Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Tompo ô, Andriamanitro sy fiereko ao anaty ny fijaliako. Ampingako sy fialofako ao anaty ny fahoriana! Fiarovako sy fisitrihako ao anaty ny fotoan-tsarotra ary Mpiaradia amiko amin’ny fitokanako! Fiononako amin’ny fanahiako ary Sakaizako feno fitiavana ao amin’ny fanireriko! Ilay Mpanamaivana ny fanaintainan’ny alaheloko sy Mpamela ny fahotako!
Mitodika tanteraka Aminao aho, mitalaho fatratra Aminao, amin’ny foko manontolo, ny fanahiko sy ny lelako, mba hiaro ahy amin’izay rehetra mifanohitra amin’ny Sitraponao, amin’izao tsingerin’ny Maha-Iray Anao izao, ary mba hanadio ahy amin’ny loto rehetra izay mety hisakana ahy hitady, amin’ny fo madio tsy misy pentina, ny aloky ny hazon’ny Fahasoavanao.
Hiantrao ny osa, ry Tompo o, sitrano ny marary ary toneo ny hetaheta mivaivay.
Ampifalio ny tratra izay mikotrika ny afon’ny Fitiavanao ary ampireheto izy amin’ny lelafon’ny Fitiavana sy ny fanahin-danitrao.
Tafio amin’ny akajom-pahamasinanao ny taberinakelin’ny Maha-Iray Anao ary apetraho eo amin’ny lohako ny satroboninahitry ny Fahasoavanao.
Hampamirapirato ny tarehiko amin’ny famirapiratrin’ny kintan’ny Hatsaranao, ary amin-katsaram-panahy, ampio aho hanompo eo an-Tokonanao masina.
Aoka ny foko ho tondraky ny fitiavana an’ireo Voaharinao ary aoka aho ho tonga famantarana ny Famindramponao, tandindon’ ny Fahasoavanao, mpitondra fihavanana eo amin’ireo Olon-tianao, hanokan-tena ho Anao, hanonona ny Fahatsiarovanao ary hanadino ny tenako fa kosa hitandrina mandrakariva izay Anao.
Ry Andriamanitra, Andriamanitro! Aza avela ho lavitry ny tsio-drivotra malefaky ny Famelanao sy ny Fahasoavanao aho ary aza manaisotra amiko ny loharanon’ny Fanampianao sy ny Fahasoavanao.
Eo ambany elatry ny Fiarovanao, aoka ho ankaniko ary atidiho amiko ny topimaso ny Fanaraha-masonao.
Vahao ny lelako mba hiderako ny Anaranao eo anivon’ny Vahoakanao, mba hisandratra ny feoko ao amin’ny fivoriambe ary mba hivoaka avy amin’ny molotro ny tosaky ny fiderana Anao.
Ianao, marina tokoa, Ilay Be fitiavana, Ilay Omem-boninahitra, Ilay Mahery, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.
- `Abdu'l-Bahá