Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tsitoaha! Mpanota aho, nefa Ianao Ilay izay mamela heloka! Malemy aho eo anatrehan’ny fakampanahy, nefa Ianao Ilay izay Mpangoraka! Ao anaty aizim-piton’ny fahadisoana aho, nefa Ianao no fahazavan’ny famotsorana!
Ianao, ry Andriamanitra be fitiavana, mamela ny heloko, omeo ahy ny tolotrao, mamindra fo amin’ny fahadisoaka, aoka ho fialofako Ianao, asitrio ao amin’ny loharanom-paharetanao aho ary sitrano amin’ny fangirifiriana sy ny aretina rehetra.
Diovy aho ary atolory ahy ny fahamasinanao. Aoka mba handray anjara amin’ny firotsahan’ny fahamasinanao aho mba ho levona ny fahoriako sy ny alaheloko, hiova ho fifaliana sy fahatoniana ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana, hisolo herim-po ny ahiahy. Marina tokoa, Ianao Ilay mamela heloka, Ilay mpangoraka, Ianao ilay Onena olona, ilay malala.
- `Abdu'l-Bahá