Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tompoko ô, Malalako, Faniriako! Aoka ho namako amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ny fitokanako monina. Esory ny alaheloko. Ataovy izay hanokanako tena amin’ny Hatsaranao. Afaho aho amin’ny hafa afatsy Ianao. Sariho amin’ny hanitry ny Fahamasinanao aho.
Ataovy izay hiraisako, ao amin’ny Fanjakanao, amin’ireo izay niala tamin’izay rehetra tsy Ianao, izay maniry fatratra hanompo ny Tokonanao masina ary vonona hiasa ho an’ny Fototrao. Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanompovavinao izay nahatratra ny Fahafinaretanao aho.
Marina tokoa, Ianao Ilay Be fitiavana, Ilay Onena olona.
- `Abdu'l-Bahá