Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Ry Andriamanitra ô! Andriamanitro! Hitanao ny fahalemeko, ny fanadinoako ny tenako sy ny fanetren-tenako eo amin’ireo voaharinao, nefa napetrako Taminao ny fahatokiako ary mahatoky ny Fahefanao sy ny Herinao nitsangana aho mba hampiroborobo ny Fampianaranao eo amin’ireo mpanomponao tapa-kevitra.

Ry Tompo! Vorona tapak’elatra aho ary maniry fatratra hanidina eny amin’ny Habakabakao tsy misy fetra. Ataoko ahoana ny ho tonga amin’izany raha tsy noho ny Fitantananao sy ny Fahasoavanao, ny Fanamafisanao sy ny Fanampianao!

Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny fahalemeko ary amafiso aho noho ny Fahefanao.

Ry Tompo! Mamindra fo amiko noho ny tsy fahafaha-manaoko ary ampio aho noho ny Herinao sy ny Fiandriananao.

Ry Tompo! Raha ny tsiokan’ny Fanahy Masina no manamafy ny olona faran’izay osa dia ho tonga eny amin’ny ambaratonga ambony indrindra izy ary hahazo izay iriany. Marina tokoa, Ianao, hatramin’ny taloha, dia nanotrona ny mpanomponao; faran’izay osa izy ireo, manetry tena indrindra sy tsinontsinona indrindra amin’ireo voaharinao tamin’ireo izay niaina teto an-tany; nefa noho ny Fanekenao sy ny Fahefanao, nahazo ny fahamboniana teo amin’ny vahoaka faran’izay be voninahitra sy olona faran’izay mendrin-kaja ireo mpanomponao ireo.

Raha noharina toy ny bibikely izy ireo taloha dia novaina ho voromahery; raha toy ny rano indray mitete izy ireo dia tonga ranomasimbe. Noho ny Tolotrao, ny Famindramponao sy ny Fitiavanao manan-daza, tonga kintana mamirapitratra eny amin’ny faravodilanitry ny Fitarihanao izy ireo, tonga vorona mikalo ao amin’ny tanin-draozin’ny fiainana mandrakizay, tonga liona mierona ao amin’ny alan’ny fahalalana sy ny fahendrena, ary tonga trozona milomano ao amin’ny ranomasimben’ny fiainana.

Marina tokoa, Ianao Ilay Malemy fanahy, Ilay Mahery, ary Ilay be indrafo amin’ireo be indrafo.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac