Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Izy no Mpanjaka, Ilay Mpahalala ny zavatra rehetra, Ilay Hendry!

Jereo ange ny Railovin’ny Paradisa dia mikalo eo amin’ny rantsan’ny hazon’ny Mandrakizay, amin’ny feo masina sy malefaka, manambara amin’ny fanahy marina ny vaovao mahafaly ny fanakaikezan’Andriamanitra, miantso ireo izay mino ny Maha-tokana an’ Andriamanitra mba ho tonga eo anatrehan’Ilay Onena olona, mampahafantatra an’ireo izay tafasaraka ny Hafatra izay nambaran’Andriamanitra, Ilay Mpanjaka, Ilay be voninahitra, Ilay Tapitr’ohatra, mitarika ireo izay tia ho eny amin’ny toeran’ny fahamasinana sy eny amin’ny Hatsaran-tarehy mamirapiratra.

Marina tokoa, io no Hatsaran-tarehy tapitr’ohatra, voalaza ao amin’ny Bokin’ireo Mpitondra hafatra, izay hanavahana ny marina amin’ny diso sy izay hitsapana ny fahendren’ny didy rehetra.

Marina tokoa, io Ilay Hazon’ny fiainana izay mitondra ny vokatr’Andriamanitra, Ilay Deraina, Ilay Manam-pahefana, Ilay Lehibe.

Ry Ahmad ô! Aoka ho vavolombelona ianao fa, marina tokoa, Izy Ilay Andriamanitra ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Izy, Ilay Mpanjaka, Ilay Mpiaro, Ilay Tapitr’ohatra, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra. Ary Ilay nirahiny mitondra ny anarana hoe ALI dia Iraka avy amin’Andriamanitra marina tokoa izay arahantsika rehetra ny didy.

Lazao: Ry vahoaka ô, ankatoavy ny didin’Andriamanitra izay nandidian’Ilay Be Voninahitra, Ilay Hendry, ao amin’ny Bayán. Marina tokoa, Izy no Ilay Mpanjakan’ireo Iraka rehetra ary ny Bokiny dia Ilay “Reny Boky” Fototra, raha mba fantatrareo izany.

Noho izany, avy ato amin’ity tranomaizina ity ny Railovy dia mandefa ny Antsony any aminareo. Andraikiny ny milaza aminareo ity Fanambarana mazava ity. Ireo izay maniry, aoka izy handà izany anatra izany, ary ireo izay maniry, aoka izy hifidy ny lalan’ny Tompony.

Ry vahoaka ô, raha lavinareo izao andininy izao, inona no porofo hinoanareo an’ Andriamanitra? Lazao ry fikambanan’ny mpihatsaravelatsihy ô! Tsia, noho Ilay izay mitana ny fanahiko eo am-pelatanany, tsy afaka hanao izany izy na oviana na oviana izy, na dia hifandray sy hifanampy aza izy rehetra.

Ry Ahmad ô! Aza adinonao ny Fahasoavako mandritry ny tsy maha-eo Ahy. Tsarovy ireo androko mandritry ny andronao, ary ny fahavoazako sy ny sesitaniko ato amin’ity figadrana lavitra ity. Ary miorena mafy ao amin’ny fitiavako mba tsy ho voahozongozona ny fonao, eny na dia hiantefa aminao aza ny sabatr’ireo fahavalonao, ary ny lanitra sy ny tany hitsangana hamely aminao.

Aoka ho lelafo mivaivay ho an’ireo fahavaloko, ary ho onin’ny fiainana mandrakizay ho an’ireo malalako ary aoka tsy ho isan’ireo izay misalasala. Ary na dia hisedra fijaliana aza ianao eny amin’ny lalako na fanambaniana noho ny Amiko, aoka tsy hiontsina amin’izany.

Mahatoisa an’Andriamanitra, Ilay Andriamanitrao sy Tompon’ny razanao. Satria ny vahoka dia mirenireny eny amin’ny lalan’ny fahadisoan-kevitra, tsy manana fahaiza-manavaka hahita an’Andriamanitra amin’ny masony manokana na handre ny Kalony amin’ny fandrenesany manokana. Toa izany no ahitanay azy ireo, araka izay ahitanareo azy koa.

Noho izany, ny finoanoampoan’izy ireo dia lasa voaly manelanelana azy sy ny fony ary nampihataka azy amin’ny lalan’Andriamanitra, Ilay Avo, Ilay Lehibe.

Aoka Ianao hahatoky fa, marina tokoa, izay mihodina amin’io Hatsaran-tarehy io dia efa nihodina tamin’ireo Iraka taloha ary efa nampiseho fireharehana tamin’Andriamanitra hatrizay hatrizay.

Ianaro tsara ity Takelaka ity, ry Ahmad ô! Hirao mandritry ny fiainanao ary aza mihataka aminy. Satria, marina tokoa, Andriamanitra dia nanokana ho an’izay mihira azy ny valim-pitian’ny maritiora zato sy fanompoana iray eto an-tany sy any an-danitra. Izany tombotsoa izany, dia nomenay ho anao ho marikin’ny Fahasoavana avy Aminay sy ny famindrampo avy amin’ny Fanatrehanay mba ahatonga anao ho isan’ireo izay mahay mankasitraka.

Amin’ny alalan’Andriamanitra! Izay ao anatin’ny fahoriana sy ny alahelo ka mamaky ity Takelaka ity am-pahamarinana tokoa, Andriamanitra dia hampisava ny alahelony, handamina ny fahasahiranany ary hamonjy azy amin’ny fahoriany.

Marina tokoa, Izy Ilay be Indrafo, Ilay Mpangoraka. Deraina anie Andriamanitra, Ilay Tompon’ny tontolo rehetra.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac