Return to BahaiPrayers.net
Facebook
Ry Andriamanitra ô! Andriamanitra! Hitanao aho raiki-pitia sy voasinton’ny Fanjakanao El-Abhá, miredaredan’ny afom-pitiavanao eo anivon’ny olona, manambara ny Fanjakanao ao amin’ireo firenena lehibe sy midadasika, tafasaraka tamin’ny zavatra rehetra afa-tsy Ianao, mandao ny fialan-tsasatra sy ny fiadanana, mametraka ny fitokisako Aminao.
Lavitra ny tany nihaviako, mpisava lalana any amin’ireo faritra ireo, mpivahiny eto amin’ity tany ity, mitsangana am-panetren-tena aho eo anoloan’ny Tokonanao Masina, manaiky ny Fanapahanao ambony indrindra, mitalaho Aminao ny hariva sy amin’ny misasak’alina, miantso Anao sy mitaraina Aminao marain-tsy hariva mba hanampy ahy amin’ny fanompoana ny Fototrao, ny fanapariahana ny Fampianaranao sy ny fankalazana ny Teninao manerana ny tany Atsinanana sy Andrefana.
Ry Tompo, atanjaho aho, amafiso ny fahafaha-manaoko ary ataovy mafy orina aho amin’ny fanompoana Anao; aza avela ho irery sy hiantehitra amin’ny tenako aho any amin’ireo firenena ireo.
Ry Tompo, miombona amiko amin’ny fanireriko ary miaraha amiko amin’ireo diako manerana ireo firenena hafa ireo.
Marina tokoa, manamarina izay tianao amin’izay irianao atao Ianao, ary marina tokoa, Ianao Ilay Tsitoha, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.
- `Abdu'l-Bahá