Return to BahaiPrayers.net   Facebook

“Ny vavaka ho an’ny Maty... no hany vavaka Bahá’í tsy maintsy atao izay tononona ampahibe-maso; tokony ho tononon’ny mpino iray izy io ary ny rehetra manatrika dia mitsangana am-pahanginana. Bahá’u’lláh dia nanazava fa ity Vavaka ho an’ny maty ity dia takiana raha olon-dehibe ilay maty (mihoatra ny dimy ambinifolo taona), ary ny fanononana azy dia tsy maintsy mialohan’ny fanitrihana, ary tsy misy ny fitakiana ny fitodihana any amin’ny Qiblih mandritra izany.” Kitab-i-Aqdas .

Ry Andriamanitro ô! Ity ny mpanompolahinao sy ny zanakalahin’ny mpanompolahinao izay nino Anao sy ny Famantaranao ary izay nanandratra ny endriny teny Aminao, nihataka tanteraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Taminao. Ianao marina tokoa Ilay maneho Indrafo, Ilay be indrafo indrindra.

Tanteraho aminy, O Ianao izay mamela ny fahotan’ny olona rehetra ary manafina ny fahadisoany, araka izay mendrika ny lanitrin’ny Hatsaram-panahinao sy ny ranomasimben’ny Fahasoavanao. Omeo azy ny fahazoan-dalana miditra eo amin’ny manodidina ny Famindramponao ambony indrindra izay nisy talohan’ny fanorenana ny tany sy ny lanitra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

Aoka averina in-enina izao teny izao: “Alláh’u’Abhá”, ary averina in-tsivy ambinifolo mifanarakaraka ny andininy tsirairay manaraka izao ( ) :

Isika rehetra, marina tokoa, dia mitsaoka an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia miondrika eo anatrehan’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia nanokan-tena ho an’Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia midera an’ Andriamanitra

Isika rehetra, marina tokoa, dia mankasitraka an’ Andriamanitra.

Isika rehetra, marina tokoa, dia manam-paharetana ao amin’Andriamanitra.

(Raha vehivavy no maty dia izao no lazaina: Ity no mpanompovavinao sy ny zanakavavin’ny mpanompovavinao)

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andininy averimberina in’enina dia atao toa izao : “Alláh-u-Abhá dia tonona indray mandeha; rehefa izany, ny andalana voalohany dia tononona in-tsivy ambinifolo. Avy eo tononona indray “Alláh-u-Abhá”, arahan’ny andininy faharoa, izay tononona in-tsivy ambinifolo, ary dia toy izany hatrany.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac