Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Amin’ny Anaran’Andriamanitra, Ilay Avo indrindra! Deraina sy omem-boninahitra Ianao, ry Tompo, Andriamanitra mahefa ny zava-drehetra! Ianao izay, eo anatrehan’ny Fahendrenao, ny hendry dia niondrika sy tsy nahomby; eo anatrehan’ny Fahalalanao, niaiky ny tsy fahalalany ny olona manam-pahaizana; eo anatrehan’ny Herinao, manjary osa ny matanjaka; eo anatrehan’ny Harenao, manamarina ny fahantrany ny mpanankarena; eo anatrehan’ny Fahazavanao, very ao anaty haizina ny olona mazava, eny amin’ny taberinakelin’ny Fahalalanao no mitodika ny fototry ny fahafantarana rehetra ary mihodidina ny toerana masin’ny Fanatrehanao ny fanahin’ny olombelona rehetra.

Ataoko ahoana no iderako sy anambarako ny Foto-pisinao izay tsy takatry ny fahendren’ny hendry na ny fahaizan’ny manam-pahaizana – toy ny tsy isian’ny olona na iza na iza afaka hidera izay tsy fantany na hitantara izay tsy takany -nefa Ianao, hatrizay hatrizay dia Ilay Tsy tratra, Ilay tsy takatrin’ny saina.

Tsy manankery aho hisondrotra hatrany amin’ny lanitrin’ny Voninahitrao sy hanidina any amin’ny fanjakan’ny Fahalalanao, ny hany afaka tantaraiko dia ny Famantaranao izay manambara ny Asa-tananao be voninahitra.

Noho ny Voninahitrao, ry Malalan’ny fo rehetra ô! Ianao irery ihany no afaka mampitony ny fanaintainan’izay maniry Anao. Na hiray hina aza ny mponina rehetra any an-danitra sy ety an-tany mba hanome voninahitra ny kely indrindra amin’ny Famantaranao noho ny nanehoanao ny Tenanao, dia tsy nahomby izy ireo, mainka fa hidera ny Teninao masina, ilay mpamorona ireo Famantaranao rehetra.

Ho Anao ny dera sy ny voninahitra rehetra, Ianao izay nanamarinan’ny zava-drehetra fa Iray Ianao ary tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao izay hatrizay dia nasandratra ambonin’ny fitoviana sy tsy fihavahana ary hijanona ho toa izany mandrakizay. Ny mpanjaka rehetra dia tsy inona fa mpanomponao ary ny fisiana rehetra, na ny hita na ny tsy hita dia tsinontsinona eo anatrehanao.

Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao, Ilay Be indrafo, Ilay Mahery indrindra, Ilay Avo indrindra.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac