Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Tonom-bavaka lava izay vakiana indray mandeha isan’andro.

Raha hanao ity vavaka ity, dia aoka hitsangana, mitodika any amin’Andriamanitra ary tsy miova toerana, miherikerika an-kavanana sy an-kavia toy ny miandry ny famindrampon’ny Tompo, Ilay tena be Indrafo, Ilay Onena. Aoka izy hiteny hoe:

Ianao izay Tompon’ny anarana rehetra sy Mpahary ny lanitra! Mitalaho Aminao aho noho Ireo izay Fiposahan’ny Andron’ny Fisianao tsy hita maso, Ilay Be Voninahitra, mba hanao ny vavako ho afo afaka handoro ny voaly izay nanakona ahy tamin’ny Hatsaran-tarehinao, ary fahazavana izay mitarika ahy eny amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao.

Aoka hanandratra ny tanana ho mariky ny fitalahoana amin’Andriamanitra, deraina sy ankalazaina anie Izy, ary hiteny hoe:

O Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao, Ilay Malalan’ny firenena! Hitanao aho mitodika eny Aminao, ary afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny hafa afatsy Ianao ary mifikitra amin’ny fatoranao, izay ny fihetsehany dia mamelombelona ny nohariana rehetra. Mpanomponao aho ry Tompo ô ary zanaky ny mpanomponao. Inty aho mitsangana vonona hanatanteraka ny Sitraponao sy ny Fanirianao ary tsy maniry zavatra hafa afa-tsy ny Fahafinaretanao. Mitalaho Aminao aho, noho ny Ranomasimben’ny Famindramponao sy ny kintana Marainan’ny Fahasoavanao, mba hampiasa ny mpanomponao arak’izay tianao sy mahafinaritra Anao. Noho ny Herinao izay mihoatra lavitra ny filazana sy ny fiderana rehetra, izay nambaranao dia fanirian’ny foko sy fanirian’ny fanahiko.

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Aza miraharaha ny fanantenako na ny asako fa ny Sitraponao izay mandrakotra ny lanitra sy ny tany. Noho ny Anaranao Lehibe Indrindra, ô Ianao Tompon’ny firenena rehetra! Tsy maniry afa-tsy izay irinao aho ary tsy tia afa-tsy izay tianao.

Mandohalika ary manondrika ny handrina amin’ny tany, miteny hoe:

Avo dia avo tokoa Ianao, ambonin’ny famaritana rehetra afatsy ny famaritana ny Tenanao sy ny fahafantarana hafa afa-tsy Ianao.

Mitsangana indray ary miteny hoe:

Aoka ny fivavahako, ry Tompoko ô, ho toy ny loharanon’ny mamelombelona izay ahazoako mivelona mandra-paharetan’ny Fiandriananao sy manambara Anao ao amin’ny tsirairay amin’ireo Tontolonao.

Asandratra indray ny Tanana am-pitalahoana ary miteny hoe:

Ô Ianao izay ny fisarahana aminy dia mahaketraka ny fo sy ny fanahy, ary ny afom-pitiavany dia manenika izao tontolo izao! Mitalaho Aminao aho, noho ny Anaranao izay nandresy ny zavaboahary rehetra, mba tsy hisakana ho ahy izay Anao. O Ianao izay manjaka amin’ny olon-drehetra! Hitanao, ry Tompoko ô, ity vahiny dodona ho eny amin’ny toerany tena be voninahitra, ho eo ambanin’ny alokin’ ny Fiandriananao, ho ao amin’ny toeran’ny Famindramponao, ary ity mpanota eo am-pitadiavana ny ranomasimben’ny Famelankelokao, ity manetry tena ny tokontanin’ny Voninahitrao, ity olo-mahantra ny fiposahan’ny Harenao. Anao ny fahefana handidy izay irinao. Vavolombelona aho fa tokony ankalazaina Ianao amin’ny Asanao, ankatoavina amin’ny Baikonao ary tsy manam-petra amin’ny Didinao.

Ampiakarina ny tanana ary mamerina in-telo ilay Anarana Lehibe (Alláh’u’Abhá). Miondrika rehefa avy eo anatrehan’ Andriamanitra - deraina sy ankalazaina anie Izy -apetraka ny tanana eo ambony lohalika, ary miteny hoe:

Hitanao, ry Andriamanitro ô, ny fanahiko dia mihovitrovitra miaraka amin’ny ratsam-batako, amin’ny faniriany hankalaza Anao ary ny fiandrandrany hahatsiaro sy hidera Anao. Hitanao ny nanamarinany izay namarinin’ny lelan’ny Baikonao ao amin’ny fanjakan’ny Teninao sy ny lanitrin’ny Fahalalanao. Amin’izany, ry Tompoko ô, tiako ny mangataka Aminao izay rehetra Anao mba hanaporofoako ny fahantrako, ary hanomezam-boninahitra ny Hatsaram-panahinao sy ny Harenao, hanambarako ny fahalemeko ary anehoako ny Fahefanao sy ny Herinao.

Mitraka indray, asandratra in-droa ny tanana ho mariky ny fitalahoana, ary milaza hoe:

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Tsitoha, Ilay Onena olona. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Mpandahatra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny fiafarana. Ry Andriamanitra, ry Andriamanitro ô, nampahery ahy ny Indrafonao ary nampatanjaka ahy ny Famindramponao; namoha ahy ny Antsonao, nampisondrotra ahy ny Fahasoavanao ary nitondra ahy ho any Aminao. Raha tsy izany, iza aho no ho sahy hitsangana eo am-baravaran’ny fonenan’ny Fanakaikezanao, na hampitodika ny tavako eny amin’ny fahazavana izay mamirapiratra avy eny amin’ny lanitrin’ny Sitraponao? Hitanao, ry Tompoko ô, ity olo-mahantra mandondona ny varavaran’ny Fahasoavanao, ity fanahy mihelina izay mikatsaka ny reniranon’ny fiainana mandrakizay avy amin’ny tanan’ny Fahasoavanao. Anao ny fandaharana amin’ny fotoana rehetra, ô Ianao izay Tompon’ny Anarana rehetra; ary ny ahy dia ny fanekena sy ny fanoavana am-pitiavana ny Sitrakao, ry Mpamorona ny lanitra rehetra ô!

Asandratra in-telo ny tanana ka miteny hoe:

Andriamanitra dia lehibe noho ny lehibe rehetra.

Mandohalika manaraka izany sy miankohaka amin’ny tany ka milaza hoe:

Avo loatra Ianao, mba ho afaka hisandratra any amin’ny lanitry ny Fanatrehanao ny fideran’ireo izay akaiky Anao, na mba hahatratra ny tokonan’ny Varavaranao ny voron’ny fon’ireo izay manolon-tena ho Anao. Manamarina aho fa nohamasinina mihoatra ny hatsarana rehetra Ianao ary masina mihoatra ny anarana rehetra. Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Avo indrindra, Ilay Be Voninahitra.

Dia mipetraka ka milaza hoe:

Manamarina aho, izay namarinan’ny voahary rehetra, ny Fihaonan-danitra, ny mponin’ny paradisa ambony indrindra, ary ankoatr’ireo, ny Lelan’ny Fahalehibiazana avy amin’ny Faravodilanitra feno voninahitra, fa Ianao dia Andriamanitra, ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, ary Izy ilay nambara no Misitery miafina, Ilay Famantarana sarobidy izay nakambanana sy nampiraisana ny litera B sy E (Be = Misia). Manamarina aho fa Izy Ilay anarana nosoratan’ny Penin’Ilay tena Avo ary nolazaina tao amin’ny Bokin’Andriamanitra, Ilay Tompon’ny Fiandrianana any an-danitra sy ety an-tany.

Mitsangana ary miteny:

Ry Tompon’ny aina rehetra ô, sy Ilay Tompon’ny zavatra hita sy ny tsy hita rehetra! Hitanao ny ranomasoko, tsapanao ny sentoko, renao ny fitarainako, ny fitolokoako sy ny fitomanian’ny foko. Noho ny Herinao! ny fahadisoako no nisakana ahy tsy hanatona Anao ary ny fahotako no nampanalavitra ahy ny tokonan’ny Fahamasinanao. Ny Fitiavanao, ry Tompoko ô, no nampanan-karena ahy; ny fisarahana Taminao no nanimba ahy, ary ny fanalavirana Anao no nandevona ahy. Mitalaho Aminao aho, noho ny mariky ny dian-tongotrao ato amin’ity tanihay ity ary noho ireto teny ireto: “Inty aho, inty aho”, izay notenenin’ireo nofidinao ao amin’ity midadasika ity ary noho ny Tsiokan’ity Fanambarana ity ary ny tsiodrivotra malefaky ny somambisambin’ny Fanehoanao, mba handidy izay ahazoako mandinika ny Hatsarantarehinao sy hankato izay rehetra ao anatin’ny Bokinao.

Avereno in-telo : “Alláh’u’Abhá”, miondreha ary ny tanana apetraka eo amin’ny lohalika, ka miteny hoe:

Deraina Ianao, ry Andriamanitro ô, noho ny nanampianao ahy hahatsiaro Anao sy hidera Anao, noho ny namelanao ahy ahafantatra Ilay izay Somambisambin’ny Famantaranao, ary nahatonga ahy hanetry tena eo anoloan’Andriamanitra sy nahafantarako izay notononinao tamin’ny Lelan’ny Fahalehibeazanao.

Mitsangana ka miteny hoe:

Ry Andriamanitra ô, ry Andriamanitro! Nivokoka ny lamosiko noho ny vesatry ny fahotako ary ny fanaovako antsirambina dia nanimba ahy. Rehefa misaintsaina ny asa ratsiko aho sy ny Fiantranao, dia torotoro ny foko ao anatiko ao ary mangotrangotraka ny ràko ao amin’ny lalandràko. Noho ny hatsaran-tarehinao, ô Ianao Ilay Fanirian’izao tontolo izao! Mivoaramena hampitraka ny tavako eny Aminao aho ary menatra hanatsotra ny tanako mitalaho any amin’ny lanitry ny Halemem-panahinao. Hitanao ry Andriamanitro ô, toa inona ny ranomasoko izay misakana ahy hahatsiaro Anao sy hanandratra ny Hahatsaranao, ô Ianao Ilay Tompon’ny Fiandrianana any amin’ny avo sy ety an-tany ambany. Mitalaho Aminao aho, noho ny famantarana ny Fanjakanao sy ny zava-miafin‘ny Fanapahanao, hanao amin’ny olon-tianao toy izay mifanaraka amin’ny Hamoramponao, ry Tompon’ny fisiana rehetra ô, ary araka izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao, ô ry Mpanjakan’ny hita sy ny tsy hita!

Averina in-telo: “Alláh’u’Abhá”, dia mandohalika, ny handrina miankohoka amin’ny tany, ka milaza hoe:

Deraina Ianao, ry Andriamanitray ô, noho ny namelanao hidina ety aminay izay mampanakaiky anay Aminao sy ahazoanay ny harena nampanantenainao rehetra ao amin’ny Bokinao sy ny Soratrao. Miangavy Anao izahay, ry Tompo ô , arovy amin’ny tafiky ny fisainam-poana sy ny hevidravina izahay. Ianao, marina tokoa, Ilay Mahery, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra.

Mitraka amin’izay, mipetraka ary milaza hoe:

Manamarina aho, ry Andriamanitro ô, izay namafisin’ny olom-boafidinao ary mahafantatra aho izay neken’ny mponin’ny Paradisa tena Avo sy ireo izay mihodidina ny Seza fiandriananao.

Anao ny fanjakan’ny tany sy ny lanitra, ry Ilay Andrian’izao tontolo izao ô.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac