Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Vavaka tsy maintsy atao in-telo isan’andro: ny maraina, ny tolakandro, sy ny hariva hatramin’ny ora roa aorian’ny fiposahan’ny masoandro.
Izay maniry hanao ity vavaka ity, aoka izy hanasa tanana, ary hiteny hoe:
Atanjaho ny tanako, ry Andriamanitro ô, mba handray ny Bokinao amim-pahamatorana ka ny tafik’izao tontolo izao dia tsy hanana fahefana aminy. Arovy izy, noho izany, tsy hitsabaka amin’izay tsy azy. Ianao, marina tokoa Ilay Tsitoha. Ilay Mahery indrindra.
Eo am-panasana ny tava, aoka hiteny hoe:
Natodiko tany Aminao ny tavako, ry Tompoko ô! Hazavao izy amin’ny fahazavan’ny Endrikao. Arovy izy, noho izany tsy hitodika na any amin’iza na any amin’iza afa-tsy any Aminao.
Aoka izy hitsangana, mitodika any amin’ny Qiblíh (toeram-pankalazana, izany hoe Bahjí, any Akora), aoka hiteny hoe:
Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy. Azy ny fanjakan’ny Fanambarana sy ny Famoronana. Izy, marina tokoa, no naneho Azy Ilay Fiposahan’andron’ny Fanambarana, Izay niresaka tao Sinay, Izay nampahazava ny Faravodilanitra avo indrindra, sy nitenenan’ny “Hazo-farany” izay ankoatra azy dia tsy misy lalana hafa azo lalovana, ary avy Aminy no nandefasana ny antso ho an’ireo rehetra izay any an-danitra sy ety an-tany: “Jereo! Tonga Ilay Tompon’ny zavatra rehetra. Ny lanitra sy ny tany, ny voninahitra sy ny fanapahana dia an’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny olona rehetra, Ilay Tompon’ny Seza fiandrianana eny ambony sy ety an-tany ambany”.
Aoka izy hiondrika ary manaraka izany, ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika ary miteny hoe:
Avo tokoa Ianao ambonin’ny fiderako sy ny fideran’ny olona afa-tsy izaho, ambonin’ny famaritako sy ny famaritan’ny rehetra izay any an-danitra sy izay ety an-tany!
Avy eo, mitsangana, misokatra ny tanana, ny fela-tanana miakatra manoloana ny tava, dia miteny hoe:
Aza mandiso fanantenana azy, ry Andriamanitro ô, izy izay, amin’ny tanam-pitalahoany, niatsampy tamin’ny morotongotry ny Famindramponao sy ny Fahasoavanao, o Ianao ilay Mpamindrafo indrindra amin’ireo mpamindrafo.
Aoka izy hipetraka ka hiteny hoe:
Mijoro vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao. Marina tokoa, naneho ny Fototrao Ianao, nanatanteraka ny Fanekem-pihavananao Ianao, ary nanokatra midanadana ny varavaran’ny Fahasoavanao ho an’ny mponina rehetra any an-danitra sy eto an-tany. Ny fitahiana sy ny fiadanana, ny famonjena sy ny voninahitra dia hitoetra ho an’ny olon-tianao, izay tsy voasakan’ny fiovana sy ny kisendrasendran’ity tany ity hitodika any Aminao, ary nahafoy izay rehetra azy, am-panantenana handray izay avy Aminao. Ianao, marina tokoa, Ilay mpamela heloka mandrakariva, Ilay Mpangoraka Indrindra.
Raha misy misafidy hanonona ireto teny ireto fa tsy ireo andalana lava dia ampy :
“Andriamanitra dia vavolombelona fa tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Izay mamonjy amin’ny loza, Izay mampisy ny tenany amin’ny alalan’ny tenany ihany.”
Torak’izany koa, eo am-pipetrahana, ampy ny misafidy hanonona ireto teny ireto :
“Vavolombelona aho ny maha-Iray sy ny Maha-Tokana Anao, ary Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao”
- Bahá'u'lláh