Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitra Mpangoraka! Fisaorana no atolotra Anao, satria nanaitra sy nampahatsiaro tena ahy Ianao. Nomenao maso mahiratra aho sy sofina malady. Notarihinao amin’ny Lalanao aho ary notantananao ho eny amin’ny Fanjakanao. Nampisehoanao ahy ny lalana mahitsy ary nampidirinao ao amin’ny Sambo Fiaran’ny Famonjena aho.
Ry Andriamanitra o! Ataovy izay haharetako, sy hahamafy orina ahy sy hanolorako tena. Arovy amin’ny fitsapana mahamay aho, ary arovy sy alofy aho ao amin’ny manda voaaro mafin’ny Fanekenao sy ny Testamentanao. Ianao Ilay Mahery, Ianao Ilay mahita. Ianao Ilay mandre.
O Ianao Andriamanitra mpangoraka! Omeo fo, toy ny kristaly, aho izay mety hohazavaina amin’ny fahazavan’ny Fitiavanao ary omeo fisainana izay afaka manova ity tontolo ity ho zaridainan-draozy avy amin’ny firotsahan’ny fahasoavan’ny lanitra.
Ianao Ilay Mpangoraka, Ilay Be Indrafo. Ianao Ilay Andriamanitra lehibe mpanome soa.
- `Abdu'l-Bahá