Return to BahaiPrayers.net   Facebook

Dera ho Anao, ry Andriamanitro ô! Marina tokoa, ireto ny mpanomponao voasariky ny hanitry ny Famindramponao, miredareda amin’ny afo mirehitra eo amin’ny hazon’ny Firaisanao ary ny masony mamirapiratra mandinika ny fahazavana manjopika eo amin’ny Sinaï-n’ny maha-Iray Anao.

Ry Tompo, vahao ny lelany mba hankalazany Anao eo amin’ny vahoakanao, avelao hihira ny fiderana Anao izy ireo noho ny Fankasitrahanao sy ny Fahasoavanao, ampio izy ireo amin’ny tafik’ireo anjelinao, atanjaho izy ireo eo amin’ny fanompoana Anao ary ataovy ho famantarana ny Fitarihanao izy ireo eo anivon’ireo voaharinao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Tena ambony, Ilay Mpamela heloka, Ilay Mpamindra fo.

Ry Andriamanitro ô! Andriamanitro! Hitanao ity voahary malemy izay mitalaho ny herin’ny Fanjakanao, ity olo-mahantra mitalaho Aminao mba hanome azy ny soan’ny lanitrao. Ity mangetaheta maniry fatratra hahita ny loharano izay hikorianan’ny ranon’ny fiainana mandrakizay, ity marary mangataka noho ny fangoraham-ponao tsy hita lany ny fahasitranana tanteraka izay natokanao manokana ho an’ireo mpanomponao voafidy ao amin’ny Fanjakanao faratampony.

Ry Tompo ô! Tsy manan-kianteherana afa-tsy Aminao aho, tsy manana mpampionona na mpiahy aho afa-tsy Ianao! Ampio amin’ireo anjelinao aho amin’ny fampielezana ny Hanitrao masina sy ny fanapariahana ny Fampianaranao eo amin’ny olom-boafidinao.

Ry Tompo ô! Aoka tsy hiraikitra amin’ny zavatra rehetra aho afa-tsy Aminao ary hifikitra mafy amin’ny rambon’akanjonao, aoka ho tso-po aho ao amin’ny Finoanao, ho mafy orina ao amin’ny Fitiavanao, ary ataovy izay hiainako mifanaraka amin’izay nolazainao tao amin’ny Bokinao.

Marina tokoa, Ianao Ilay Mahery, Ilay Matanjaka, Ilay Mahefa ny zavatra rehetra.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac