Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Vavaka fohy tsy maintsy atao isan’andro eo anelanelan’ny roa ambinifolo ora atoandro hatramin’ny filetehan’ny masoandro
Vavolombelona aho, ry Andriamanitro ô, fa noharianao mba hahafantatra Anao sy hankalaza Anao. Manamarina aho, amin’izao fotoana izao, ny fahalemeko sy ny Fahefanao, ny fahantrako sy ny Harenao.
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Izay mamonjy amin’ny loza, izay mampisy sy Tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.
- Bahá'u'lláh