Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tompoko ô! Fantatrao fa voahodidin’ny fijaliana sy ny lozabe ny olombelona, ao anaty zava-tsarotra sy fikorontanana. Ny fitsapana rehetra dia samy mamely ny olona ary ny fahoriana mahamay rehetra dia manafika azy toy ny fanafihan’ny menarana. Tsy misy fialofana sy fierena ho azy afa-tsy eo ambany elatry ny Fiarovanao, ny Fiahianao, ny Fiambenanao sy ny Fikarakaranao.
O Ianao Ilay Be indrafo! Ry Tompoko ô! Aoka ny Fiarovanao ho fiarovan-tenako, ny Fiahianao ho ampingako, ny fanetren-tenako eo anatrehan’ny varavaran’ny Maha iray Anao ho fiarovako, ary ny Fikarakaranao sy ny Fiarovanao ho mandako sy fonenako. Arovy amin’ny fitiavan-tena sy ny faniriana aho ary ambeno amin’ny aretina, ny fitsapàna, ny fahasahiranana sy ny fahoriana rehetra.
Ianao, marina tokoa, Ilay Mpiaro, Ilay Mpiambina, Ilay Mpiahy, Ilay ampy tokoa, ary Ianao marina tokoa Ilay Mpamindra fo amin’izay Be Indrafo Indrindra.
- `Abdu'l-Bahá