Return to BahaiPrayers.net   Facebook

(Ny andro manelanelana, ….. , dia andro fiomanana ho amin’ny fifadiankanina. Natokana izy ireo mba anaovana fampiantranoana, fiantràna sy fanomezana na fahatsiarovana).

Ry Andriamanitro ô, ry Afoko sy Fahazavako! Manomboka ny andro izay, nantsoina hoe: Ayyám-i-Há (1) ao amin’ny Bokinao, ô Ianao Mpanjakan’ny Anarana; ary ny androm-pifadiana nodidian’ny Peninao be voninahitra ho an’ireo izay monina ao amin’ny fanjakan’ny Faharianao dia manakaiky. Mitalaho Aminao aho, ry Tompoko ô, noho ireto andro ireto ary noho ireo rehetra izay mamikitra ny fatoran’ny Didinao sy mifikitra amin’ny Fitsipikao, mandritra ity fotoana ity, mba hanome anjara toerana ny fanahin’ny tsirairay avy, ao amin’ny Fonenanao ary anjara seza amin’ny fotoana hisehoan’ny Famirapiratry ny Fahazavan’ny Endrikao.

Ny andron’ny Há, ny andro manelanelana

Indreto, ry Tompoko ô, ireo mpanomponao izay tsy misy fironana ratsy hanakana azy amin’izay nampidininao ao amin’ny Bokinao. Niondrika teo anoloan’ny Fototrao izy ireo; nandray ny Bokinao tamin’ny fanapahan-kevitra izay tsy avy aiza fa avy Aminao; ary nankatò izay nandidianao azy ireo, ary nifidy hanaraka izay nampidininao ho azy.

Hitanao, ry Tompoko ô, fa nahafantatra sy niaiky izay nambaranao tao amin’ny Soratrao izy ireo. Omeo ho sotroiny, ry Tompoko ô, avy amin’ny tanan’ny Fangorahanao, ny ranon’ny Mandrakizainao. Soraty ho azy ireo, noho izany, ny valisoa nodidiana ho an’izay niroboka tao amin’ny ranomasimben’ny Fanatrehanao sy izay nahatratra ny divay voafantin’ny Fihaonana Aminao.

Mitalaho Aminao aho, ô Ianao Ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Mpiantra ny ampahoriana, mba handidy ho azy ireo ny soan’ity tontolo ity sy ny tontolo ho avy. Soraty ho azy ireo koa izay tsy mbola nisy nahita tamin’ireo voaharinao ary ataovy ho isan’ireo izay nihodidina Anao izy ireo, sy ireo izay mandeha manodidina ny sezam-piandriananao ao amin’ny tontolo tsirairain’ireo Tontolonao.

Ianao marina tokoa, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra, Ilay Mahafantatra ny zavatra rehetra, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac