Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitro ô, Andriamanitro! Fanantenako Ianao ary Malalako, Faniriako ambony indrindra sy Tanjoko! Amim-panetren-tena tanteraka sy am-panoloran-tena manontolo, mivavaka Aminao aho mba hanao ahy ho tilikambon’ny Fitiavanao ao amin’ny Taninao, jiron’ny Fahalalanao eo amin’ireo Voaharinao ary fanevan’ny Fahasoavan-danitrao ao amin’ny Fanjakanao.
Ataovy ho isan’ny iray amin’ireo Mpanomponao aho, izay tsy niraikitra tamin’ny zavatra rehetra afatsy Ianao, niaro ny tenany tamin’ny zava-mandalon’ity tontolo ity, ary nanala ny tenany tamin’ny bitsikin’ny rendrarendra.
Avelao ny foko ho dibo-kafaliana avy amin’ny fanahin’ny fanamafisana avy amin’ny Fanjakanao, ary hazavao ny masoko noho ny fibanjinana ny tafikin’ny fanampian-danitra izay nidina nifanesy avy any amin’ny fanjakan’ny Voninahitrao tsy manam-petra.
Ianao, marina tokoa, Ilay Tsitoha, Be Voninahitra, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.
- `Abdu'l-Bahá