Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tompo, natodiko teny amin’ny Fanjakan’ny maha-iray Anao ny endriko ary niroboka tao anaty ny ranomasin’ny Indrafonao aho. Ry tompo, hazavao ny fahitako amin’ity alina maizina ity, amin’ny fibanjinana ny Fahazavanao, ary aoka ho sambatra aho noho ny divain’ny Fitiavanao amin’ity vanim-potoana mahafinaritra ity! Ry Tompo, ataovy izay handrenesako ny Antsonao ary sokafy eo anoloako ny varavaran’ny Lanitrao mba hahitako ny fahazavan’ny Voninahitrao sy ho voasariky ny Hatsaranao.
Marina tokoa, Ianao Ilay Mpanome, Ilay Onena olona, Ilay be Indrafo, Ilay Mpamela heloka.
- `Abdu'l-Bahá