Return to BahaiPrayers.net   Facebook

“… ny fanambadiana bahá’í dia fifanekena eo amin’ny andaniny sy ny ankilany ary firaiketam-po sy saina. Ny tsirairay, na izany aza, dia tokony hitandrina fatratra mba hifankafantatra tsara amin’ny toetran’ny iray, ka ny fifanekena eo amin’izy ireo dia ho fifamatorana maharitra mandrakizay. Ny tanjon’izy ireo dia ity: ho lasa mpinamana feno fitiavana sy mpisakaiza ary ho an’ny iray ny tsirairay amin’ny fotoana rehetra sy ho mandrakizay”.

‘Abdu’l-Bahá.

Ny vavy sy ny lahy dia tokony hanonona tsirairay avy, eo anatrehan’ny vavolombelona farafaha-keliny roa izay eken’ny Antenimiera Am-panahy, araka izay voalaza ao amin’ny Kitáb-í-Aqdas (Ilay Boky Masina indrindra) :

“Marina tokoa, miankina amin’ny Sitrapon’Andriamanitra izahay”.

Izy no Andriamanitra! Ry Tompo Tapitr’ohatra ô! Ao amin’ny Fahendrenao faratampony, nandidy ny fanambadiana ho an’ny olombelona Ianao, mba hifandimbiasan’ny taranak’olombelona eto amin’ity tontolo fandalovana ity, ary ho mandrakizay, raha mbola haharitra ihany koa izao tontolo izao, hanokana ny tenany eo an-tokonan’ny Firaisanao izy rehetra, amin’ny fivavahana sy fankalazana, amin’ny fitsaohana sy fiderana. “Tsy namorona ny fanahy sy ny olona Aho afa-tsy ny hankalan’izy ireo Ahy” ( )

Amin’izany, hampiraiso, ao an-danitry ny Famindramponao, ireto vorona roa avy amin’ny ankanim-Pitiavanao ireto, ary ataovy fitaovana fisarihana ny Fahasoavanao mandrakizay izy ireo, mba ho avy amin’ny firaisan’ireo ranomasimben’ny fitiavana ireo, ny onjam-pitiavana dia afaka hipoitra sy hanipy, eny amoron-dranon’ny fiainana, ny vatosoan’ny vokatra madio sy tsara.

“Navelany malalaka mba hihaona ireo ranomasimbe roa ireo. Eo analanelan’izy ireo dia misy fetra izay tsy azon’izy ireo hihoarana. Inona avy amin’ireo soa avy amin’Andriamanitra no holavinareo? Avy amin’ny tsirairay amin’izy ireo dia namoaka vatosoa lehibe sy madinika Izy. (1)

O Ianao, Tompo Be Fitiavana! Aoka ho avy amin’ity fanambadiana ity no teraka ny vatosoa sy perla.

Ianao marina tokoa no Ilay Tsitoha, Ilay Lehibe Indrindra, Ilay mamela heloka mandrakariva.

 


English  
ភាសាខ្មែរ  
አማርኛ.  
Afrikaans  
Alaska Native  
American Indian  
Azərbaycan  
Bahasa Indonesia  
Bahasa Malaysia  
Bidayuh  
Bosanski  
Canadian Indigenous  
Català  
Cebuano  
Česky  
Chamorro  
Chichewa  
Corsica  
Cymraeg  
Daga  
Dansk  
Deutsch  
Dzongkha  
Eesti  
Español  
Esperanto  
Euskara  
Fiji  
Filipino  
Føroyar  
Français  
Frysk  
Hausa  
Hawaiian  
Hiri Motu  
Hrvatski  
Irish  
Íslenska  
Italiano  
Kabyle  
Kalaallisut  
Kiribati  
Kiswahili  
Kreyol Ayisyen  
Kuanua  
Kube  
Latviešu  
Lëtzebuergesch  
Lietuvių  
Luganda  
Magyar  
Malagasy  
Malti  
Māori  
Marshallese  
Melpa  
Montenegrin  
Nalik  
Namibia  
Nederlands  
Norsk  
Papiamentu  
Polski  
Português (BR)  
România  
Sámi  
Samoan  
Sarawak  
Sesotho  
Shqip  
Slovenščina  
Slovensky  
Sranan Tongo  
Srpski српски  
Suomi  
Svenska  
Tetum  
Tiếng Việt  
Tok Pisin  
Tongan  
Türkçe  
Türkmençe  
Tuvalu  
Vanuatu  
ελληνικά  
Беларускі  
български  
Кыргыз  
Монгол хэл  
Русский  
Тоҷикӣ  
Україна  
հայերեն  
اُردُو  
العربية  
فارسی  
नेपाली  
मराठी  
हिंदी  
বাংলা  
ગુજરાતી  
ଓଡ଼ିଆ  
தமிழ்  
తెలుగు  
ಕನ್ನಡ  
മലയാളം  
ภาษาไทย  
ພາສາລາວ  
한국어  
日本語  
简体中文  
繁體中文  
Windows / Mac