Return to BahaiPrayers.net
Facebook
“Ny fahafatesana dia manolotra ho an’ny mpino mahatoky tsirairay ny kalisy izay tena fiainana marina. Mizara fifaliana izy ary mitondra fahasambarana. Manome ny fiainana mandrakizay izy.”
Bahá’u’lláh.
Avelao, ry Tompoko ô, ireo izay efa niakatra any Aminao, mba hahita fialofana ao Aminao izay Mpiaradia faratampony. Ekeo ho azy ireo ny hitoetra eo amin’ny aloky ny taberinakelin’ny Fiandriananao sy ao amin’ny tempolin’ny Voninahitrao. Aoka ny ranomasimben’ny Famelanao heloka hitosaka eo amin’izy ireo, ry Tompolo ô, ary ahatonga azy ireo ho mendrika honina mandrakizay ao amin’ny Fanjakanao ambony indrindra ary eo ambany fanapahanao faratampony.
Manana fahefana hanao izay sitrakao Ianao.
- Bahá'u'lláh