao mampatanjaka, mba hanompo tsara tokoa ny Fototrao eo afovoan’ireo mpanomponao, ahazoako maneho izay hahatonga ahy hotsarovana arakaraka ny faharetan’ny Fanjakanao sy ny Fiandriananao.
Ity ny mpanomponao, ry Tompoko ô, izay nampitodika ny tenany manontolo teny amin’ny faravodilanitry ny Fanomezanao, sy ny ranomasim-ben’ny Fahasoavanao, ary ny lanitry ny Fanomezanao. Ataovy amiko izay mifanentana amin’ny Fiandriananao, sy ny Voninahitrao, ary ny Fangorahanao sy ny Fahasoavanao.
Ianao, marina tokoa, Ilay Andriamanitry ny Tanjaka sy ny Fahefana, izay vonona hamaly ireo izay mivavaka Aminy. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry indrindra.
- Bahá'u'lláh