Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tompo mpamindra fo ô! Ianao no Fialofan’ny mpanomponao rehetra. Ianao mahalala ny tsiambaratelo ary ianao mahafantatra ny zavatra rehetra. Tsy manana ianteherana avokoa izahay, ary Ianao no Mahery Indrindra, Mahefa ny zavatra rehetra. Mpanota avokoa izahay, ary Ianao no Mpamela heloka, Ilay be indrafo, Ilay Mpangoraka.
Ry Tompo, aza mijery ny fahadisoanay. Ataovy aminay izay mifanaraka amin’ny Fahasoavanao sy ny Fahalalan-tananao. Maro ny fahadisoanay, fa tsy manam-petra ny ranomasimben’ny Famelan-kelokao. Lehibe ny fahalemenay, fa ny porofon’ny Fanohananao sy ny Fanampianao dia miharihary. Noho izany, hamafiso sy atanjaho izahay. Ataovy izay hanaovanay izay mendrika ny Tokonanao Masina. Hazavao ny fonay, omeo maso maranitra izahay sy sofina malady. Atsangano ny maty ary sitrano ny marary. Omeo harena ny mahantra ary omeo fitoniana sy fiarovana ireo be ahiahy. Ekeo ho ao amin’ny Fanjakanao izahay ary hazavao amin’ny fahazavan’ny Fitarihanao.
Ianao Ilay Manam-pahefana, Ilay Tsitoha. Ianao Ilay Malala-tanana. Ianao Ilay Malemy Fanahy. Ianao Ilay Be fitiavana.
- `Abdu'l-Bahá