Return to BahaiPrayers.net   Facebook

(Ity takela ity dia vakiana eo amin’ny fasan’i Bahá’u’lláh sy i Báb. Vakiana matetika koa amin’ny fahatsiarovana ny fitsingerenan’ny taonany).

Ny fiderana izay miposaka avy amin’ny Tenanao hajaina indrindra, ary ny voninahitra izay namiratra avy amin’ny Hatsaran-tarehinao mitomaratra indrindra, dia mitoetra ho Anao, O Ianao izay Fanehoana ny Fahalehibeazana, Ilay Mpanjakan’ny Mandrakizay ary Tompon’izay rehetra eto an-tany sy any an-danitra!

Vavolombelona aho fa, noho Ianao, ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny Fanapahany, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Fahalehibeazany, dia naseho, ary ny Kintana Marainan’ny Famirapiratana fahagola dia nandefa ny tarany eny amin’ny lanitrin’ny Didinao tsy azo ovaina, ary ny Hatsarantarehin’Ilay tsy Hita maso dia namirapiratra teny ambonin’ny faravodilanitry ny voahary. Vavolombelona koa aho fa, noho ny fihetsikin’ny Peninao, ny didinao «MISIA» dia nihatra, ary ny zava-miafin’ Andriamanitra dia navoaka, ary ny manan’aina rehetra dia nantsoina ho amin’ny fisiana, ary ny Fanambarana rehetra dia narotsaka.

Vavolombelona ihany koa aho fa, noho ny Hatsaran-tarehinao, ny hatsaran-tarehin’Ilay Tiana dia nalana sarona, ary noho ny Endrikao, ny endrik’Ilay Nirina dia nanjelanjelatra, ary noho ny teny iray avy Aminao, dia nandidy Ianao ho an’ny manan’aina rehetra, izay nahatonga azy ireo, izay nanam-pitiavana Anao, hisandratra eny amin’ny tendron’ny voninahitra, ary ireo mpivadika ho latsaka ao amin’ny hantsana lalina indrindra.

Vavolombelona aho fa izay nahafantatra Anao dia nahafantatra an’Andriamanitra ary izay nahatratra ny Fanatrehanao dia nahatratra ny fanatrehan’Andriamanitra. Lehibe, noho izany, ny tsodranon’izay nino Anao, sy ny Famantaranao, izay nanetry tena teo anatrehan‘ny Fiandriananao, ary nomem-boninahitra nihaona Taminao, ary izay afaka nanatratra ny fahafinaretan’ny Sitraponao, nihodidina Anao ary nijoro manoloana ny Seza-fiandriananao. Loza ho an’izay nanota Taminao, ho an’izay nivadika Taminao ary izay nandà ny Famantaranao, izay tsy nanaiky ny Fiandriananao ary nitsangana hanohitra Anao, izay feno fireharehana teo anatrehan’ny Endrikao, ary nandà ny Fijoronao vavolombelona, nandositra ny Lalànao sy ny Fanapahanao ka noheverina ho isan’ireo mpivadika izay voasoratra ao amin’ny Takelaka masinao ny anarany tamin’ny ratsan-tanan’ny Baikonao.

Alefaso amiko, noho izany, O ry Andriamanitro ô, sy Ilay Malalako, avy amin’ny tanan-kavanan’ny Famindramponao sy ny Hatsaram-panahinao feno fitiavana, ny tsio-drivotra masin’ny Fahasoavanao, mba hahazoany misintona ahy hiala amin’ny tenako sy amin’izao tontolo izao ho any amin’ny lapan’ny fanakaikezana Anao sy ny Fanatrehanao. Manam-pahefana hanao izay mahafaly Anao Ianao. Marina tokoa, faratampony mihoatra ny zavatra rehetra Ianao.

Ny filazana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy, ny voninahitr’Andriamanitra sy ny Famirapiratany ho Aminao, Ianao izay Hatsaran-tarehiny! Vavolombelona aho fa ny mason’ny nohariana rehetra dia mbola tsy nahita na oviana na oviana tamin’ny nampahoriana toa Anao. Nilentika nandritran’ny androm-piainanao rehetra Ianao tao anatin’ny ranomasimben’ny fahoriana. Nisy fotoana, nifatotra rojo vy Ianao; tamin’ny fotoana hafa, norahonana tamin’ny sabatry ny fahavalonao Ianao. Kanefa na dia izany rehetra izany aza, dia nandidy ny olona rehetra Ianao hitandrina izay nandidiana Anao avy amin’Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry tokoa.

Aoka ny fisainako atao sorona noho ny fijaliana izay niaretanao ary ny fanahiko atao antoka noho ny fahoriana izay nozakainao. Mitalaho amin’ Andriamanitra aho noho Ianao sy noho ireo izay nohazavaina ny endriny tamin’ny fanjelanjelatra manjopikan’ny Endrikao ary noho ireo izay, noho ny fitiavana Anao, dia nitandrina izay rehetra nandidiana azy, mba hanala ny voaly izay manelanelana Anao sy ny Voaharinao, ary mba hanome ahy ny soan’ity tany ity sy ny any ankoatra. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Avo Indrindra, Ilay Be voninahitra Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Be fangorahana Indrindra.

Tahio, Ry Tompo Andriamanitro ô, ny “Hazo-Farany” masina, ny raviny, ny rantsany, ny sampany, ny tahony sy ny solofony, raha toa ka mbola maharitra koa ny Anaram-boninahitrao tsara indrindra sy ny toetranao tena mendrika. Arovy izy ireo, amin’ny asa ratsin’ny mahery setra sy ny tafiky ny mpanao didy jadona. Ianao marina tokoa Ilay Mahery Indrindra, Ilay Manam-pahefana Indrindra. Tahio koa ry Tompo Andriamanitro ô, ny mpanompolahy sy mpanompovavinao izay nahatratra Anao. Ianao marina tokoa Ilay Mpangoraka Indrindra, izay tsy manam-petra ny Fahasoavana. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay mamela heloka mandrakariva, Ilay Mpiantra Indrindra.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac